Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanazavana Teny

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z

A

  • Aba:

    Volana faha-5 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany tany Babylona, fa volana faha-11 kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Jolay izy io ka hatramin’ny tapaky ny Aogositra. Tsy misy an’io anarana io ao amin’ny Baiboly, fa ataony fotsiny hoe “volana fahadimy.” (No 33:38; Ezr 7:9)—Jereo F.F. B15.

  • Abiba:

    Volana voalohany tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, fa volana fahafito kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Midika hoe “Salohy Maitso” ny hoe Abiba, ary nanomboka tamin’ny tapaky ny Martsa ka hatramin’ny tapaky ny Aprily. Novana hoe Nisana izy io, rehefa niverina avy tany Babylona ny Jiosy. (De 16:1)—Jereo F.F. B15.

  • Adara:

    Volana faha-12 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany tany Babylona, fa volana faha-6 kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Febroary izy io ka hatramin’ny tapaky ny Martsa. (Es 3:7)—Jereo F.F. B15.

  • Akaia:

    Faritany romanina tany amin’ny faritra atsimon’i Gresy, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Korinto no renivohiny. Anisan’i Akaia i Peloponezy iray manontolo sy ny faritra afovoan’i Gresy. (As 18:12)—Jereo F.F. B13.

  • Akofa:

    Akotry poakaty na hoditra voam-bary misaraka amin’ny tena vary rehefa velezina sy kororohina ny vary. Ilazana zavatra tsy misy dikany na tsy ilaina ny akofa.—Sl 1:4; Mt 3:12.

  • Alamota:

    Teny fampiasa tamin’ny mozika, midika hoe “Ankizivavy; Tovovavy.” Toa nilazana ny feo voalohany nataon’ny tovovavy izy io. Angamba nampiasaina izy io mba hilazana hoe tokony hatao ambony ny feon’ny zavamaneno ampiarahina amin’ilay hira.—1Ta 15:20; Sl 46:0.

  • Alfa sy Omega:

    Litera voalohany sy farany amin’ny abidy grika. Miverina intelo ao amin’ny Apokalypsy ireo teny ireo, ary anaram-boninahitra iantsoana an’Andriamanitra. Midika hoe “ny voalohany sy ny farany” sy hoe “ny fiandohana sy ny fiafarana” ny hoe Alfa sy Omega, ao amin’ireo andininy ireo.—Ap 1:8; 21:6; 22:13.

  • Alitara:

    Zavatra na toerana avoavo fanaovana sorona na fanolorana emboka manitra ho an’Andriamanitra na ho an’ny sampy. Feta no nanamboarana an’ilay izy, na vato maromaro, na bolongam-bato iray, na hazo norakofana metaly. Nisy “alitara volamena” fandoroana emboka manitra, tao amin’ny efitra voalohany tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Kelikely izy io, ary hazo norakofana volamena no nanamboarana azy. Nisy “alitara varahina” fanolorana fanatitra dorana kosa teo an-tokotany, ary ngeza kokoa izy io. (Ek 27:1; 39:38, 39; Ge 8:20; 1Mp 6:20; 2Ta 4:1; Lk 1:11)—Jereo F.F. B5 sy B8.

  • Amena:

    “Ho tanteraka anie izany” na hoe “ho izany tokoa anie.” Avy amin’ny fototeny hebreo hoe ʼaman, izay midika hoe “azo antoka, mendri-pitokisana”, io teny io. Niteny hoe “Amena” ny olona rehefa nanaiky an’izay voalaza tamin’ny fianianana na vavaka, na rehefa nanamafy ny zavatra noteneniny na nanaiky an’izay nolazain’olon-kafa. Anaram-boninahitra iantsoana an’i Jesosy izy io ao amin’ny Apokalypsy.—De 27:26; 1Ta 16:36; Ap 3:14.

  • Ampahafolon-karena:

    Ampahafolony amin’ny fananana na 10 isan-jatony omena na aloa ho hetra, indrindra fa eo amin’ny resaka fivavahana. (De 26:12; Ml 3:10; Mt 23:23) Nomena ampahafolon’ny vokatry ny tany sy ampahafolon’ny zanaky ny ondry aman’osy sy omby ny Levita isan-taona, mba hanampiana azy ireo, tamin’ny mbola narahina ny Lalàn’i Mosesy. Ny Levita indray nanome ny ampahafolon’ireo ho an’i Arona mpisorona sy ny taranany, mba hanohanana azy ireo. Nisy ampahafolon-karena hafa koa. Tsy takina amin’ny Kristianina ny ampahafolon-karena.

  • Ampongabendanitra:

    Voankazo mitovy bika amin’ny paoma, ary misy toy ny satroboninahitra kely eo amin’ny tendrony. Mafy ny hoditr’ilay voankazo ary misy efitrefitra kely, izay feno voa madinika be ranony miloko mavokely na mena, ao anatiny.  Nisy haingonkaingony hoatran’ny ampongabendanitra teo amin’ny morontongotry ny akanjo manga tsy misy tanany nanaovan’ny mpisoronabe. Nisy hoatr’izany koa teo amin’ny tampon’ireo andry nantsoina hoe Jakina sy Boaza teo anoloan’ny tempoly.—Ek 28:34; No 13:23; 1Mp 7:18.

  • Andro Fandrakofam-pahotana:

    Andro lehibe indrindra ho an’ny Israelita, nankalazaina ny 10 Etanima. Nantsoina koa izy io hoe Yom Kippour (avy amin’ny teny hebreo hoe yôhm hakkipporim, na “andron’ireo fandrakofana”). Tamin’io andro io ihany, tao anatin’ny taona, ny mpisoronabe no niditra tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina, sy tao amin’ny tempoly tatỳ aoriana. Nanolotra ny ran’ny biby natao fanatitra noho ny fahotany sy noho ny fahotan’ny Levita hafa ary ny an’ny vahoaka izy tao. Nisy fivoriambe masina sy fifadian-kanina tamin’io andro io. Andro sabata koa izy io, ka tsy nanao ny asa fanaony andavanandro ny olona.—Le 23:27, 28.

  • Andro farany:

    Ampiasain’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly io teny io sy ny teny hafa mitovitovy aminy, ohatra hoe “any am-parany”, mba hilazana an’ilay fotoana miavaka alohan’ny hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany. (Ezk 38:16; Da 10:14; As 2:17) Mety haharitra taona vitsivitsy fotsiny na taona maro io fotoana io, arakaraka ilay faminaniana. Ampiasaina hilazana ny andro faran’izao tontolo izao, mandritra ny fanatrehan’i Jesosy, io teny io. Izany no miavaka indrindra amin’ny fampiasan’ny Baiboly azy io.—2Ti 3:1; Jk 5:3; 2Pe 3:3.

  • Andro Fiomanana:

    Ny andro talohan’ny Sabata, ary tamin’io ny Jiosy no nanomana an’izay nilainy tamin’ny Sabata. Nifarana io andro io rehefa nilentika ny masoandro ny zoma, ary nanomboka ny Sabata. Nanomboka ny takariva hatramin’ny ampitso takariva mantsy ny andro, tamin’ny Jiosy.—Mr 15:42; Lk 23:54.

  • Andro Fitsarana:

    Andro na fe-potoana iray anaovan’Andriamanitra ampamoaka antokon’olona, na firenena, na ny olombelona amin’ny ankapobeny. Mety ho amin’io fotoana io no haringana izay voaheloka ho faty. Mety hisy koa anefa ny ho voavonjy sy hahazo fiainana mandrakizay, rehefa avy notsaraina. Nilaza i Jesosy Kristy sy ny apostoliny fa hisy “Andro Fitsarana” amin’ny hoavy, ka tsy ny velona ihany no hotsaraina amin’izay fa ireo efa maty koa.—Mt 12:36.

  • Andry:

    Zavatra mijoro atao tohana, na zavatra mitovitovy amin’izany. Natao hahatsiarovana zava-bita niavaka na zava-nitranga teo amin’ny tantara ny sasany tamin’izy ireny. Nisy andry tao amin’ny tempoly sy lapa naorin’i Solomona. (Mpts 16:29; 1Mp 7:21)—Jereo LOHA ANDRY.

  • Anjely:

    Avy amin’ny teny hebreo hoe malʼak sy ny teny grika hoe aggelôs, izay samy midika ara-bakiteny hoe “iraka” na “mpitondra hafatra.” Tonga dia nadika hoe “anjely” anefa ireo teny ireo rehefa anjely no nirahina. (Ge 16:7; 32:3; Jk 2:25; Ap 22:8) Fanahy mahery ny anjely, ary noforonin’Andriamanitra ela be talohan’ny olombelona. Antsoina koa hoe “zanak’Andriamanitra” na “kintan’ny maraina” izy ireny. (Jb 1:6; 38:7) Tsy natao hiteraka anjely mitovy aminy izy ireny, fa noforonina tsirairay. Zato tapitrisa mahery ny isany. (Da 7:10) Samy manana ny anarany sy ny toetra mampiavaka azy izy ireny. Manetry tena anefa ny anjely ka tsy manaiky hivavahana. Ny ankamaroany aza tsy manaiky hilaza ny anarany. (Ge 32:29; Lk 1:26; Ap 22:8, 9) Tsy mitovy ny toerana tanany sy ny asa ataony. Misy manompo eo anoloan’ny seza fiandrianan’i Jehovah, na mampita hafatra avy aminy, na manampy ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany, na mampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra, na manampy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. (2Mp 19:35; Sl 34:7; Lk 1:30, 31; Ap 5:11; 14:6) Hanampy an’i Jesosy izy ireny amin’ny hoavy, amin’ny ady Aramagedona.—Ap 19:14, 15.

  • Anjombona:

    Jereo TANDROKA.

  • Antikristy:

    Misy heviny roa io teny io amin’ny teny grika. Ilazana an’izay manohitra an’i Kristy izy io. Mety hidika koa izy io hoe Kristy sandoka, izany hoe olona maka ny toeran’i Kristy. Azo antsoina hoe antikristy izay olona na fikambanana na antokon’olona misandoka ho solontenan’i Kristy na mihambo ho Mesia na manohitra an’i Kristy sy ny mpianany.—1Jn 2:22.

  • Anti-panahy; Zokiolona:

    Lehilahy matotra. Ampiasaina io teny io ao amin’ny Soratra Masina mba hilazana an’izay olona manana fahefana na andraikitra eo amin’ny antokon’olona, na eo amin’ny fiaraha-monina na firenena. Ilazana zavaboary any an-danitra koa ny hoe “anti-panahy” ao amin’ny Apokalypsy. Nadika hoe “anti-panahy” ny teny grika  hoe presbyterôs, rehefa ilazana an’ireo manana andraikitra hitarika eo anivon’ny fiangonana.—Ek 4:29; Oh 31:23; 1Ti 5:17; Ap 4:4.

  • Antoka:

    Zavatra apetraky ny mpitrosa any amin’izay nitrosany, ho fanomezan-toky fa haloany ny trosany. Nisy lalàna momba ny zavatra azo atao antoka sy tsy azo atao antoka tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Niaro ny mahantra sy ny tsy misy mpiaro teo amin’ilay firenena izany.—Ek 22:26; Ezk 18:7.

  • Antsapaka:

    Vatokely na hazo fisaka kely nampiasaina rehefa hanapa-kevitra. Natao tao anaty akanjo naforitra na zavatra ireo, dia nahontsankontsana avy eo. Izay vatokely na hazo nivoaka avy tao na voaray tao no nahafantarana an’izay voafidy. Matetika no nivavaka ireo nanao antsapaka. “Anjara” ny hevitry ny hoe “antsapaka”, na ara-bakiteny ilay izy na an’ohatra.—Js 14:2; Sl 16:5; Oh 16:33; Mt 27:35.

  • Apostoly:

    Midika hoe “irahina”, ary ilazana an’i Jesosy sy ny olona sasany nirahina hanompo ny hafa. Matetika io teny io no ilazana an’ireo mpianatra 12 lahy nofidin’i Jesosy hisolo tena azy.—Mr 3:14; As 14:14.

  • Arama; Aramianina:

    Zanak’i Sema i Arama, ary taranak’i Arama ny Aramianina. Tany amin’ny Tendrombohitra Libàna ka hatrany Mezopotamia izy ireo no tena nipetraka, ary tany amin’ny Tendrombohitra Taurus tany avaratra ka hatrany Damaskosy sy hatrany atsimo rehetra tany. Arama no anaran’izany faritra izany tamin’ny teny hebreo, fa avy eo lasa hoe Syria. Nantsoina hoe Syrianina ny mponina tany.—Ge 25:20; De 26:5; Ho 12:12.

  • Aramagedona:

    Avy amin’ny teny hebreo hoe Har Megiddôhn, midika hoe “Tendrombohitr’i Megido.” Io teny io no iantsoana ny “adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” Hivondrona ny “mpanjakan’ny tany manontolo” amin’izay, mba hiady amin’i Jehovah. (Ap 16:14, 16; 19:11-21)—Jereo FAHORIANA LEHIBE.

  • Aramianina:

    Fiteny semitika nisy ifandraisany tamin’ny teny hebreo, satria nitovy ny abidy nampiasainy. Ny Aramianina no nampiasa an’io fiteny io tamin’ny voalohany. Lasa fiteny niombonana tany Asyria sy Babylonia anefa izy io tatỳ aoriana, rehefa nanao raharaham-barotra sy nifandray ny mponina tany. Io koa ny fiteny ofisialy nampiasain’ny manam-pahefana tao amin’ny fanjakana persianina. (Ezr 4:7) Nisy nosoratana tamin’ny teny aramianina ny bokin’i Ezra sy Jeremia ary Daniela.—Ezr 4:8–6:18; 7:12-26; Je 10:11; Da 2:4b–7:28.

  • Areopago:

    Havoana tany Atena, tany avaratrandrefan’i Acropole. Io koa no niantsoana ny fitsarana nivory tao. Nentin’ny filozofa stôika sy epikoreanina teny amin’ny Areopago i Paoly, mba hanazava ny zavatra ninoany.—As 17:19.

  • Areti-mandringana:

    Areti-mifindra miely haingana be, ka lasa valanaretina mahafaty. Didim-pitsaran’Andriamanitra no nahatonga azy ireny matetika.—No 14:12; Ezk 38:22, 23; Am 4:10.

  • Aretin-javamaniry:

    Aretina avy amin’ny holatra. Mety hisy pentimpentina hoatran’ny lokona harafesina ny tahon’ilay zavamaniry sy ny raviny (Puccinia graminis), rehefa tratran’ilay aretina resahin’ny Baiboly.—1Mp 8:37.

  • Arkanjely:

    Midika hoe “filohan’ny anjely.” Avy amin’ny teny grika ilay hoe ark, ary midika hoe “filoha” na “lehibe indrindra” izy io. Rehefa jerena io famaritana io sy ny fomba nampiasana an’ilay hoe “arkanjely”, dia hita fa iray ihany ny arkanjely. Amin’ny endriny milaza tokana foana mantsy io teny io ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao fa Mikaela no anaran’ilay arkanjely.—Da 12:1; Jd 9; Ap 12:7.

  • Asa eny am-pamoloana:

    Fivelezana varimbazaha mba hanalana ny voany amin’ny salohim-bary. Famoloana no iantsoana ny toerana nanaovana an’izany. Novelezina tamin’ny tsorakazo ny salohim-bary. Raha vary be dia be indray ilay izy, dia fitaovana fanosihosena varimbazaha tarihin’ny biby no nampiasaina. Nisy kodiarana ny fitaovana sasany. Naparitaka teo amin’ny famoloana aloha ny salohim-bary, dia avy eo nampandalovina teo amboniny ilay fitaovana. Toerana boribory marin-tampona ilay famoloana, ary avo sady azon-drivotra tsara.—Le 26:5; Is 41:15; Mt 3:12.

  • Astarta:

    Andriamanibavin’ny Kananita, ary vadin’i Bala. Andriamanibavin’ny ady sy ny fiterahana na fahavokarana.—1Sa 7:3.

  • Azazela:

    Anarana hebreo mety hidika hoe “Osy Manjavona.” Nalefa tany an-tany efitra ilay osy natao ho an’i Azazela tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, ka toy ny hoe nentiny tany ny fahotana nataon’ilay firenena tamin’ny taon-dasa.—Le 16:8, 10.

  •  Azia:

    Anarana faritany romanina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ny faritra andrefan’i Torkia miampy nosy vitsivitsy, toa an’i Samo sy Patmo, izy io ankehitriny. I Efesosy no renivohiny. (As 20:16; Ap 1:4)—Jereo F.F. B13.

B

  • Bala:

    Andriamanitra kananita noheverina fa tompon’ny lanitra sy mpandatsaka orana ary mampahavokatra ny tany. Nantsoin’ny Kananita tany amin’ny toerana sasany hoe “Bala” koa ireo andriamanitra ambany kokoa nivavahany. Midika hoe “Tompo” ilay teny hebreo nadika hoe Bala.—1Mp 18:21; Ro 11:4.

  • Bararata:

    Ilazana zavamaniry maro maniry eny amoron-drano. Ilay zavamaniry antsoina hoe Arundo donax matetika no tiana horesahina. (Jb 8:11; Is 42:3; Mt 27:29; Ap 11:1)—Jereo BARARATA FANDREFESANA.

  • Bararata fandrefesana:

    Enina hakiho ny halavan’ny bararata fandrefesana. Nirefy 2,67 m izy io, raha hakiho mahazatra no nandrefesana azy, ary 3,11 m raha hakiho lava. (Ezk 40:3, 5; Ap 11:1)—Jereo F.F. B14.

  • Bata:

    Fatrana ranon-javatra tombanana ho 22 litatra eo ho eo, rehefa jerena ny silaka siny misy an’io anarana io hitan’ny mpikaroka. Miainga avy amin’io fatrana bata io no ikajiana ny ankamaroan’ny fatran-javatra maina sy fatrana ranon-javatra ao amin’ny Baiboly. (1Mp 7:38; Ezk 45:14)—Jereo F.F. B14.

  • Batisa:

    Midika hoe “mandroboka” na mandentika ao anaty rano ny hoe “manao batisa.” Nilaza i Jesosy fa tokony hatao batisa ny mpanara-dia azy. Miresaka batisa maromaro ny Soratra Masina, anisan’izany ny batisan’i Jaona, sy ny batisa amin’ny fanahy masina, ary ny batisa amin’ny afo.—Mt 3:11, 16; 28:19; Jn 3:23; 1Pe 3:21.

  • Be fitiavana sy tsy mivadika:

    Avy amin’ny teny hebreo hoe hesed, izay midika hoe tia olona iray satria tsy te hivadika aminy, sady tena tsy mahafoy azy, ary miraiki-po aminy. Ilazana ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona izy io matetika, nefa koa ilazana ny fitiavana asehon’ny olona iray amin’ny olon-kafa.—Ek 34:6; Rt 3:10.

  • Belzeboba:

    Anarana iantsoana an’i Satana, ilay andriana na lehiben’ny demonia. Mety ho avy amin’ny hoe Bala-zeboba, anaran’ilay Bala nivavahan’ny Filistinina tany Ekrona, io teny io, fa novana kely fotsiny.—2Mp 1:3; Mt 12:24.

  • Bola:

    Volana fahavalo tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, fa volana faharoa kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Avy amin’ny fototeny midika hoe “manome; mamokatra” izy io, ary nanomboka tamin’ny tapaky ny Oktobra ka hatramin’ny tapaky ny Novambra. (1Mp 6:38)—Jereo F.F. B15.

D

  • Dagona:

    Andriamanitry ny Filistinina. Tsy tena fantatra ny niavian’io teny io, fa misy manam-pahaizana milaza hoe misy ifandraisany amin’ny teny hebreo hoe dag (trondro) ilay hoe Dagona.—Mpts 16:23; 1Sa 5:4.

  • Darìka:

    Vola madinika persianina milanja 8,4 g. (1Ta 29:7)—Jereo F.F. B14.

  • Dekapolisy:

    Tanàna grika maromaro niisa folo tamin’ny voalohany (avy amin’ny teny grika hoe deka midika hoe “folo”, sy pôlis midika hoe “tanàna”). Dekapolisy koa no niantsoana an’ilay faritra atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia sy ny Reniranon’i Jordana, izay nisy ny ankamaroan’ireo tanàna ireo. Tany no tena niroborobo ny varotra sy ny kolontsaina grika. Nandalo an’ilay faritra i Jesosy, saingy tsy voalaza raha nitsidika ny iray tamin’ireo tanàna ireo izy na tsia. (Mt 4:25; Mr 5:20)—Jereo F.F. A7 sy B10.

  • Demonia:

    Anjely ratsy fanahy mahery noho ny olombelona. Tsy hoe vao noforonina akory izy ireo dia efa ratsy toetra. Nantsoina hoe “zanak’Andriamanitra” mantsy izy ireo ao amin’ny Genesisy 6:2 ary “anjely” ao amin’ny Joda 6. Lasa fahavalon’Andriamanitra anefa ireo anjely ireo, rehefa tsy nankatò azy tamin’ny andron’i Noa sy niandany tamin’i Satana izay nikomy tamin’i Jehovah.—De 32:17; Lk 8:30; As 16:16; Jk 2:19.

  • Denaria:

    Vola madinika volafotsy romanina nilanja 3,85 g teo ho eo, ary nisy ny sarin’i Kaisara teo amin’ny lafiny iray. Iray denaria isan’andro no karaman’ny mpiasa, ary io ilay “hetra isan-dahy” notakin’ny Romanina tamin’ny Jiosy. (Mt 22:17, f.a.p.; Lk 20:24)—Jereo F.F. B14.

  • Devoly:

    Anarana iantsoana an’i Satana ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary midika hoe “Mpanendrikendrika.” Nomena an’io anarana io i Satana, satria izy no lehiben’ny mpanendrikendrika sy mpiampanga an’i Jehovah sy ny teniny ary ny anarany masina.—Mt 4:1; Jn 8:44; Ap 12:9.

  •  Ditin-kazo manitra:

    Ditin-kazo maina avy amin’ny hazo na kirihitra anisan’ny fianakavian’ny Boswellia. Manitra be izy io rehefa dorana, ary anisan’ireo zava-manitra nanamboarana ny emboka manitra nampiasaina tao amin’ny tranolay masina sy tempoly. Nasiana azy io koa ny fanatitra varimbazaha, ary nandrarahana azy io teo ambonin’ny toko tsirairay tamin’ny mofo aseho tao amin’ny Masina.—Ek 30:34-36; Le 2:1; 24:7; Mt 2:11.

  • Drakma:

    Vola madinika volafotsy grika nilanja 3,4 g, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Miresaka momba ny drakma volamena tamin’ny andron’ny Persianina ny Soratra Hebreo. Mitovy amin’ny darìka izy io. (Ne 7:70; Mt 17:24)—Jereo F.F. B14.

E

  • Edoma:

    Anarana hafa nomena an’i Esao, zanakalahin’i Isaka. Azon’ny taranak’i Esao (Edoma) ny faritr’i Seira, izany hoe ilay faritra be tendrombohitra eo anelanelan’i Ranomasina Maty sy ny Hoalan’i Akabà. Lasa nantsoina hoe Edoma io faritra io. (Ge 25:30; 36:8)—Jereo F.F. B3 sy B4.

  • Efaha:

    Fatran-javatra maina, ary koa fitaovana famarana voamadinika. Iray bata (fatrana ranon-javatra), izany hoe 22 litatra, ny iray efaha. (Ek 16:36; Ezk 45:10)—Jereo F.F. B14.

  • Efoda:

    Akanjo nanaovan’ny mpisorona, mitovitovy amin’ny aron’akanjo. Niavaka ny efoda nanaovan’ny mpisoronabe, satria nisy saron-tratra nisy vatosoa 12 teo anoloana tamin’ilay izy. (Ek 28:4, 6)—Jereo F.F. B5.

  • Efraima:

    Zanakalahy faharoan’i Josefa. Io koa no lasa niantsoana ny iray tamin’ireo foko teo amin’ny Israely. I Efraima no foko lehibe indrindra, ka lasa izy no nisolo tena ny fanjakan’ny foko folo, rehefa nizara roa ny Israely.—Ge 41:52; Je 7:15.

  • Elola:

    Volana faha-6 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany tany Babylona, fa volana faha-12 kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Aogositra izy io, ka hatramin’ny tapaky ny Septambra. (Ne 6:15)—Jereo F.F. B15.

  • Emboka manitra:

    Ditin-kazo manitra sy balsama mifangaro, izay mamoaka fofona manitra rehefa mirehitra tsikelikely. Emboka manitra manokana vita tamin’ny zavamaniry efatra nafangaro no nampiasaina tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Nodorana maraina sy hariva teo amin’ny alitara fandoroana emboka manitra tao amin’ny Masina izy io. Nodorana tao amin’ny Masina Indrindra kosa izy io, rehefa Andro Fandrakofam-pahotana. Ilazana ny vavaka ataon’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika koa ny hoe “emboka manitra.” Tsy takina amin’ny Kristianina ny hoe manolotra emboka manitra.—Ek 30:34, 35; Le 16:13; Ap 5:8.

  • Eofrata:

    Renirano lava indrindra sy lehibe indrindra any Azia atsimoandrefana, ary iray amin’ireo renirano ngeza indrindra any Mezopotamia. Ny Genesisy 2:14 no miresaka azy io voalohany. Voalaza ao hoe anisan’ireo renirano efatra tany Edena izy io. Antsoina hoe “ny Renirano” izy io matetika. (Ge 31:21) Izy io no sisin-tany avaratra amin’ny tanin’ny Israely. (Ge 15:18; Ap 16:12)—Jereo F.F. B2.

  • Epikoreanina:

    Mpanara-dia an’i Épicure, filozofa grika (341-270 T.K.). Ny fikatsahana fahafinaretana, hono, no tena tanjona eo amin’ny fiainana, araka ny filozofian’izy ireo.—As 17:18.

  • Etanima:

    Volana fahafito tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, fa volana voalohany kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Septambra izy io, ka hatramin’ny tapaky ny Oktobra. Nantsoina hoe Tisry io volana io, rehefa niverina avy tany Babylona ny Jiosy. (1Mp 8:2)—Jereo F.F. B15.

  • Etiopia:

    Firenena taloha teo atsimon’i Ejipta. Anisan’izy io ny faritra atsimon’i Ejipta amin’izao sy ny tapany avaratr’i Soudan ankehitriny. Io teny io indraindray no ampiasaina ho an’ilay teny hebreo nadika hoe “Kosy.”—Es 1:1.

F

  • Fahagagana:

    Zavatra na asa mahagaga vitan’ny hery lehibe lavitra noho ny an’ny olombelona na ny herin’ny natiora. Indraindray izy io adika hoe “famantarana” na “fambara” na “zavatra miavaka”, ao amin’ny Baiboly.—Ek 4:21; As 4:22; He 2:4.

  • Fahamarinana:

    Izay marina mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra momba an’izay heveriny hoe mety sy tsy mety, no dikan’io teny io ao amin’ny Soratra Masina.—Ge 15:6; De 6:25; Oh 11:4; Ze 2:3; Mt 6:33.

  • Fahoriana lehibe:

    Midika hoe alahelo lehibe na fijaliana vokatry ny zava-tsarotra mitranga ny teny grika nadika hoe “fahoriana.” Nilaza i Jesosy fa hisy “fahoriana lehibe”  mbola tsy nisy hoatr’izany ao Jerosalema. Nilaza koa izy hoe hisy “fahoriana lehibe” hanjo ny olombelona rehefa ‘ho avy amim-boninahitra’ izy. (Mt 24:21, 29-31) Nanazava i Paoly hoe rariny raha avelan’Andriamanitra hitranga io fahoriana io, mba hamaliana “an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra” sy “izay tsy mankatò ny vaovao tsara” momba an’i Jesosy Kristy. Milaza ny Apokalypsy toko 19 fa i Jesosy no hitarika ny tafika any an-danitra, ka hiady amin’ilay “bibidia sy ireo mpanjakan’ny tany sy ny tafiny.” (2Te 1:6-8; Ap 19:11-21) Hisy “vahoaka be” ho tafavoaka velona amin’io fahoriana io. (Ap 7:9, 14)—Jereo ARAMAGEDONA.

  • Famantarana:

    Zavatra na fihetsika na fisehoan-javatra tsy mahazatra, izay misy heviny ary natao hampahafantarana zava-mitranga ankehitriny na amin’ny hoavy.—Ge 9:12, 13; 2Mp 20:9; Mt 24:3; Ap 1:1.

  • Famantarana masina hoe voatokana:

    Takelaka mamirapiratra vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony, ary misy soratra amin’ny teny hebreo natao sokitra hoe ‘An’i Jehovah ny fahamasinana.’ Natao teo anoloana tamin’ilay satroka lamban’ny mpisoronabe izy io. (Ek 39:30)—Jereo F.F. B5.

  • Famiazam-boaloboka:

    Matetika izy io no vatosokay nasiana lavaka lehibe roa. Natao ambony kokoa ny iray, dia nisy tatatra kely nampifandray azy roa. Noporetina tao amin’ilay lavaka ambony ny voaloboka, ary nikoriana tao amin’ilay lavaka ambany ny ranony. Ilazana ny didim-pitsaran’Andriamanitra koa ny hoe famiazam-boaloboka.—Is 5:2; Ap 19:15.

  • Faminaniana:

    Hafatra avy amin’Andriamanitra, fampahafantarana na fanambarana ny sitrapony. Mety ho fampianarana avy amin’Andriamanitra ny faminaniana, na fanambarana ny didiny na didim-pitsarany na zavatra ho avy.—Ezk 37:9, 10; Da 9:24; Mt 13:14; 2Pe 1:20, 21.

  • Famonoan-jiro:

    Fitaovana vita tamin’ny volamena na varahina, nampiasaina tao amin’ny tempoly. Mety ho hoatran’ny hety fanapahana lahin-jiro izy io.—2Mp 25:14.

  • Famorana:

    Fanalana ny tsitsy na hoditra manarona ny loham-pilahiana. Didy nomena an’i Abrahama sy ny taranany ilay hoe forana. Tsy takina amin’ny Kristianina kosa izany. Ampiasaina amin’ny heviny an’ohatra ny hoe famorana amin’ny andinin-teny sasany.—Ge 17:10; 1Ko 7:19; Fi 3:3.

  • Fampihavanana:

    Jereo FANDRAKOFAM-PAHOTANA.

  • Fanahy:

    Misy heviny maromaro ilay teny hebreo hoe roah sy ilay teny grika hoe pneoma, izay nadika matetika hoe “fanahy.” Ilazana foana zavatra tsy hita maso sady manana hery anefa izy io. Ireto avy no mety ho dikan’ireo teny hebreo sy grika ireo: 1) Rivotra, 2) hery mamelona ny zavaboary eto an-tany, 3) toe-tsaina na fihetseham-po mandrisika ny olona hiteny na hanao zavatra, 4) fanambarana avy amin’ny faritra tsy hita maso, 5) anjely na Andriamanitra, ary 6) hery ampiasain’Andriamanitra, izany hoe ny fanahy masina. Matetika àry no nadika arakaraka ny teny manodidina ireo teny hebreo sy grika ireo, ato amin’ity Baiboly ity.—Ek 35:21; Sl 104:29; Mt 12:43; Lk 11:13.

  • Fanahy masina:

    Hery mampahatanjaka sady tsy hita maso ampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany. Masina izy io satria avy amin’i Jehovah, ilay faran’izay madio sy marina. Masina koa izy io satria amin’ny alalany Andriamanitra no manatanteraka ny sitrapony masina.—Lk 1:35; As 1:8.

  • Fanatitra ahetsiketsika:

    Karazana fanatitra nataon’ny olona iray. Notazonin’ilay olona ilay fanatitra, ary nataon’ny mpisorona tao ambanin’ny tanan’ilay olona ny tanany, ka nahetsiketsiny nandroso sy nihemotra. Mety ho ilay mpisorona fotsiny koa no nanetsiketsika an’ilay fanatitra. Nanolotra an’ilay fanatitra ho an’i Jehovah izy rehefa nanao an’izany fihetsika izany.—Le 7:30.

  • Fanatitra dorana:

    Biby nodorana manontolo teo ambony alitara mba ho fanatitra ho an’Andriamanitra. Tsy naka anjara tamin’ilay biby (omby, ondrilahy, osilahy, domohina, na zana-boromailala) mihitsy ny olona nitondra an’ilay fanatitra.—Ek 29:18; Le 6:9.

  • Fanatitra fanefana voady:

    Fanatitra an-tsitrapo atao rehefa manao voady sasany.—Le 23:38; 1Sa 1:21.

  • Fanatitra fisaorana:

    Fanatitra iombonana mba hiderana an’Andriamanitra, noho ny soa nataony sy noho izy be fitiavana sy tsy mivadika. Ny henan’ilay biby natao fanatitra sy mofo misy lalivay ary mofo tsy misy lalivay no nohanina tamin’izay. Tsy maintsy nohanina tamin’iny andro iny ihany ilay hena.—2Ta 29:31.

  • Fanatitra noho ny heloka:

    Sorona natao noho ny fahotan’ny tsirairay. Anisan’ny fanatitra noho ny ota izy io, saingy misy maha samy  hafa kely azy. Nanao an’io fanatitra io ny olona nibebaka, mba hampisehoana fa ekeny hoe nanota tamin’Andriamanitra izy ary nanitsakitsaka ny zon’ny hafa araka ny voalazan’ny fifaneken’ny Lalàna. Nanao an’io fanatitra io koa izy mba ho azony indray ny zo nafoiny noho izy nanota, ary mba tsy ho voasazy izy.—Le 7:37; 19:22; Is 53:10.

  • Fanatitra noho ny ota:

    Fanatitra nataon’izay nanota tsy nahy, noho izy tsy lavorary. Afaka nanao sorona ombilahy na voromailala na biby hafa izy raha te hahazo famelan-keloka. Arakaraka ny toerana notanany sy izay takatry ny volany ny biby natolony.—Le 4:27, 29; He 10:8.

  • Fanatitra zava-pisotro:

    Divay nararaka teo ambony alitara sady natolotra niaraka tamin’ny ankamaroan’ny fanatitra hafa. Nilaza i Paoly fa hoatran’ny fanatitra zava-pisotro ny tenany, noho izy vonona hahafoy tena ho an’ny rahalahiny kristianina.—No 15:5, 7; Fi 2:17.

  • Fanatrehana:

    Ilazana ny fanatrehan’i Jesosy Kristy rehefa lasa mpanjaka izy, ao amin’ny andininy sasany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nanomboka izany rehefa voatendry ho Mesia Mpanjaka tany an-danitra izy, ary mitohy mandritra an’izao andro farany izao. Ilay fanatrehany akory tsy midika hoe tonga vetivety izy, dia lasa. Maharitra fotoana lavalava kosa izany.—Mt 24:3.

  • Fandrakofam-pahotana:

    Misy ifandraisany amin’ny sorona nataon’ny olona mba hahafahany manatona an’Andriamanitra sy manompo azy io teny io, ao amin’ny Soratra Hebreo. Nisy sorona natao tamin’ny mbola narahina ny Lalàn’i Mosesy, indrindra fa tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, mba ho azo atao ny hihavana amin’Andriamanitra, na dia nanota aza ny olona sy ny firenena manontolo. Nifanitsy tamin’ny soron’i Jesosy ireny sorona ireny. Noho ilay soron’i Jesosy dia voavela tanteraka ny fahotan’ny olombelona, ka afaka ny hihavana amin’i Jehovah indray izy ireo.—Le 5:10; 23:28; Kl 1:20; He 9:12.

  • Fanitsakitsaham-bady:

    Manitsakitsa-bady ny lehilahy na vehivavy minia manao firaisana amin’olon-kafa tsy vadiny.—Ek 20:14; Mt 5:27; 19:9.

  • Fanjakan’Andriamanitra:

    Fitondram-panjakana ampiasain’Andriamanitra mba hampisehoana fa izy no manana zo hitondra an’izao rehetra izao. Ny zanany, i Kristy Jesosy, no mpanjakan’izy io.—Mt 12:28; Lk 4:43; 1Ko 15:50.

  • Fanompoana masina:

    Asa masina misy ifandraisany mivantana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.—Ro 12:1; Ap 7:15.

  • Farao:

    Anaram-boninahitra nomena ny mpanjakan’i Ejipta. Misy anarana Farao dimy ao amin’ny Baiboly (Sisaka, So, Tiraka, Neko, ary Hofra). Tsy noresahina kosa ny anaran’ny Farao sasany, anisan’izany ireo nifandray tamin’i Abrahama sy Mosesy ary Josefa.—Ek 15:4; Ro 9:17.

  • Farihy afo:

    Toerana an’ohatra “mirehitra afo sy solifara”, antsoina koa hoe “fahafatesana faharoa.” Atsipy any ny mpanota tsy mibebaka sy ny Devoly, ary ny fahafatesana sy ny Fasana (na Haides). Tsy farihy ara-bakiteny àry izy io satria ny afo tsy misy vokany amin’ny anjely sy ny fahafatesana ary ny Fasana. Ilazana fandringanana mandrakizay kosa izy io, fa tsy fampijalijaliana mandrakizay.—Ap 19:20; 20:14, 15; 21:8.

  • Fariseo:

    Sekta lehibe iray anisan’ny Fivavahana Jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy taranaka mpisorona izy ireo, kanefa tena nanaraka tamin’ny antsipiriany ny Lalàna. Nataon’izy ireo hoatran’ny Lalàna mihitsy koa ny fomban-drazana. (Mt 23:23) Nanohitra ny fidiran’ny kolontsaina grika izy ireo. To teny teo amin’ny vahoaka koa izy ireo satria tena nahay Lalàna sy fomban-drazana. (Mt 23:2-6) Mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy ny sasany tamin’ny Fariseo. Matetika izy ireo no nanakiana an’i Jesosy momba ny fitandremana ny Sabata, ny fomban-drazana, ary ny fifaneraserana tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra. Lasa Kristianina ny sasany tamin’izy ireo, anisan’izany i Saoly avy any Tarsosy.—Mt 9:11; 12:14; Mr 7:5; Lk 6:2; As 26:5.

  • Fasana:

    Manondro ny fasan’ny olona tsirairay izy io, rehefa tsy sora-baventy ny fiandohany. Rehefa sora-baventy kosa ny fiandohany, dia ilazana ny toerana an’ohatra misy ny maty, ary mifanitsy amin’ny teny hebreo hoe “Sheôl” sy ny teny grika hoe “Haides.” Milaza ny Baiboly fa tsy afaka manao na inona na inona sady tsy mahalala na inona na inona ny olona lasa any.—Ge 47:30; Mpto 9:10; As 2:31.

  • Fasana atao ho fahatsiarovana:

    Toerana fandevenana ny maty. Avy amin’ilay teny grika hoe mnemeiôn, izay avy amin’ny matoanteny hoe “mahatsiaro”, izy io. Midika  izany fa mbola tsaroana ilay olona maty.—Jn 5:28, 29.

  • Fatana fandrendrehana; Lafaoro:

    Fandrendrehana na fanempoana metaly; fandoroana zavatra vita tamin’ny tanimanga na bakoly. Biriky na vato no nanamboarana lafaoro, fahiny. Nantsoina hoe lafaoro fandoroana biriky ny lafaoro nandoroana zavatra vita tamin’ny tanimanga sy bakoly ary sokay.—Ge 15:17; Oh 17:3; Da 3:17; Ap 9:2.

  • Fetin’ny Fijinjana; Fetin’ireo Herinandro:

    Jereo PENTEKOSTA.

  • Fetin’ny Fitokanana:

    Fahatsiarovana ny nanadiovana ny tempoly nolotoin’i Antiokosa Epifana. Nankalazaina isan-taona, nanomboka tamin’ny 25 Kisleo izy io, ary naharitra valo andro.—Jn 10:22.

  • Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay:

    Voalohany tamin’ireo fety lehibe telo nankalazain’ny Israelita isan-taona. Nanomboka tamin’ny 15 Nisana, ny ampitson’ny Paska, izy io ary naharitra fito andro. Mofo tsy misy lalivay ihany no azo nohanina tamin’izany, mba hahatsiarovana ny nanafahana azy ireo tany Ejipta.—Ek 23:15; Mr 14:1.

  • Fetin’ny Trano Rantsankazo:

    Nantsoina koa hoe Fetin’ny Tranolay na Fetin’ny Fanangonam-bokatra. Natao tamin’ny 15-21 Etanima izy io. Nanao fety ny Israelita satria voajinja ny vokatra tamin’ny faran’ny taom-pambolena. Nifalifaly sy nisaotra an’i Jehovah izy ireo noho izy nitahy ny fambolen’izy ireo. Nipetraka tao anaty trano rantsankazo izy ireo nandritra an’ilay fety, mba hahatsiarovana ny nanafahana azy ireo tany Ejipta. Iray amin’ireo fety telo tsy maintsy nankanesan’ny lehilahy tany Jerosalema izy io.—Le 23:34; Ezr 3:4.

  • Fiadiana:

    Akanjo nanaovan’ny miaramila mba hiarovana ny tenany, anisan’izany ny fiarovan-doha, ny akanjo mifono vy, ny fehikibo, ny fiarovan-dranjo, ary ny ampinga.—1Sa 31:9; Ef 6:13-17.

  • Fiangonana:

    Olona maromaro miara-mivory noho ny antony iray voafaritra tsara. Ilazana ny firenen’Israely io teny io ao amin’ny Soratra Hebreo. Manondro ny fiangonana kristianina tsirairay izy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Matetika koa anefa izy io no ilazana ny fiangonana kristianina amin’ny fitambarany.—1Mp 8:22; As 9:31; Ro 16:5.

  • Fianianana:

    Fanambaran’ny olona iray hoe marina ny zavatra lazainy, na fampanantenana hoe hanao zavatra iray na tsia. Matetika izy io no voady atao amin’ny olona manana toerana ambony, indrindra fa amin’Andriamanitra. Nanao fianianana i Jehovah mba hanamafisana ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama.—Ge 14:22; He 6:16, 17.

  • Fiantrana ny mahantra:

    Fanomezana nomena an’izay nila fanampiana. Tsy tena miresaka mivantana an’izany ny Soratra Hebreo. Voalazan’ny Lalàna anefa fa tsy maintsy nanampy ny mahantra ny Israelita.—Mt 6:2.

  • Fibebahana:

    Ny hoe “mibebaka” ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe miova hevitra sady manenina amin’ny fo manontolo noho ny fomba fiaina taloha na ny zavatra ratsy natao na ny zavatra tokony ho natao nefa tsy natao. Hita amin’ny zavatra ataony hoe miova ny olona tena mibebaka.—Mt 3:8; As 3:19; 2Pe 3:9.

  • Fifadian-kanina:

    Tsy fihinanan-kanina mandritra ny fotoana voafetra. Nifady hanina ny Israelita tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, tamin’ny fotoam-pahoriana, ary rehefa nila ny tari-dalan’Andriamanitra. Nifady hanina inefatra isan-taona ny Jiosy mba hahatsiarovana ny loza nanjo azy ireo. Tsy takina amin’ny Kristianina kosa ny fifadian-kanina.—Ezr 8:21; Is 58:6; Lk 18:12.

  • Fifanekena:

    Fifanarahana ataon’Andriamanitra sy ny olona na ataon’olona roa na maromaro, mba hanao zavatra iray na tsy hanao zavatra iray. Ny andaniny iray ihany indraindray no tokony hanatanteraka an’izay nifanarahana (matetika izany no fampanantenana). Indraindray koa anefa ny andaniny roa mihitsy no tokony hanatanteraka an’ilay izy. Ankoatra ny fifanekena nifanaovan’Andriamanitra sy ny olombelona, dia miresaka fifanekena ifanaovan’ny olona, na foko, na firenena koa ny Baiboly. Anisan’ny fifanekena misy vokany lehibe amin’ny olombelona ny fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, Davida, ary tamin’ny firenen’Israely (fifaneken’ny Lalàna) sy ny Israelin’Andriamanitra (fifanekena vaovao).—Ge 9:11; 15:18; 21:27; Ek 24:7; 2Ta 21:7.

  • Fijangajangana:

    Avy amin’ny teny grika hoe pôrneia, ary ilazana ny karazana firaisana rehetra tsy azo atao. Anisan’izany ny fanitsakitsaham-bady, ny fivarotan-tena, ny firaisan’ny olona tsy mpivady, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary ny firaisana amin’ny biby. Oharin’ny Apokalypsy amin’ny mpivaro-tena i “Babylona Lehibe” na ny fivavahan-diso, satria mijangajanga  amin’ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao izy, mba hahazoana fahefana sy harena. (Ap 14:8; 17:2; 18:3; Mt 5:32; As 15:29; Ga 5:19)—Jereo MPIVARO-TENA.

  • Filalaovana ody:

    Fampiasana hery avy amin’ny fanahy ratsy. (2Ta 33:6) Olona maro no mino fa rehefa maty ny olona, dia mbola velona ny fanahiny ary afaka miresaka amin’ny velona. Ny mpilalao ody, hono, no tena afaka manampy ny velona hifandray amin’ny fanahin’izy ireny. Ny hoe “milalao ody”, dia avy amin’ny teny grika hoe farmakia, izay midika ara-bakiteny hoe “mampiasa fanafody na zava-mahadomelina.” Nampiasa fanafody na zava-mahadomelina mantsy ny olona taloha rehefa nangataka hery avy tamin’ny demonia mba hilalaovana ody.—Ga 5:20; Ap 21:8.

  • Filistia; Filistinina:

    Tany amin’ny morontsiraka atsimon’i Israely no nisy an’i Filistia. Nantsoina hoe Filistinina ireo mpifindra monina avy tany Kreta nanorim-ponenana tany. Resin’i Davida izy ireo, saingy mbola nahaleo tena. Notoherin’izy ireo foana ny Israely. (Ek 13:17; 1Sa 17:4; Am 9:7)—Jereo F.F. B4.

  • Fisaonana:

    Fampisehoana ny alahelo noho ny fahafatesana na loza hafa. Fanaon’ny olona taloha ny nisaona nandritra ny fotoana elaela. Nigogogogo nitomany ilay olona nisaona sady nanao akanjo miavaka. Nanisy lavenona ny lohany koa izy, nandrovitra ny akanjony, ary nikapo-tratra. Nisy olona nokaramaina hitomany sy hanao hira fisaonana, indraindray, tamin’ny fandevenana.—Ge 23:2; De 34:8; Is 60:20.

  • Fitazonana lahin-jiro:

    Fitaovana volamena famonoana ny lelafo amin’ny jiro tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Mitovitovy amin’ny tandra angamba izy io.—Ek 37:23.

  • Fitondrana afo:

    Fitaovana vita tamin’ny volamena na volafotsy na varahina. Nampiasaina tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly izy io, mba handoroana emboka manitra sy hanalana ny vainafo teo amin’ny alitara ary hanesorana ny lahin-jiro efa may tavela eo amin’ny fitoeran-jiro volamena. Nantsoina hoe fitaovana fandoroana emboka manitra koa izy io.—Ek 37:23; 2Ta 26:19; He 9:4.

  • Fitondran-tena tsy misy henatra:

    Avy amin’ny teny grika hoe aselgeia. Fandikana an-kitsirano ny lalàn’Andriamanitra izy io, ary hita fa tena maniratsira sy sahisahy ratsy ilay mandika lalàna. Tsy hajainy sady ataony tsinontsinona mihitsy ny fahefana sy ny lalàna ary ny fitsipika momba izay tsara sy ratsy. Tsy hoe maivamaivana ilay zavatra ratsy ataon’ny olona manana fitondran-tena tsy misy henatra, fa tena fahotana lehibe.—Ga 5:19; 2Pe 2:7.

  • Fitsanganana amin’ny maty:

    Famelomana indray ny olona efa maty. Midika ara-bakiteny hoe “mitsangana; mijoro” ny teny grika hoe anastasis. Misy sivy ny fitsanganana amin’ny maty voaresaka ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny nananganan’i Jehovah Andriamanitra an’i Jesosy. I Elia, Elisa, Jesosy, Petera, ary Paoly no nanangana an’ireo valo hafa. Noho ny herin’Andriamanitra anefa no nahavitan’izy ireo an’izany fahagagana izany. Tena ilaina ny hananganana “ny marina sy ny tsy marina” eto an-tany, mba hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra. (As 24:15) Miresaka momba ny fitsanganana ho any an-danitra koa ny Baiboly. Antsoina hoe fitsanganana “aloha kokoa” na fitsanganana “voalohany” izany, ary ireo rahalahin’i Jesosy voahosotry ny fanahy no hatsangana ho any.—Fi 3:11; Ap 20:5, 6; Jn 5:28, 29; 11:25.

  • Fitsarana Avo Jiosy:

    Tany Jerosalema no nisy azy io, ary nisy mpikambana 71 izy io, tamin’ny andron’i Jesosy. Anisan’io Fitsarana Avo io ny mpisoronabe sy ireo efa mpisoronabe teo aloha, ary ny fianakavian’ny mpisoronabe. Nisy anti-panahy, lehibem-poko, loham-pianakaviana, ary mpanora-dalàna koa anisan’izy io.—Mr 15:1; As 5:34; 23:1, 6.

  • Fivadiham-pinoana:

    Avy amin’ny matoanteny midika hoe “miala amin’ny” ny teny grika (apôstasia) nadika hoe “mivadi-pinoana.” Ny hoe “fivadiham-pinoana” kosa, dia midika hoe “fandaozana, fialana, na fikomiana.” Ireo miala amin’ny fivavahana marina matetika no resahina hoe ‘mivadi-pinoana’, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.—Oh 11:9; As 21:21, f.a.p.; 2Te 2:3.

G

  • Gadra hazo:

    Fitaovana nangejana olona mba hanasaziana azy. Nisy karazany ny gadra hazo: Nisy nangeja ny tongotra fotsiny. Ny hafa indray nangeja ny tongotra sy ny tanana ary ny vozona, ka lasa nivonkina foana ny vatana manontolo.—Je 20:2; As 16:24.

  • Gehena:

    Teny grika nandikana an’ilay hoe “Lohasahan’i Hinoma.” Tany atsimo sy atsimoandrefan’i Jerosalema fahiny no nisy azy io. (Je 7:31) Voalazan’ny faminaniana fa hisy faty hiampatrampatra any. (Je 7:32; 19:6) Tsy misy porofo manamarina hoe nisy biby na olona natsipy tany mba hodorana  velona na mba hampijalijalina. Tsy toerana any ankoatra misy afo hampijalijaliana mandrakizay ny fanahin’ny olona àry izy io. Nampiasa an’ilay hoe Gehena kosa i Jesosy sy ny mpianany mba hilazana sazy mandrakizay na “fahafatesana faharoa”, izany hoe fandringanana mandrakizay.—Ap 20:14; Mt 5:22; 10:28.

  • Gera:

    Lanja mitovy amin’ny 0,57 g na 1/20 sekely. (Le 27:25)—Jereo F.F. B14.

  • Gileada:

    Ilay faritra mahavokatra any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana hatrany avaratra sy atsimon’ny Lohasahan’i Jaboka. Indraindray koa anefa izy io nilazana ny tanin’ny Israelita tany atsinanan’i Jordana, izay nipetrahan’ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. (No 32:1; Js 12:2; 2Mp 10:33)—Jereo F.F. B4.

  • Gitita:

    Teny fampiasa tamin’ny mozika. Tsy tena fantatra ny dikany, fa toa avy amin’ny teny hebreo hoe gat izy io. Misy milaza fa angamba izy io feon’ny hira fanaon’ny olona teo am-piotazana voaloboka sy teo am-panamboarana divay. Midika hoe famiazam-boaloboka mantsy ny hoe gat.—Sl 81:0.

  • Governoram-paritra:

    Lehiben’ny faritany nofehezin’ny Antenimieran-doholona Romanina. Afaka namoaka didim-pitsarana izy, ary lehiben’ny miaramila. Marina fa afaka nanao ampamoaka azy ny Antenimieran-doholona. Nanana fahefana fara tampony anefa izy tao amin’ny faritany nofeheziny.—As 13:7; 18:12.

  • Grika:

    Fitenin’ny olona any Gresy, na koa olona teraka tany Gresy na hoe avy any ny razambeny. Misy dikany hafa koa izy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ohatra hoe ilazana an’izay rehetra tsy Jiosy na izay lasa niteny grika sy nanaraka ny kolontsaina grika.—Jl 3:6; Jn 12:20.

H

  • Habokana; Boka:

    Aretin-koditra ratsy be. Tsy ilay habokana fantatsika amin’izao ihany anefa no resahin’ny Soratra Masina. Tsy ny olona ihany mantsy no mety ho voan’izy io, fa ny akanjo sy ny trano koa. Boka no iantsoana ny olona voan’ny habokana.—Le 14:54; Lk 5:12.

  • Haides:

    Teny grika mitovy amin’ilay teny hebreo hoe “Sheôl.” Nadika hoe “Fasana” izy io, ary natao sora-baventy ny fiandohan’ilay hoe “Fasana” mba hilazana ny toerana an’ohatra misy ny maty.—Jereo FASANA.

  • Hakiho:

    Refy miainga eo amin’ny kiho hatreo amin’ny tendron’ny fanondroadala eo ho eo. Nirefy 44,5 sm teo ho eo ny iray hakiho fampiasan’ny Israelita. Nampiasa hakiho lava nirefy 51,8 sm teo ho eo koa anefa izy ireo, izay nihoatra sakan’ny felatanana iray tamin’ny hakiho mahazatra. (Ge 6:15; Lk 12:25, f.a.p.)—Jereo F.F. B14.

  • Haran-dranomasina:

    Zavatra mafy be mitovy amin’ny vato, avy amin’ny karan’ny biby tena kely miaina any an-dranomasina. Misy lokony samihafa izy io, toy ny hoe mena sy fotsy ary mainty. Tany amin’ny Ranomasina Mena no tena betsaka azy io. Sarobidy be ny haran-dranomasina mena taloha, ka nanaovana vakana sy firavaka hafa.—Oh 8:11.

  • Hatsaram-panahy miavaka:

    Avy amin’ny teny grika midika hoe ankasitrahana sy mahafinaritra. Matetika izy io no ilazana fanomezana izay nomena satria tsara fanahy ilay manome, na ilazana ny fomba feno hatsaram-panahy nanomezana zavatra. Fanomezana maimaim-poana sy be dia be avy amin’Andriamanitra no tiana holazaina rehefa Andriamanitra no maneho an’io hatsaram-panahy miavaka io, ary tsy mila tambiny izy amin’izany. Izy io àry no fomba anehoan’Andriamanitra hoe tena malala-tanana sy be fitiavana ary tsara fanahy be amin’ny olombelona izy. Adika koa hoe “fankasitrahana” na “fanomezana nomena tamin-katsaram-panahy” ilay teny grika nadika hoe hatsaram-panahy miavaka. Tena malala-tanana ilay manome, ka maneho hatsaram-panahy miavaka, na dia tsy niezaka sy tsy mendrika an’izany aza ilay omena.—2Ko 6:1; Ef 1:7.

  • Havoana:

    “Milo” amin’ny teny hebreo, ary avy amin’ny fototeny midika hoe “manototra.” “Toerana voaro mafy” no andikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo azy io. Tao amin’ny Tanànan’i Davida no nisy azy. Mety ho voajanahary izy io na namboarin’olona, saingy tsy tena fantatra hoe hoatran’ny ahoana marina.—2Sa 5:9; 1Mp 11:27.

  • Hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy:

    Hazo tao amin’ny zaridainan’i Edena. Nampiasa azy io Andriamanitra mba hampisehoana hoe izy no manana ny zo hamaritra an’izay “tsara” sy “ratsy” ho an’ny olombelona.—Ge 2:9, 17.

  •  Hazo fanindronana:

    Hazo lavalava misy vy marani-doha, nampiasain’ny tantsaha mba handroahana biby. Ampitahaina amin’ny hazo fanindronana ny tenin’ny hendry, satria mandrisika an’izay mihaino azy hanaraka torohevitra mahasoa. Ny hoe ‘mitsipaka ny hazo fanindronana’, dia mitovy amin’ny ataon’ny omby mafy loha tsy mety roahina fa manohitra an’ilay hazo anindronana azy ka maratra.—As 26:14; Mpts 3:31.

  • Hazo fijaliana:

    Avy amin’ny teny grika hoe staorôs, izay midika hoe tsato-kazo mahitsy, hoatran’ilay namantsihana an’i Jesosy. Tsy misy porofo mampiseho hoe lakroa no dikan’io teny grika io, izany hoe lakroa hoatran’ny nampiasain’ny mpanompo sampy nandritra ny taonjato maro talohan’i Kristy. Mahadika tsara an’ilay teny tany am-boalohany ilay hoe “hazo fijaliana.” Tafiditra amin’ny hevitr’ilay teny hoe staorôs koa mantsy ny fijaliana sy fahoriana ary fahafaham-baraka hahazo ny mpianatr’i Jesosy. (Mt 16:24; He 12:2)—Jereo TSATO-KAZO.

  • Hazon’aina:

    Hazo tao amin’ny zaridainan’i Edena. Tsy milaza ny Baiboly hoe nanome fiainana ny voan’io hazo io. Antoka kosa izy io hoe nomen’Andriamanitra fiainana mandrakizay izay navelany hihinana tamin’ny voan’ilay izy.—Ge 2:9; 3:22.

  • Hebreo:

    Anarana niantsoana an’i Abrama (Abrahama) tamin’ny voalohany, mba hanavahana azy tamin’ny Amorita mpiara-monina taminy. Nantsoina hoe “Hebreo” koa tatỳ aoriana ny taranak’i Abrahama avy amin’i Jakoba zafikeliny, sy ny fiteny nampiasain’izy ireo. Be dia be ny teny aramianina lasa anisan’ny fiteny hebreo tamin’ny andron’i Jesosy, ary izany no fiteny nampiasain’i Kristy sy ny mpianany.—Ge 14:13; Ek 5:3; As 26:14.

  • Hermesy:

    Andriamanitra grika, zanakalahin’i Zeosy. Noheverin’ny olona tany Lystra hoe i Hermesy i Paoly. I Hermesy mantsy, hono, no mpitondra hafatr’ireo andriamanitra sady andriamanitry ny fahaizana mandaha-teny.—As 14:12.

  • Heroda:

    Anaram-pianakaviana niantsoana an’ireo mpitondra notendren’i Roma mba hifehy ny Jiosy. I Heroda Lehibe no nanorina indray ny tempolin’i Jerosalema. Izy koa no namoaka didy ny hamonoana ankizikely, satria tiany hovonoina i Jesosy zazakely. Ireo no nampahalaza an’io Heroda io. (Mt 2:16; Lk 1:5) Zanak’i Heroda Lehibe i Heroda Arkelaosy sy Heroda Antipasy, ary voatendry hitondra ny faritra sasany tamin’ny fanjakan’ny rainy izy ireo. (Mt 2:22) Nantsoina hoe “mpanjaka” i Antipasy, ary izy no nitondra nandritra an’ireo telo taona sy tapany nanompoan’i Kristy tetỳ an-tany, ka hatramin’ny fotoana voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko 12. (Mr 6:14-17; Lk 3:1, 19, 20; 13:31, 32; 23:6-15; As 4:27; 13:1) Taorian’izay, dia novonoin’ny anjelin’Andriamanitra i Heroda Agripa I, zafikelin’i Heroda Lehibe, rehefa avy nitondra kelikely. (As 12:1-6, 18-23) Ny zanany, i Heroda Agripa II, no nandimby azy, ary izy no nitondra mandra-pahatongan’ny fotoana nikomian’ny Jiosy tamin’i Roma.—As 23:35; 25:13, 22-27; 26:1, 2, 19-32.

  • Heroda, Mpanohana An’i:

    Antsoina koa hoe Herodianina. Antokon’olona tia tanindrazana izy ireo, ary nanohana ny politikan’ireo Heroda nitondra nandritra ny fitondrana romanina. Nisy Sadoseo angamba mpikambana tao amin’io antoko io. Lasa niaraka tamin’ny Fariseo ny Herodianina mba hanohitra an’i Jesosy.—Mr 3:6.

  • Hetra:

    Zavatra aloan’ny fanjakana iray na mpitondra iray amin’ny fanjakana na mpitondra hafa mba hampisehoany hoe manaiky ny fahefany izy, na mba hitandroana fihavanana na hahazoana fiarovana. (2Mp 3:4; 18:14-16; 2Ta 17:11) Ilazana ny hetra aloan’ny olona tsirairay koa izy io.—Ne 5:4; Ro 13:7.

  • Higaiona:

    Teny nilazana toromarika momba ny mozika. Mety hidika hoe feona harpa migoboka tendrena vetivety, na fiatoana alohan’ny fisaintsainana, ny hoe Higaiona, raha jerena ny fampiasana azy io ao amin’ny Salamo 9:16.

  • Hina:

    Fatrana ranon-javatra na famarana. Mitovy amin’ny 3,67 litatra izy io. Nilaza i Josèphe mpahay tantara fa mitovy amin’ny roa kôesy atenianina (refy nampiasaina tany Gresy fahiny) ny iray hina. (Ek 29:40)—Jereo F.F. B14.

  • Hira Fiakarana:

    Teny mampiditra ny Salamo 120–134. Samy manana ny heviny momba ny dikan’io teny io ny olona. Be dia be anefa no mino fa nanao an’ireo hira 15 ireo ny Israelita falifaly rehefa ‘niakatra’ ho any Jerosalema, izay teny amin’ny tendrombohitr’i Joda, mba hanatrika an’ireo fety telo lehibe fanao isan-taona.

  •  Hira fisaonana:

    Feon-kira na hira fanehoana alahelo mafy, ohatra hoe rehefa misy namana na havana akaiky maty.—2Sa 1:17; Sl 7:0, f.a.p.

  • Homera:

    Fatran-javatra maina mitovy amin’ny kora. Mifanitsy amin’ny 220 litatra izy io, rehefa kajina avy amin’ny fatrana bata. (Le 27:16)—Jereo F.F. B14.

  • Horeba; Tendrombohitra Horeba:

    Faritra be tendrombohitra manodidina ny Tendrombohitra Sinay. Anarana hafa iantsoana ny Tendrombohitra Sinay. (Ek 3:1; De 5:2)—Jereo F.F. B3.

  • Horonam-boky:

    Hodi-biby malefaka na taratasy papyrus lavalava, nahorona tamin’ny hazokely iray matetika, ary lafiny iray ihany no nisy soratra. Nosoratana na natao dika soratra tao amin’ny horonam-boky ny Soratra Masina. Horonam-boky mantsy no fampiasa tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly.—Je 36:4, 18, 23; Lk 4:17-20; 2Ti 4:13.

  • Horonam-boky hoditra:

    Hoditra ondry, na osy, na zanak’omby, nokarakaraina mba ho azo anoratana. Mateza noho ny taratasy papyrus izy io ary nanamboarana horonam-boky misy ny Baiboly. Mety ho ampahany tamin’ny Soratra Hebreo ireo horonam-boky hoditra nasain’i Paoly nentin’i Timoty. Nosoratana tamin’ny horonam-boky hoditra ny sasany tamin’ireo soratra tao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty.—2Ti 4:13.

  • Hysopa:

    Zavamaniry misy tahony sy raviny madinika, nampiasaina hamafazana ra na rano nandritra ny fombafomba fidiovana. Mety ho marizôlenina (Origanum maru; Origanum syriacum) izy io. Angamba marizôlenina nafatotra tamin’ny rantsankazo, na karazana ampemby (Sorghum vulgare), ilay “hysopa” resahina ao amin’ny Jaona 19:29. Lava mantsy ny tahon’ny ampemby ka azo nasiana spaonjy misy divay marikivy, izay natohoka tamin’ny vavan’i Jesosy.—Ek 12:22; Sl 51:7.

I

  • Ilay ratsy:

    Ilazana an’i Satana Devoly, izay manohitra an’Andriamanitra sy izay lazainy hoe mety na tsy mety.—Mt 6:13; 1Jn 5:19.

  • Ilyrikiona:

    Faritany romanina tany avaratrandrefana amin’i Gresy. Tonga hatrany Ilyrikiona i Paoly tamin’izy nanao ny fanompoany, fa tsy hay raha nitory tany izy na tsia. (Ro 15:19)—Jereo F.F. B13.

  • Ionòka:

    Jereo TANDAPA.

  • Irain-jehy:

    Refy miainga eo amin’ny tendron’ny ankibe mankeo amin’ny tendron’ny ankikely, rehefa velarina ny felatanana. Raha 44,5 sm ny hakiho, dia tokony ho 22,2 sm ny irain-jehy. (Ek 28:16; 1Sa 17:4)—Jereo F.F. B14.

  • Israely:

    Anarana nomen’Andriamanitra an’i Jakoba. Lasa niantsoana ny taranany rehetra io anarana io, tatỳ aoriana. Matetika ny taranak’izy 12 lahy zanak’i Jakoba no natao hoe zanak’Israely, taranak’Israely, vahoakan’Israely, lehilahy israelita, na Israelita. Israely koa no niantsoana ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, izay nisaraka tamin’ny fanjakana tany atsimo. Natao hoe “Israelin’Andriamanitra” tatỳ aoriana ny Kristianina voahosotra.—Ga 6:16; Ge 32:28; 2Sa 7:23; Ro 9:6.

  • Izao tontolo izao:

    Ny teny grika hoe kôsmôs indraindray no nadika hoe “izao tontolo izao.” Ireto avy no mety ho dikany: 1) Ny olombelona rehetra, 2) ny rafitra eo amin’ny fiaraha-monina, na 3) ny olona tsy manompo an’Andriamanitra. (Jn 3:16; 17:5; 1Jn 2:15-17) “Izao tontolo izao” koa no nandikana ny teny grika hoe aiôn, izay midika hoe “vanim-potoana.” Mety hidika koa izy io hoe “rafitra mampiavaka ny vanim-potoana iray.”—Mt 24:3; Mr 4:19; Ro 12:2; 1Ko 10:11.

J

  • Jakoba:

    Zanakalahin’i Isaka sy Rebeka. Nantsoin’Andriamanitra hoe Israely izy tatỳ aoriana, ary lasa razamben’ny vahoakan’Israely (nantsoina koa hoe Israelita ary tatỳ aoriana hoe Jiosy). Nanan-janaka lahy 12 izy, ary ny taranak’izy ireo no lasa firenen’Israely, izay misy foko 12. Mbola nantsoina hoe Jakoba ny firenena na ny vahoakan’Israely.—Ge 32:28; Mt 22:32.

  • Jedotona:

    Teny hita eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo 39 sy 62 ary 77, saingy tsy tena fantatra ny dikany. Mety ho toromarika momba ny fomba hanaovana an’ilay hira ny teny mampiditra an’ireo salamo ireo, na momba ny zavamaneno tokony hampiasaina. Nisy Levita mpitendry zavamaneno natao hoe Jedotona. Misy ifandraisany aminy sy ny zanany lahy angamba ny fomba nihirana an’ireo salamo ireo na ny zavamaneno nampiasaina tamin’izany.

  • Jehovah:

    Teny malagasy mahazatra andikana ny Litera Hebreo Efatra anoratana ny anaran’Andriamanitra. Miseho im-7000 mahery izy io ato amin’ity Baiboly ity.—Jereo F.F. A4 sy A5.

  •  Jiosy:

    Anarana niantsoana ny olona avy amin’ny fokon’i Joda, rehefa rava ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely. (2Mp 16:6) Lasa nantsoina hoe “Jiosy” ny Israelita rehetra nody tany Israely taorian’ny sesitany tany Babylona, na inona na inona foko niaviany. (Ezr 4:12) Nanavahana ny Israelita tamin’ny hafa firenena izy io, tatỳ aoriana. (Es 3:6) Nampiasa an’io teny io koa ny apostoly Paoly rehefa nanazava fa tsy zava-dehibe ny resaka fiaviana eo anivon’ny fiangonana kristianina.—Ro 2:28, 29; Ga 3:28.

  • Jobily:

    Ny taona faha-50, izay nisaina nanomboka tamin’ny nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Isaky ny 50 taona ny Jobily. Tsy novolena ny tany nandritra ny taon-jobily, ary nafahana ny mpanompo hebreo. Naverina tamin’ny tompony koa ny tany lovany izay namidiny. Azo lazaina hoe fety foana nandritra ny taon-jobily, satria taom-panafahana. Niverina hoatran’ny tamin’ilay izy vao noforonin’Andriamanitra indray mantsy ilay firenena.—Le 25:10.

  • Joda:

    Zanakalahy fahefatra naterak’i Jakoba tamin’i Lea vadiny. Naminany i Jakoba tamin’izy efa ho faty fa hisy mpanjaka miavaka avy amin’ny taranak’i Joda, ary hanjaka mandrakizay izy io. Taranak’i Joda i Jesosy, tamin’izy olombelona. Samy natao hoe Joda na ilay foko na ilay fanjakana niforona tatỳ aoriana. Anisan’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Benjamina, ary ny mpisorona sy ny Levita. Tany amin’ny faritra atsimon’ilay firenena no nisy ny fanjakan’ny Joda, ary tafiditra tao anatin’izany i Jerosalema sy ny tempoly.—Ge 29:35; 49:10; 1Mp 4:20; He 7:14.

K

  • Kaba:

    Fatran-javatra maina mifanitsy amin’ny 1,22 litatra, nokajina avy amin’ny fatrana bata. (2Mp 6:25)—Jereo F.F. B14.

  • Kaisara:

    Anaram-pianakaviana romanina lasa anaram-boninahitry ny mpanjaka romanina. Voatonona ao amin’ny Baiboly ny anaran’ny Kaisara sasany, toa an’i Aogosto sy Tiberio ary Klaodio. Anisany koa i Néron, na dia tsy voalaza ao aza. Ilazana ny manam-pahefana na ny fitondrana koa ny hoe “Kaisara” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.—Mr 12:17; As 25:12.

  • Kaldea; Kaldeanina:

    Kaldea no nilazana ny faritra teo anelanelan’ny vinanin’ny Reniranon’i Tigra sy ny an’ny Reniranon’i Eofrata, tamin’ny voalohany, ary Kaldeanina no niantsoana ny mponina tany. Lasa niantsoana an’i Babylonia manontolo sy ny mponina tany ireo teny ireo, tatỳ aoriana. Nantsoina hoe “Kaldeanina” koa ny olona avara-pianarana, izay nianatra momba ny siansa, tantara, fiteny, ary ny kintana sady nanao sikidy sy nanandro.—Ezr 5:12; Da 4:7; As 7:4.

  • Kalesy:

    Fiara misy kodiarana roa, taritina soavaly. Rehefa nisy ady izy io no tena nampiasaina.—Ek 14:23; Mpts 4:13; As 8:28.

  • Kanana:

    Zafikelin’i Noa sady fahefatra tamin’ny zanakalahin’i Hama. Nipetraka tany amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane, teo anelanelan’i Ejipta sy Syria, ireo foko 11 taranak’i Kanana. Nantsoina hoe “tany Kanana” ilay faritra. (Le 18:3; Ge 9:18; As 13:19)—Jereo F.F. B4.

  • Karavasina:

    Kapohina na velezina amin’ny karavasy misy vona na zava-maranitra, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.—Jn 19:1.

  • Kasia:

    Zavatra azo avy amin’ny hodi-kazo kasia (Cinnamomum cassia), izay anisan’ny fianakaviamben’ny hazo kanelina. Nanamboarana zava-manitra sy menaka masina fanosorana ny kasia.—Ek 30:24; Sl 45:8; Ezk 27:19.

  • Kemosy:

    Andriamanitra lehibe indrindra nivavahan’ny Moabita.—1Mp 11:33.

  • Kerobima:

    Anjely manana toerana ambony sy andraikitra manokana. Tsy mitovy amin’ny serafima izy ireo.—Ge 3:24; Ek 25:20; Is 37:16; He 9:5.

  • Kintana fitarikandro:

    Io ihany ilay hoe “kintan’ny maraina.” Io no kintana mipoitra farany eny amin’ny faravodilanitra atsinanana alohan’ny iposahan’ny masoandro. Rehefa mipoitra izy io, dia midika fa hanomboka ny andro vaovao.—Ap 22:16; 2Pe 1:19.

  • Kintan’ny maraina:

    Jereo KINTANA FITARIKANDRO.

  • Kisleo:

    Volana fahasivy tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tany Babylona, fa volana fahatelo kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Novambra izy io ka hatramin’ny tapaky ny Desambra. (Ne 1:1; Za 7:1)—Jereo F.F. B15.

  • Kofehy atao fahany:

    Ireo kofehy mitsivalana manaraka ny sakan’ny fitaovana fanenomana. Natao mifampidipiditra tamin’ny kofehy natao tenany, izany hoe tamin’ireo kofehy mitsangana manaraka ny lavan’ilay  fitaovana fanenomana, ireo kofehy ireo.—Le 13:59.

  • Kofehy atao tenany:

    Ireo kofehy mitsangana manaraka ny lavan’ny fitaovana fanenomana. Fahany kosa no iantsoana an’ireo kofehy mitsivalana mifanapaka amin’ny kofehy atao tenany, izay atao mifampidipiditra aminy.—Mpts 16:13.

  • Kora:

    Fatran-javatra maina sy fatrana ranon-javatra. Mifanitsy amin’ny 220 litatra izy io, rehefa kajina avy amin’ny fatrana bata. (1Mp 5:11)—Jereo F.F. B14.

  • Kristianina:

    Anarana nomen’Andriamanitra an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy.—As 11:26; 26:28.

  • Kristy:

    Anaram-boninahitr’i Jesosy avy amin’ny teny grika hoe Kristôs, izay mifanitsy amin’ny teny hebreo midika hoe “Mesia” na “Voahosotra.”—Mt 1:16; Jn 1:41.

L

  • Lahimatoa:

    Ny lahy zokiny indrindra amin’ny zanaky ny lehilahy iray (fa tsy ny lahy zokiny indrindra amin’ny zanaky ny vehivavy iray). Tena nohajaina ny lahimatoa teo amin’ny fianakaviana fahiny, ary izy no lasa lohan’ilay fianakaviana rehefa maty ny dadany. Natao hoe “voalohan-teraka” kosa ny lahy teraka voalohany amin’ny biby.—Ek 11:5; 13:12; Ge 25:33; Kl 1:15.

  • Lala-mitafon’i Solomona:

    Lalana misy tafo teo atsinanan’ny tokotany ivelany, tao amin’ny faritry ny tempoly, tamin’ny andron’i Jesosy. Noheverina fa sisa tamin’ilay tempolin’i Solomona izy io. Nandeha teo amin’io lalana io i Jesosy tamin’ny “ririnina”, ary niara-nivory teo mba hivavaka ny Kristianina voalohany. (Jn 10:22, 23; As 5:12)—Jereo F.F. B11.

  • Lalana:

    Teny an’ohatra ampiasaina ao amin’ny Soratra Masina, mba hilazana zavatra efa fanao na fitondran-tena ankasitrahan’i Jehovah na tsia. Voalaza fa nanaraka “Ny Lalana” ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Hita teo amin’ny fomba fiainany mantsy fa nino an’i Jesosy Kristy izy ireo, sady nanahaka ny modely nomeny.—As 19:9.

  • Lalàna:

    Ny Lalàn’i Mosesy na ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, raha sora-baventy ny fiandohany. Mety ho ny lalàna tsirairay ao amin’ny Lalàn’i Mosesy kosa na toro lalana no tiana horesahina, rehefa tsy sora-baventy ny fiandohany.—Le 6:9; De 4:8; Mt 7:12; Ga 3:24.

  • Lalan-driaka:

    Lohasaha andalovan’ny riaka. Maina izy io matetika, raha tsy rehefa fotoanan’ny orana. Mety ho azo ilazana an’ilay riaka koa io teny io. Loharano no nivarina tany amin’ny lalan-driaka sasany, ka lasa nisy rano mandavantaona izy ireny. Natao hoe “lohasaha” ny lalan-driaka ao amin’ny andinin-teny sasany.—Ge 26:19; No 34:5; De 8:7; 1Mp 18:5; Jb 6:15.

  • Lalàn’i Mosesy:

    Ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Israely tamin’ny alalan’i Mosesy, tany an-tany efitr’i Sinay, tamin’ny 1513 T.K. Antsoina hoe Lalàna matetika ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly.—Js 23:6; Lk 24:44.

  • Lalivay:

    Zavatra nafangaro tamin’ny koba na ranon-javatra mahatonga an’ilay koba hibontsina sy hitombo. Matetika izy io no ambina koba efa niotrika na renikoba. Ampiasain’ny Baiboly io teny io matetika mba hilazana ny ota sy ny faharatsiana, na mba hilazana hoe mitombo be sy miely ny zavatra iray nefa tsy hita maso.—Ek 12:20; Mt 13:33; Ga 5:9.

  • Lamba gony:

    Lamba marokoroko fanaovana kitapo na harona fasiana voamadinika, ohatra. Volon’osy mainty notenomina ilay izy matetika, ary fanaovana akanjo fisaonana.—Ge 37:34; Lk 10:13.

  • Lavaka mangitsokitsoka:

    Avy amin’ny teny grika hoe abyssôs, izay midika hoe “faran’izay lalina” na hoe “tsy voarefy, tsy misy fetra.” Ilazana toerana an’ohatra izy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary tsy afaka manao na inona na inona intsony izay lasa any, fa toy ny hoe migadra. Ilazana ny fasana koa izy io, nefa tsy izay ihany.—Lk 8:31; Ro 10:7; Ap 20:3.

  • Lehibem-paritany:

    Governora notendrena hifehy faritany iray, tao amin’ny Fanjakan’i Babylona sy Persa. Notendren’ny mpanjaka ho mpitondra izy.—Ezr 8:36; Da 6:1.

  • Lehiben’ny mpisorona:

    Antsoina koa hoe “mpisoronabe” ao amin’ny Soratra Hebreo. Ny lohandohan’ny mpisorona kosa no nantsoina hoe “lehiben’ny mpisorona” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mety ho anisan’izy ireny ireo efa nesorina tsy ho mpisoronabe sy ireo lehiben’ny antoko-mpisorona 24.—2Ta 26:20; Ezr 7:5; Mt 2:4; Mr 8:31.

  • Leptona:

    Vola madinika jiosy vita tamin’ny varahina na halimo, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Io no vola kely indrindra tamin’ izany. (Mr 12:42, f.a.p.; Lk 21:2, f.a.p.)—Jereo F.F. B14.

  • Leviatana:

    Matetika no ilazana biby any anaty rano. Mety ho voay na biby hafa any anaty rano, izay ngezabe sady matanjaka be, ilay resahina ao amin’ny Joba 3:8 sy 41:1. Mety ho karazana trozona kosa ilay resahina ao amin’ny Salamo 104:26. Misy heviny an’ohatra izy io any amin’ny andininy hafa, ary tsy fantatra hoe biby inona.—Sl 74:14; Is 27:1.

  • Levy; Levita:

    Zanakalahy fahatelo naterak’i Jakoba tamin’i Lea vadiny i Levy. Avy amin’ny anaran’i Levy no nakana ny anarana niantsoana ny foko avy aminy. Ny zanany telo lahy no niavian’ny fizarana telo lehibe teo amin’ny Levita. Ilay foko manontolo indraindray no nantsoina hoe “Levita”, fa tsy tao anatin’izany matetika ny mpisorona taranak’i Arona. Tsy nahazo anjara lova tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny fokon’i Levy, fa tanàna 48 tao amin’ny anjara tanin’ny foko hafa no nomena azy ireo.—De 10:8; 1Ta 6:1; He 7:11.

  • Loga:

    Ny kely indrindra amin’ny fatrana ranon-javatra resahin’ny Baiboly. Milaza ny Talmoda jiosy fa 1/12 hina ny iray loga. Mety ho 0,31 litatra àry ny iray loga, raha kajina avy amin’izany. (Le 14:10)—Jereo F.F. B14.

  • Loha andry:

    Tendron’ny andry natao handravahana azy. Nisy loha andry ngezabe teo an-tampon’ireo andry roa nantsoina hoe Jakina sy Boaza, teo anoloan’ny tempolin’i Solomona. (1Mp 7:16)—Jereo F.F. B8.

  • Loloha:

    Jereo MITONDRA LOLOHA.

  • Loza:

    Mampiasa azy io matetika ny Soratra Hebreo mba hilazana aretina na zava-doza nalefanʼi Jehovah hanasaziana olona.—No 16:49.

M

  • Madio:

    Tsy ilazana ny vatana madio fotsiny io teny io ao amin’ny Baiboly, fa ilazana koa hoe madio fitondran-tena sy madio eo amin’ny lafiny ara-panahy. Midika izany hoe miezaka foana ny tsy hisy tsininy sy tsy hisy pentina ary tsy hisy loto, na miezaka hiverina ho hoatr’izany indray. Ilazana an’izay madio araka ny Lalàna io teny io, tamin’ny mbola narahina ny Lalàn’i Mosesy.—Le 10:10; Sl 51:7; Mt 8:2; 1Ko 6:11.

  • Mahafoy tena ho an’Andriamanitra:

    Manaja lalina sy manompo an’i Jehovah Andriamanitra, ary tsy mivadika aminy satria manaiky hoe manana zo hitondra an’izao rehetra izao izy.—1Ti 4:8; 2Ti 3:12.

  • Mahalata:

    Teny fampiasa tamin’ny mozika, eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo 53 sy 88. Mety hisy ifandraisany amin’ilay fototeny hebreo midika hoe “mihaosa; marary” izy io. Mety ho feon-kira mampalahelo be àry ny feon’ireo hira roa ireo, ary mifanaraka tsara amin’ny tonony izany.

  • Makedonia:

    Faritra iray any avaratr’i Gresy, izay lasa nandroso be rehefa nitondra i Aleksandra Lehibe. Nahaleo tena foana izy io mandra-pandresin’ny Romanina azy. Faritany romanina i Makedonia, tamin’ny apostoly Paoly nitsidika voalohany an’i Eoropa. Intelo tany i Paoly. (As 16:9)—Jereo F.F. B13.

  • Malkama:

    Mety ho Moleka, ilay andriamanitra lehibe indrindran’ny Amonita. (Ze 1:5)—Jereo MOLEKA.

  • Maloto:

    Mety hoe misy loto ny vatana, na hoe mandika fitsipi-pitondran-tena. Ilazana an’izay zavatra lazain’ny Lalàn’i Mosesy hoe tsy azo ekena, na tsy madio, anefa io teny io matetika ao amin’ny Baiboly. (Le 5:2; 13:45; Mt 10:1; As 10:14; Ef 5:5)—Jereo MADIO.

  • Mametra-tanana:

    Nametrahan-tanana ny olona iray rehefa notendrena hanao asa manokana, na tiana homena tso-drano na hositranina na hahazo fanahy masina. Nametrahan-tanana koa ny biby indraindray, talohan’ny nanaovana sorona azy.—Ek 29:15; No 27:18; As 19:6; 1Ti 5:22.

  • Mana:

    Foto-tsakafon’ny Israelita nandritra ny 40 taona tany an-tany efitra. Nomen’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga izy io. Nahita mana teny amin’ny tany rakotry ny ando ny olona isa-maraina, afa-tsy tamin’ny Sabata. Tamin’ny vao nahita an’ilay izy ny Israelita, dia nifanontany hoe: “Fa inona ireny?” na hoe “man hoʼ?” amin’ny teny hebreo. (Ek 16:13-15, 35) Antsoina hoe “sakafo avy any an-danitra” koa izy io (Sl 78:24), na “mofo avy any an-danitra” (Sl 105:40), na “mofon’ireo mahery” (Sl 78:25). Nampiasa an’ilay teny hoe mana amin’ny heviny an’ohatra koa i Jesosy.—Jn 6:49, 50.

  • Manosotra:

    Midika ara-bakiteny hoe “manisy ranon-javatra.” Nohosorana menaka ny olona iray mba hampisehoana fa voatokana hanao asa manokana izy. Nohosorana menaka koa izay zavatra natokana hampiasaina amin’ny asa manokana. Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa nohosorana fanahy  masina ireo voafidy ho any an-danitra.—Ek 28:41; 1Sa 16:13; 2Ko 1:21.

  • Manozona:

    Mandrahona na maniry zava-dratsy ho an’ny olona na zavatra. Tsy mitovy amin’ny hoe manompa izany na hoe miteniteny foana satria misafoaka be. Matetika ny ozona no fanambarana lehibe na filazana mialoha fa hisy loza hitranga. Lasa faminaniana ny fanambarana toy izany, raha Andriamanitra na olona nahazo alalana taminy no nilaza an’ilay izy.—Ge 12:3; No 22:12; Ga 3:10.

  • Masina:

    Ny efitra voalohany sy lehibe indrindra tao amin’ny tranolay masina sy tao amin’ny tempoly. Samy hafa amin’ilay efitra anatiny indrindra, izany hoe ny Masina Indrindra, izy io. Ireto avy no tao amin’ny Masina, tao amin’ny tranolay masina: Fitoeran-jiro volamena, alitara volamena fandoroana emboka manitra, latabatra fametrahana ny mofo aseho, ary fitaovana volamena isan-karazany. Ireto kosa no natao tao aminʼny Masina, tao amin’ny tempoly: Alitara volamena, sy fitoeran-jiro volamena folo, ary latabatra folo fametrahana ny mofo aseho. (Ek 26:33; He 9:2)—Jereo F.F. B5 sy B8.

  • Masina; Fahamasinana:

    Toetra maha izy an’i Jehovah; madio tanteraka na eo amin’ny fitondran-tena na eo amin’ny fivavahana. (Ek 28:36; 1Sa 2:2; Oh 9:10; Is 6:3) Ilazana hoe voatokana tanteraka na nohamasinina ho an’ilay Andriamanitra masina ny teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe “masina” na “fahamasinana”, rehefa olona no resahina (Ek 19:6; 2Mp 4:9), na biby (No 18:17), na zavatra (Ek 28:38; 30:25; Le 27:14), na toerana (Ek 3:5; Is 27:13), na fotoana (Ek 16:23; Le 25:12), na asa (Ek 36:4). Midika koa ireo teny ireo hoe atokana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah, na voatokana mba hanompo azy. Nosarahina tamin’ny hafa mba ho an’Andriamanitra ny dikan’ny hoe “masina”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ilazana hoe madio fitondran-tena koa izy io.—Mr 6:20; 2Ko 7:1; 1Pe 1:15, 16.

  • Masina Indrindra:

    Ny efitra anatiny indrindra tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Tao no nisy ny Vata misy ny fifanekena. Nantsoina hoe ny Masin’ny Masina koa izy io. Ny mpisoronabe ihany no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, araka ny Lalàn’i Mosesy. Isan-taona, rehefa Andro Fandrakofam-pahotana, ihany izy vao afaka nankao.—Ek 26:33; Le 16:2, 17; 1Mp 6:16; He 9:3.

  • Maskila:

    Teny hebreo hita eo amin’ny teny mampiditra salamo miisa 13, saingy tsy tena fantatra ny dikany. Mety hidika hoe “tononkalo mampisaintsaina” izy io. Misy milaza fa mety hitovy dika amin’izy io ny teny iray mitovitovy aminy, izay nadika hoe ‘manompo amim-pahendrena.’—2Ta 30:22; Sl 32:0.

  • Media; Medianina:

    Taranak’i Maday zanakalahin’i Jafeta ny Medianina. Nipetraka tany amin’ny Lembalemban’i Iran izy ireo, ary lasa nantsoina hoe Media ilay faritra. Nanampy an’i Babylona handresy an’i Asyria ny Medianina. Faritany teo ambany fahefan’i Media i Persa tamin’izany. Nikomy anefa i Kyrosy ka nitambatra tamin’i Persa i Media, dia lasa Fanjakana Medianina-Persianina. Resin’io fanjakana io ny Fanjakana Babylonianina Vaovao tamin’ny 539 T.K. Nisy Medianina tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33. (Da 5:28, 31; As 2:9)—Jereo F.F. B9.

  • Merodaka:

    Andriamanitra lehibe indrindra tao amin’ny tanànan’i Babylona. Nanao anʼi Babylona ho renivohitrʼi Babylonia i Hammourabi mpanjaka babylonianina sady mpanao lalàna, ka lasa nihanalaza i Merodaka (na Mardoka). Izy àry no nasolo an’ireo andriamanitra be dia be efa nivavahana talohany. Lasa andriamanitra lehibe indrindra tany Babylonia izy. Nosoloana hoe “Belo” (“Tompo”) ilay anarana hoe Merodaka (na Mardoka), tatỳ aoriana. Bela matetika no niantsoana an’i Merodaka.—Je 50:2.

  • Mesia:

    Avy amin’ny teny hebreo nadika hoe “voahosotra” na “ilay voahosotra.” Avy amin’ny teny grika kosa ilay hoe “Kristy”, izay teny mitovy dika aminy.—Da 9:25; Jn 1:41.

  • Miktama:

    Teny hebreo hita eo amin’ny teny mampiditra salamo enina. (Sl 16; 56–60) Tsy tena fantatra ny dikany, fa mety hisy ifandraisany amin’ny teny hoe “soratra voasokitra” izy io.

  • Milkoma:

    Andriamanitra nivavahan’ny Amonita, ary mety ho izy ihany ilay andriamanitra hoe Moleka. (1Mp 11:5, 7) Nanorina toerana avo ho an’io andriamani-diso io i Solomona, rehefa hifarana ny fanjakany.—Jereo MOLEKA.

  • Mina:

    Antsoina koa hoe mane ao amin’ny Ezekiela. Sady anarana lanja izy io no anarana sandam-bola. Mitovy amin’ny 50 sekely ny iray mina ary milanja 11,4 g ny iray sekely, araka ny hitan’ny manam-pahaizana. Milanja 570 g àry ny iray mina resahin’ny Soratra Hebreo. Nisy mina fampiasa tao an-dapa  koa angamba, hoatran’ny hakiho ihany. Mitovy amin’ny 100 drakma kosa ny iray mina resahin’ny Soratra Grika Kristianina. Milanja 340 g izy io. Mitovy amin’ny iray talenta ny 60 mina. (Ezr 2:69; Lk 19:13)—Jereo F.F. B14.

  • Miora:

    Ditin-kazo manitra avy amin’ny karazana hazo madinika be tsilo na hazo ivaiva anisan’ny Commiphora. Anisan’ireo zavatra nanamboarana ny menaka masina fanosorana izy io. Natao tamin’ny akanjo na fandriana, ohatra, ny miora mba hampahamanitra azy ireny. Nasiana miora koa ny menaka fanorana sy ny menaka nohosorana tamin’ny vatana. Nampiasaina koa izy io rehefa nikarakara faty halevina.—Ek 30:23; Oh 7:17; Jn 19:39.

  • Mitondra loloha:

    Fanao fahiny izay lasa anisan’ny Lalàn’i Mosesy. Nalain’ny lehilahy iray ho vadiny ny vadin’ny rahalahiny raha maty tsy niteraka zanaka lahy izy io, mba hisy taranaka hitondra ny anaran’ilay rahalahiny.—Ge 38:8; De 25:5.

  • Mitsimpona:

    Manangona an’izay vokatra sendra navelan’ny mpijinja teny an-tsaha na fanahy iniany navela. Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy tokony hojinjaina tanteraka ny sisin’ny saha, ary tsy tokony hotazana daholo ny oliva na voaloboka. Nomen’Andriamanitra zo hitsimpona an’izay tavela taorian’ny fijinjana na fiotazana mantsy ny mahantra, ny olona mijaly, ny hafa firenena nipetraka tany Israely, ny kamboty, ary ny maty vady.—Rt 2:7.

  • Mofo aseho:

    Mofo 12 napetraka teo ambony latabatra tao amin’ny Masina, tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Nozaraina roa toko ireo mofo, ka natao mofo enina mifanaingina ny toko tsirairay. Nantsoina koa izy io hoe “mofo mifanaingina” sy “mofo atolotra.” Nosoloana mofo vaovao isaky ny Sabata io fanatitra ho an’Andriamanitra io. Ny mpisorona ihany, raha ny tokony ho izy, no nihinana an’izay mofo avy nampiasaina. (2Ta 2:4; Mt 12:4; Ek 25:30; Le 24:5-9; He 9:2)—Jereo F.F. B5.

  • Mofo atolotra:

    Jereo MOFO ASEHO.

  • Moleka:

    Andriamanitry ny Amonita, ary mety ho izy ihany ilay hoe Malkama na Milkoma na Moloka. Mety ho anaram-boninahitra izy io, fa tsy anarana andriamanitra. Nomelohina ho faty, araka ny Lalàn’i Mosesy, izay nanao sorona ny zanany ho an’i Moleka.—Le 20:2; Je 32:35; As 7:43.

  • Moloka:

    Jereo MOLEKA.

  • Mota-labena:

    Teny hita eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo 9. Midika hoe “momba ny fahafatesan’ny zanakalahy”, hono, izy io. Misy milaza fa lohateny na angamba teny fanombohan’ny hira iray malaza ilay hoe “Mota-labena”, ka ny feon’ilay hira no nihirana an’ilay salamo.

  • Mpahay lalàna:

    Manam-pahefana tany amin’ny faritany, tao amin’ny fanjakana babylonianina. Nahay lalàna izy, ary afaka nitsara raharaha sasany.—Da 3:2.

  • Mpahita:

    Olona nampahafantarin’Andriamanitra ny sitrapony. Toy ny hoe nampahiratina ny masony mba hahitany na hahatakarany an’izay tsy takatry ny ankamaroan’ny olona. Avy amin’ny fototeny midika hoe “mahita” ara-bakiteny na an’ohatra, ny teny hebreo nadika hoe “mpahita.” Ny mpahita no nangatahan’ny olona torohevitra, rehefa nisy olana.—1Sa 9:9.

  • Mpaminany:

    Olona asain’Andriamanitra mampahafantatra an’izay hataony. Mpitondra tenin’Andriamanitra ny mpaminany, ary tsy ny zavatra hitranga ihany no nampahafantariny fa ny fampianaran’i Jehovah sy ny didiny ary ny didim-pitsarany koa.—Am 3:7; 2Pe 1:21.

  • Mpamoha angatra:

    Olona milaza fa mahavita miresaka amin’ny maty.—Le 20:27; De 18:10-12; 2Mp 21:6.

  • Mpanandro:

    Olona mandinika ny fihetsehan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana mba hamantarana ny hoavy.—Da 2:27; Mt 2:1.

  • Mpanefy tanimanga:

    Mpanamboatra vilany sy vilia ary fitaovana hafa amin’ny tanimanga. Midika ara-bakiteny hoe “mpanamboatra” ny teny hebreo nadika hoe mpanefy tanimanga. Manana fahefana amin’ny tanimanga ny mpanefy. Oharina amin’izany matetika ny fahefana ananan’i Jehovah amin’ny olona tsirairay sy ny firenena.—Is 64:8; Ro 9:21.

  • Mpanelanelana:

    Olona mampifandray ny andaniny sy ny ankilany mba hampihavanana azy ireo. Milaza ny Soratra Masina fa mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna i Mosesy, ary mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao i Jesosy.—Ga 3:19; 1Ti 2:5.

  • Mpanjakavavin’ny Lanitra:

    Anaram-boninahitry ny andriamanibavy notompoin’ny  Israelita nivadi-pinoana tamin’ny andron’i Jeremia. Misy milaza fa i Ishtar (Astarta) andriamanibavy babylonianina izy io. Io ihany ilay Inanna andriamanibavy efa nivavahan’ny Somerianina taloha. Midika hoe “Mpanjakavavin’ny Lanitra” ny hoe Inanna, ary mety ho andriamanibavin’ny fiterahana na fahavokarana izy io. Nantsoina koa hoe “Andriambavin’ny Lanitra” i Astarta, araka ny soratra ejipsianina hita tany Ejipta.—Je 44:19.

  • Mpanohana an’i Heroda:

    Jereo HERODA, MPANOHANA AN’I.

  • Mpanora-dalàna:

    Mpanao dika soratra ny Soratra Hebreo. Lehilahy maromaro nahay tsara ny Lalàna no nantsoina hoe mpanora-dalàna, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nanohitra an’i Jesosy izy ireo.—Ezr 7:6, f.a.p.; Mr 12:38, 39; 14:1.

  • Mpiadidy:

    Manam-pahefana ambany kokoa noho ny lehibem-paritany, tao amin’ny fanjakana babylonianina. Ny mpiadidy no nifehy ny olon-kendry tao amin’ny lapan’i Babylona, araka ny voalazan’ny Baiboly. Nisy mpiadidy koa nandritra ny fitondran’i Dariosy, mpanjaka medianina.—Da 2:48; 6:7.

  • Mpiambina An’i Kaisara:

    Antokona miaramila romanina nasaina niambina sy niaro ny mpanjaka romanina. Lasa hery ara-politika matanjaka izy ireo, ka afaka nanohana na nanongana ny mpanjaka romanina.—Fi 1:13.

  • Mpiandraikitra:

    Lehilahy miandraikitra sy miandry ny fiangonana, ary izany no tena andraikiny. Manara-maso an’izay eo ambany fiandraiketany izy mba hiarovana azy ireo. Izay no tena hevitr’ilay teny grika hoe episkôpôs, izay nadika hoe mpiandraikitra. Mitovy ihany ny hoe “mpiandraikitra” sy ny hoe “anti-panahy” (presbyterôs) eo anivon’ny fiangonana kristianina. Ny fahamatoran’ilay olona voatendry no tiana holazaina amin’ilay hoe “anti-panahy.” Ny andraikiny kosa no asongadina amin’ilay hoe “mpiandraikitra.”—As 20:28; 1Ti 3:2-7; 1Pe 5:2.

  • Mpikarakara fiangonana:

    Avy amin’ilay teny grika hoe diakônôs, izay adika matetika hoe “mpanompo.” Olona manampy ny anti-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana no atao hoe “mpikarakara fiangonana.” Tsy maintsy mahafeno an’ireo fepetra takin’ny Baiboly izy, vao mahazo an’izany tombontsoa izany.—1Ti 3:8-10, 12.

  • Mpilaza ny hoavy:

    Olona mihambo ho mahay mamantatra ny hoavy. Milaza ny Baiboly fa anisan’izany ny mpisorona mpanao sikidy sy ny mpanandro.—Le 19:31; De 18:11; As 16:16.

  • Mpisorona:

    Lehilahy iray voatendry hisolo tena an’Andriamanitra teo anatrehan’ny vahoaka, ka nampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra sy ny lalàny. Nisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’Andriamanitra koa ny mpisorona, ka nanao sorona sy nitalaho ary niangavy ho azy ireo. Ny loham-pianakaviana no nanao ny asan’ny mpisorona ho an’ny fianakaviany, tamin’ny mbola tsy nisy ny Lalàn’i Mosesy. Ny lehilahy anisan’ny fianakavian’i Arona, avy tamin’ny fokon’i Levy, kosa no mpisorona, rehefa narahina ny Lalàn’i Mosesy. Nanampy azy ireo ny lehilahy hafa anisan’ny Levita. Rehefa nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao, dia lasa firenena sady mpisorona ny Israely ara-panahy, ary i Jesosy Kristy no Mpisoronabe.—Ek 28:41; He 9:24; Ap 5:10.

  • Mpisoronabe:

    Ny mpisorona nisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’ny mbola narahina ny Lalàn’i Mosesy. Izy koa no niandraikitra ny mpisorona hafa rehetra. Nantsoina koa hoe “lehiben’ny mpisorona” izy io. (2Ta 26:20; Ezr 7:5) Izy ihany no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, tao amin’ilay efitra anatiny indrindra amin’ny tranolay masina, ary tatỳ aoriana tao amin’ny tempoly. Isan-taona, rehefa Andro Fandrakofam-pahotana, ihany izy vao afaka nanao an’izany. Antsoina hoe “mpisoronabe” koa i Jesosy Kristy.—Le 16:2, 17; 21:10; Mt 26:3; He 4:14.

  • Mpitarika:

    Rehefa jerena ny teny hebreo niavian’io teny io ao amin’ny Salamo, dia toa ilazana an’izay olona nandrindra ny hira sy nitarika ny fihirana azy ireny izy io, sy nampanao famerenana sy nampiofana an’ireo Levita mpihira, ary nitarika ny mpihira sy ny mpitendry zavamaneno mihitsy aza rehefa nisy fotoan-dehibe. Misy Baiboly mandika an’io teny io hoe “mpiventy hira” na “filohan’antoko-mpihira.”—Sl 4:0; 5:0.

  • Mpitarika Lehibe Indrindra:

    Ilazana ny anjara asa tena lehibe tanan’i Jesosy Kristy, noho izy nanafaka ny olona tsy mivadika tamin’ny ota sy ny fahafatesana, sy mitarika azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay.—As 3:15; 5:31; He 2:10; 12:2.

  • Mpitily:

    Olona miambina olon-kafa na fananana, matetika mandritra ny alina, sao misy fanafihana, ary mety hampaneno fanairana izy  rehefa misy loza mananontanona. Nasiana mpiambina matetika teny amin’ny mandan’ny tanàna sy ny tilikambo mba hitazana an’izay manatona. Mpiambina no niantsoana azy raha tao amin’ny tafika izy. Noharina tamin’ny mpitily ho an’ny firenen’Israely ny mpaminany, satria nampitandrina azy ireo hoe hisy fandravana.—2Mp 9:20; Ezk 3:17.

  • Mpitsara:

    Lehilahy notendren’i Jehovah mba hanafaka ny vahoakany, tamin’ny mbola tsy nisy mpanjaka olombelona teo amin’ny Israely.—Mpts 2:16.

  • Mpivaro-tena:

    Olona manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny, mba hahazoana vola indrindra indrindra. (Avy amin’ny fototeny midika hoe “mivarotra” ny teny grika hoe pôrne, izay nadika hoe “mpivaro-tena.”) Vehivavy matetika no mpivaro-tena, nefa miresaka lehilahy mpivaro-tena koa ny Baiboly. Tsy azo natao ny nivaro-tena, araka ny Lalàn’i Mosesy, ary tsy azo natao fanomezana tao amin’ny toerana masin’i Jehovah ny karaman’ny mpivaro-tena. Fanaon’ny mpanompo sampy kosa ny nanisy mpivaro-tena tao amin’ny tempoliny, mba hahazoana vola. (De 23:17, 18; 1Mp 14:24) Ampiasain’ny Baiboly koa io teny io mba hilazana olona na firenena na fikambanana milaza ho manompo an’Andriamanitra nefa manompo zavatra hafa koa. Milaza, ohatra, ny Apokalypsy fa toy ny mpivaro-tena i “Babylona Lehibe”, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra. Lasa miaraka be amin’ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao mantsy izy io, mba hahazoana fahefana sy harena.—Ap 17:1-5; 18:3; 1Ta 5:25.

N

  • Narda:

    Menaka manitra, somary mena, avy amin’ny zavamaniry atao hoe Nardostachys jatamansi. Tena lafo be ny narda, ka nafangaron’ny olona tamin’ny menaka tsy dia tsara matetika. Indraindray misy hosoka ilay izy. Tsara homarihina fa samy miresaka i Marka sy Jaona hoe “narda tena izy” no natao tamin’i Jesosy.—Mr 14:3; Jn 12:3.

  • Nazareanina:

    Anarana niantsoana an’i Jesosy noho izy avy any Nazareta. Mety hisy ifandraisany amin’ilay teny hebreo nadika hoe “tsimoka” ao amin’ny Isaia 11:1 io teny io. Niantsoana ny mpanara-dia an’i Jesosy koa ny hoe Nazareanina, tatỳ aoriana.—Mt 2:23; As 24:5.

  • Nazirita:

    Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “Nosinganina”, “Nanokan-tena”, “Nosarahina.” Nisy sokajiny roa ny Nazirita: Ireo nanolo-tena ho Nazirita, sy ireo voatendrin’Andriamanitra. Afaka nanao voady manokana tamin’i Jehovah ny lehilahy na ny vehivavy hoe ho Nazirita mandritra ny fotoana kelikely. Tsy nahazo nanao an’ireto zavatra telo ireto izay nanolo-tena ho Nazirita: Nisotro toaka na nihinana zavatra avy amin’ny voaloboka, nanapaka volo, ary nikasika faty. Nazirita mandra-pahafatiny kosa izay voatendrin’Andriamanitra ho Nazirita, ary i Jehovah no nilaza an’izay notakina taminy.—No 6:2-7; Mpts 13:5.

  • Nefilima:

    Lehilahy nateraky ny anjely nitafy vatan-dehilahy sy ny zanakavavin’ny olombelona, talohan’ny Safodrano. Nahery setra be izy ireo.—Ge 6:4.

  • Nehilota:

    Teny hita eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo 5, saingy tsy tena fantatra ny dikany. Misy mieritreritra hoe zavamaneno tsofina izy io. Avy amin’ny fototeny hebreo misy ifandraisany amin’ilay teny hoe halil (sodina), hono, mantsy ilay hoe Nehilota. Mety ho feon-kira anefa izy io.

  • Netinima:

    Olona tsy Israelita nanompo tao amin’ny tempoly. Midika ara-bakiteny hoe “Ireo Nomena” ny teny hebreo nadika hoe Netinima. Nomena mba hanompo tao amin’ny tempoly mantsy izy ireo. Azo inoana fa ny ankamaroan’ny Netinima dia taranaky ny Gibeonita, izay nataon’i Josoa “mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’i Jehovah.”—Js 9:23, 27; 1Ta 9:2; Ezr 8:17.

  • Nisana:

    Volana voalohany tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany tany Babylona, fa volana fahafito kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Abiba no niantsoana azy taloha. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Martsa ka hatramin’ny tapaky ny Aprily izy io. (Ne 2:1)—Jereo F.F. B15.

O

  • Ohabolana:

    Tenin’olon-kendry na tantara fohy mampianatra lesona na milaza fahamarinana lalina amin’ny teny vitsivitsy monja. Mety ho sarin-teny saro-pantarina na ankamantatra ny ohabolana ao amin’ny Baiboly. Sary an’ohatra matetika no ampiasaina amin’ny ohabolana mba hilazana zavatra marina. Misy ohabolana lasa fomba fiteny rehefa maneso na manambany.—Mpto 12:9; 2Pe 2:22.

  • Olona afaka; Olona nafahana:

    Olona afaka hatramin’ny vao teraka sady nanana ny zo rehetra nananan’ny olom-pirenena ny “olona afaka”, tamin’ny fotoana nanjakan’ny  Romanina. Ny andevo afaka kosa no natao hoe “olona nafahana.” Nahazo zom-pirenena romanina ny olona iray, raha teo anatrehan’ny manam-pahefana izy no nafahana. Tsy afaka nitana andraikitra teo amin’ny fitondrana anefa izy. Nafahana tsy ho andevo koa ny olona nafahan’ny tompony, saingy tsy nomena azy ny zo rehetra nananan’ny olom-pirenena.—1Ko 7:22.

  • Omera:

    Fatran-javatra maina mifanitsy amin’ny 2,2 litatra, na ampahafolon’ny efaha. (Ek 16:16, 18)—Jereo F.F. B14.

  • Oniksa:

    Vatosoa tsy tena sarobidy, ary karazana agata mafy be, na kalsedoanina misy tsipitsipika. Misy sosona fotsy mielanelana mainty, volontsôkôlà, mena, volondavenona, na maitso ny oniksa. Nisy azy io ny akanjo manokana nanaovan’ny mpisoronabe.—Ek 28:9, 12; 1Ta 29:2; Jb 28:16.

  • Orima sy Tomima:

    Zavatra nampiasain’ny mpisoronabe mba hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa nisy raharaham-pirenena lehibe nila nanontaniana an’i Jehovah. Nitovy tamin’ny fanaovana antsapaka ny fampiasana azy ireo. Natao tao anatin’ny saron-tratran’ny mpisoronabe ny Orima sy Tomima, rehefa nankao amin’ny tranolay masina izy. Toa tsy nampiasaina intsony ireo rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema.—Ek 28:30; Ne 7:65.

P

  • Paradisa:

    Toerana tsara tarehy na zaridaina mahafinaritra. I Edena no paradisa voalohany, ary namboarin’i Jehovah ho an’ny mpivady voalohany izy io. Hita tamin’ny tenin’i Jesosy tamin’ilay olon-dratsy teo akaikiny teo amin’ny hazo fijaliana fa ho lasa paradisa ny tany. Paradisa ho avy no tiana horesahina ao amin’ny 2 Korintianina 12:4, ary paradisa any an-danitra kosa ilay ao amin’ny Apokalypsy 2:7.—To 4:13; Lk 23:43.

  • Paska:

    Fety nankalazaina isan-taona, isaky ny 14 Abiba (Nisana tatỳ aoriana), ary nahatsiarovana ny nanafahana ny Israelita tany Ejipta. Nisy zanak’ondry (zanak’osy) novonoina sy natsatsika rehefa nankalazaina izy io, ary nohanina niaraka tamin’ny anana mangidy sy mofo tsy misy lalivay ilay izy.—Ek 12:27; Jn 6:4; 1Ko 5:7.

  • Pentekosta:

    Faharoa amin’ireo fety lehibe telo tsy maintsy nankalazain’ny lehilahy jiosy rehetra tany Jerosalema. Midika hoe “(Andro) Fahadimampolo” ny hoe Pentekosta. Io no ampiasaina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, fa Fetin’ny Fijinjana na Fetin’ireo Herinandro kosa ao amin’ny Soratra Hebreo. Nankalazaina izy io ny andro faha-50 nisaina nanomboka teo amin’ny 16 Nisana.—Ek 23:16; 34:22; As 2:1.

  • Peratra fanombohan-kase:

    Karazana tombo-kase natsofoka tamin’ny rantsantanana na natao tamin’ny tady kely, izay mety ho nafatotra manodidina ny tenda. Famantarana ny fahefana nananan’ny mpitondra na manam-pahefana iray izy io. (Ge 41:42)—Jereo TOMBO-KASE.

  • Persa; Persianina:

    Tany sy vahoaka resahina matetika miaraka amin’ny Medianina. Toa mpihavana ny Medianina sy ny Persianina. Tamin’ny voalohany, dia tany amin’ny faritra atsimoandrefana amin’ny Lembalemban’i Iran ihany no nisy ny Persianina. Lasa nahery kokoa noho ny Medianina ny Persianina rehefa nitondra i Kyrosy Lehibe (izay Persianina ny rainy ary Medianina ny reniny, araka ny tenin’ny mpahay tantara fahiny sasany). Mbola niaraka nitondra ihany anefa ireo fanjakana roa ireo. Resin’i Kyrosy ny Fanjakana Babylonianina tamin’ny 539 T.K., ary navelany hiverina tany an-tanindrazany ireo Jiosy babo. Tonga hatrany amin’ny Reniranon’i Indus tany atsinanana ka hatrany amin’ny Ranomasina Égée tany andrefana ny Fanjakana Persianina. Teo ambany fahefan’ny Persianina ny Jiosy mandra-pandresin’i Aleksandra Lehibe ny Persianina tamin’ny 331 T.K. Hitan’i Daniela mialoha tao amin’ny fahitana ny momba ny Fanjakana Persianina, ary voaresaka ao amin’ny bokin’i Ezra, Nehemia, ary Estera io fanjakana io. (Ezr 1:1; Da 5:28)—Jereo F.F. B9.

  • Pilotra:

    Hoditra lavalava na koa hoza-biby na harefo na volo norandranina. Teo afovoan’ilay pilotra, izany hoe teo amin’ny foitrany, no nasiana ny zavatra atoraka, izay vato matetika. Nafatotra tamin’ny tanana na hatotanana ny tendrony iray, fa notazonina kosa ny tendrony ilany dia navotsotra rehefa nitifitra. Nisy mpampiasa pilotra tao amin’ny tafiky ny firenena taloha.—Mpts 20:16; 1Sa 17:50.

  • Pima:

    Anarana lanja sady sarany notakin’ny Filistinina rehefa nisy nandranitra fitaovana metaly tany amin’izy ireo. Hita tamin’ny vatomizana vitsivitsy nofongarina tany Israely ireo renisoratra amin’ilay teny hoe “pima”, tamin’ny soratra hebreo tranainy. Milanja 7,8 g eo ho eo ny iray pima, izany hoe tokotokony  ho roa ampahatelon’ny sekely.—1Sa 13:20, 21.

  • Porima:

    Fety fanao isan-taona, isaky ny 14 sy 15 Adara. Ny nanafahana ny Jiosy tamin’ny andron’i Estera Mpanjakavavy no tsarovana amin’io. Saika naripaka mantsy izy ireo tamin’izay. Mety ho avy amin’ny teny akadianina ilay hoe Porima, ary midika hoe “antsapaka” izy io. Natao hoe Fetin’ny Porima na Fetin’ny Antsapaka izy io, satria nanao Pora (Antsapaka) i Hamana mba hamantarana hoe rahoviana ny andro hanatanterahany ny teti-dratsiny handripahana ny Jiosy.—Es 3:7; 9:26.

  • Pôrneia:

    Jereo FIJANGAJANGANA.

  • Proselyta:

    Olona niova finoana. Ireo olona lasa nanaraka ny fivavahana jiosy no antsoin’ny Soratra Masina hoe “proselyta”, ka raha lehilahy ilay olona dia noforana izy.—Mt 23:15; As 13:43.

R

  • Rahaba:

    Teny an’ohatra ampiasaina ao amin’ny bokin’i Joba sy Salamo ary Isaia (tsy tokony hafangaro amin’ilay vehivavy antsoina hoe Rahaba ao amin’ny bokin’i Josoa). Rehefa jerena ny teny manodidina ao amin’ny bokin’i Joba, dia hita fa biby masiaka be any an-dranomasina ilay hoe Rahaba. Ilazana an’i Ejipta kosa io biby io any amin’ny andininy hafa.—Jb 9:13; Sl 87:4; Is 30:7; 51:9, 10.

  • Refy:

    Fampiasa rehefa mandrefy halalin’ny rano. Mifanitsy amin’ny 1,8 m izy io. (As 27:28)—Jereo F.F. B14.

  • Ridao:

    Lamba tsara tarehy nisy sarina kerobima natao peta-kofehy, izay nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra, tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. (Ek 26:31; 2Ta 3:14; Mt 27:51; He 9:3)—Jereo F.F. B5.

S

  • Sabata:

    Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “miala sasatra; mitsahatra.” Io no andro fahafito amin’ny herinandro jiosy (manomboka zoma maty masoandro ka hatramin’ny asabotsy maty masoandro). Nantsoina hoe Sabata koa ny andro fety hafa tao anatin’ny taona sy ny taona faha-7 ary ny taona faha-50. Tsy nisy asa azo natao rehefa andro sabata, afa-tsy ny asan’ny mpisorona tao amin’ny toerana masina. Tsy azo novolena ny tany rehefa taona sabata, ary tsy nahazo nanery ny mpiray tanindrazana taminy handoa ny trosany ny Hebreo. Tsy be loatra ny zavatra nolazaina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe tsy azo atao rehefa Sabata. Nampian’ny mpitondra fivavahana tsikelikely anefa izany, ka lasa sarotra tamin’ny vahoaka ny nitandrina an’izany tamin’ny andron’i Jesosy.—Ek 20:8; Le 25:4; Lk 13:14-16; Kl 2:16.

  • Sadoseo:

    Sekta lehibe anisan’ny Fivavahana Jiosy. Olona ambony nanan-karena sy mpisorona nanana fahefana be tamin’izay natao tao amin’ny tempoly no anisan’izy io. Tsy neken’izy ireo ny ankamaroan’ny lovantsofina narahin’ny Fariseo sy ny zavatra hafa ninoan’izy ireny. Tsy nino izy ireo hoe hatsangana ny maty na hoe misy ny anjely. Nanohitra an’i Jesosy koa izy ireo.—Mt 16:1; As 23:8.

  • Sakafo Harivan’ny Tompo:

    Tena sakafo izy io, ary mofo tsy misy lalivay sy divay no nohanina. Mifanitsy amin’ny vatan’i Kristy sy ny rany ireo. Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy izy io. Mety tsara raha antsoina hoe “Fahatsiarovana” io sakafo hariva io, satria milaza ny Soratra Masina fa tokony hahatsiaro azy io ny Kristianina.—1Ko 11:20, 23-26.

  • Salamo:

    Hira fiderana an’Andriamanitra. Nasiana feony ny salamo, dia nohirain’ny mpivavaka, anisan’izany ireo mpivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra tao amin’ny tempoly tany Jerosalema.—Lk 20:42; As 13:33; Jk 5:13, f.a.p.

  • Samaria:

    Renivohitry ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra nandritra ny 200 taona teo ho eo, sy anaran’ilay faritra manontolo nisy an’ireo foko ireo. Naorina teo amin’ny tendrombohitra mitovy anarana aminy ilay tanàna. Ilay faritra nofehezin’ny Romanina teo anelanelan’i Galilia tany avaratra sy Jodia tany atsimo no nantsoina hoe Samaria, tamin’ny andron’i Jesosy. Tsy nitory tany amin’io faritra io i Jesosy. Nandalo tany ihany anefa izy indraindray, ary niresaka tamin’ny mponina tany. Nampiasa ny lakilen’ilay Fanjakana, izany hoe ilay lakile an’ohatra faharoa, i Petera rehefa nahazo fanahy masina ny Samaritanina. (1Mp 16:24; Jn 4:7; As 8:14)—Jereo F.F. B10.

  • Samaritanina:

    Ny Israelita nonina tany amin’ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra. Nantsoina hoe “Samaritanina” koa anefa, tatỳ aoriana, ireo vahiny nentin’ny Asyrianina hipetraka tany, rehefa resin’izy ireo i Samaria tamin’ny 740 T.K. Tsy fiaviana na firehana ara-politika kosa no tiana holazaina amin’io teny io, tamin’ny andron’i Jesosy. Nilazana an’ireo olona anisan’ilay antokom-pinoana  teny akaikin’i Sekema taloha sy Samaria izy io. Nisy zavatra ninoan’izy ireo tsy nitovy tamin’izay ninoan’ireo nanaraka ny Fivavahana Jiosy.—Jn 8:48.

  • Sambon’i Tarsisy:

    Niantsoana an’ireo sambo mpankany Tarsisy (Espaina amin’izao). Toa nilazana an’ireo sambo lehibe mahavita manao dia lavitra izy io, tatỳ aoriana. Nampiasa sambo hoatr’izany i Solomona sy Josafata mba hanaovana varotra.—1Mp 9:26; 10:22; 22:48.

  • Sampy; Fanompoan-tsampy:

    Sary na zavatra na famantarana ivavahan’ny olona ny hoe “sampy.” Mety ho tena misy ilay izy na foronin’ny saina. Ny “fanompoan-tsampy” indray dia fanajana lalina sy fitiavana ny sampy, ary fivavahana aminy.—Sl 115:4; As 17:16; 1Ko 10:14.

  • Saron-tratra:

    Paosy noravahana vatosoa nanaovan’ny mpisoronaben’ny Israely teo amin’ny tratrany, isaky ny niditra tao amin’ny Masina izy. Nantsoina hoe “saron-tratra fitsarana” izy io, satria natao tao ny Orima sy Tomima, izay nampiasaina rehefa te hamantatra ny didim-pitsaran’i Jehovah. (Ek 28:15-30)—Jereo F.F. B5.

  • Sarony fampihavanana:

    Saron’ny Vata misy ny fifanekena. Teo anoloan’izy io ny mpisoronabe no namafy ny ran’ny fanatitra noho ny ota, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Avy amin’ny matoanteny fototeny midika hoe “mandrakotra (fahotana)” na angamba hoe “mamafa (fahotana)” ny teny hebreo nakana azy io. Vita tamin’ny volamena ranofotsiny izy io, ary nisy kerobima iray avy, teo amin’ny sisiny roa. “Ilay sarony” fotsiny no ilazana azy io indraindray. (Ek 25:17-22; 1Ta 28:11; He 9:5)—Jereo F.F. B5.

  • Satana:

    Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “Mpanohitra.” Ilazana an’i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra, izy io amin’ny teny tany am-boalohany, rehefa misy mpanoritra voafaritra eo alohan’ilay teny.—Jb 1:6; Mt 4:10; Ap 12:9.

  • Satroka lamba:

    Lamba nahorongorona nanodidina ny loha na fehiloha. Nanao satroka lamba vita tamin’ny kofehy rongony tena tsara ny mpisoronabe. Nisy takela-bolamena nafatotra tamin’ny kofehy manga teo anoloana tamin’ilay izy. Nanao fehiloha ny mpanjaka teo ambanin’ny satroboninahiny. Noharin’i Joba tamin’ny satroka lamba ny fampiharany ny rariny.—Ek 28:36, 37; Jb 29:14; Ezk 21:26.

  • Sebata:

    Volana faha-11 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany tany Babylona, fa volana faha-5 kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Janoary ka hatramin’ny tapaky ny Febroary izy io. (Za 1:7)—Jereo F.F. B15.

  • Sehà:

    Fatran-javatra maina. Mitovy amin’ny 7,33 litatra izy io, raha kajina avy amin’ny bata (fatrana ranon-javatra). (2Mp 7:1)—Jereo F.F. B14.

  • Sekely:

    Sady anarana lanja no anarana sandam-bola hebreo. Milanja 11,4 g izy io. Mety ho nampiasaina ilay hoe “sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina” mba hilazana fa tokony ho marina tsara ilay lanja, na tokony hifanaraka amin’ny vatomizana mahazatra notehirizina tao amin’ny tranolay masina. Mety ho nisy koa ny sekely fampiasan’ny “mpanjaka” (tsy mitovy amin’ny sekely fampiasan’ny vahoaka), izay angamba vatomizana mahazatra notehirizina tao an-dapa.—Ek 30:13.

  • Sekta:

    Antokon’olona manaraka foto-pinoana iray na manaraka olona sy manana ny zavatra inoany manokana. “Sekta” no nilazana ny mpanaraka an’ireo sampana roa lehibe tao amin’ny Fivavahana Jiosy, dia ny Fariseo sy ny Sadoseo. Nantsoin’ny tsy Kristianina hoe “sekta” na “sektan’ny Nazareanina” koa ny Fivavahana Kristianina. Noheverin’izy ireo angamba fa nisaraka tamin’ny Fivavahana Jiosy izy io. Lasa nisy nanangana sekta teo anivon’ny fiangonana, tatỳ aoriana. Miresaka momba ny “sektan’i Nikoleo”, ohatra, ny Apokalypsy.—As 5:17; 15:5; 24:5; 28:22; Ap 2:6; 2Pe 2:1.

  • Sela:

    Teny fampiasa amin’ny mozika na amin’ny zavatra atao tsianjery hita ao amin’ny Salamo sy Habakoka. Mety hidika izy io hoe mila ajanona kely ilay hira na ilay mozika, na izy roa mihitsy, mba hahafahana misaintsaina na mamoaka ny fihetseham-po resahin’ilay hira. Diapsalma no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny hoe Sela, ary midika izy io hoe “mozika kely anelanelan’ny hira.”—Sl 3:4; Ha 3:3.

  • Seminita:

    Teny fampiasa amin’ny mozika ary midika ara-bakiteny hoe “laharana fahavalo.” Mety ho feo ambany na beso izy io. Angamba koa izy io ilazana ny feo ambany na migoboka avoakan’ny zavamaneno. Rehefa ampiasaina amin’ny hira indray io teny io, dia midika fa tokony ho ambany ny feon-kira  ary hiraina mifanaraka amin’izany ilay hira.—1Ta 15:21; Sl 6:0; 12:0.

  • Serafima:

    Anjely manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra. Midika ara-bakiteny hoe “izay mirehitra” ny teny hebreo hoe serafim.Is 6:2, 6.

  • Sesitany:

    Fandroahana olona hiala ao amin’ny tanindrazany, ary ny mpandresy amin’ny ady matetika no manao an’izany. Midika hoe “fialana” ny teny hebreo nadika hoe “sesitany.” Indroa natao sesitany ny Israelita. Nataon’ny Asyrianina sesitany ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, ary nataon’ny Babylonianina sesitany, tatỳ aoriana, ny fanjakan’ireo foko roa tany atsimo. Rehefa nitondra i Kyrosy, mpanjaka persianina, dia nasainy nody tany an-tanindrazany izay sisa tavela tamin’ireo natao sesitany.—2Mp 17:6; 24:16; Ezr 6:21.

  • Sheôl:

    Teny hebreo mitovy amin’ilay teny grika hoe “Haides.” Nadika hoe “Fasana” izy io, ary natao sora-baventy ny fiandohany mba hilazana ny toerana an’ohatra misy ny maty, fa tsy hoe ny fasana tsirairay akory.—Sl 16:10, f.a.p.; As 2:31, f.a.p.

  • Siny hoditra:

    Siny vita tamin’ny hoditra biby iray manontolo, toy ny osy na ondry, ary fasiana divay. Natao tao anaty siny hoditra vaovao ny divay, satria mamoaka gazy karbonika ilay izy rehefa miotrika, dia mampibontsina an’ilay siny hoditra. Afaka miitatra mantsy ny siny hoditra vaovao, fa ny siny hoditra tonta kosa efa tsy mety miitatra intsony ka mitriatra.—Js 9:4; Mt 9:17.

  • Sirtisy:

    Hoala roa lehibe saingy marivo, any amin’ny morontsirak’i Libya, any Afrika Avaratra. Natahoran’ny tantsambo taloha izy io, satria nisy dongom-pasika mampidi-doza nakisakisaky ny onja foana teo. (As 27:17)—Jereo F.F. B13.

  • Sivàna:

    Volana fahatelo tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany tany Babylona, fa volana fahasivy kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Mey ka hatramin’ny tapaky ny Jona izy io. (Es 8:9)—Jereo F.F. B15.

  • Soratra Masina:

    Tenin’Andriamanitra voasoratra. Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ihany no misy an’io teny io.—Lk 24:27; 2Ti 3:16.

  • Sorona:

    Fanatitra atolotra ho an’Andriamanitra mba hanehoana fankasitrahana, na ho fiekena hoe meloka, na hamitranana fihavanana aminy. Natosiky ny fony hanao sorona samihafa, toy ny sorona biby, ny olombelona nanomboka tamin’i Abela. Rehefa nomena ny Lalàn’i Mosesy vao notakina izany. Tsy nilaina intsony anefa ny sorona biby rehefa nanome ny ainy lavorary ho sorona i Jesosy. Mbola manolotra sorona ara-panahy ho an’Andriamanitra ihany anefa ny Kristianina.—Ge 4:4; He 13:15, 16; 1Jn 4:10.

  • Sorona iombonana:

    Fanatitra natolotra ho an’i Jehovah mba hampisehoana hoe mihavana aminy. Samy nahazo anjara tamin’izy io ilay olona nanao an’ilay fanatitra sy ny ankohonany, ny mpisorona nanolotra an’ilay fanatitra, ary ireo mpisorona nanompo tamin’io fotoana io. Toy ny hoe an’i Jehovah kosa ny hanitry ny tavin-kena nodorana. Nomena azy koa ny ran’ilay biby, izay mifanitsy amin’ny aina. Hoatran’ny hoe niara-nisakafo àry ny mpisorona sy ny olona nanao an’ilay fanatitra ary Jehovah, ka hita hoe nihavana tsara izy ireo.—Le 7:29, 32; De 27:7.

  • Spelta:

    Karazana varimbazaha (Triticum spelta) tsy dia tsara loatra. Tsy mora miala amin’ny hodiny ny voan’izy io.—Ek 9:32.

  • Stôika:

    Filozofa grika maromaro nino hoe ho sambatra ny olona raha miezaka hahazo tsara ny lalàna mifehy ny natiora, dia miaina mifanaraka amin’izany. Tsy mahatsapa fijaliana na fahafinaretana, hono, ny olona iray tena hendry.—As 17:18.

  • Synagoga:

    Midika hoe “famoriana; vahoaka.” Ao amin’ny ankamaroan’ny andinin-teny misy an’io teny io anefa, dia trano na toerana nivorian’ny Jiosy mba hamakiana Soratra Masina, hianarana, hitoriana, ary hivavahana no tiana holazaina. Nisy synagoga isaky ny tanàna ngezangeza tany Israely, tamin’ny andron’i Jesosy. Ny tanàna lehibe kokoa aza nisy synagoga mihoatra ny iray.—Lk 4:16; As 13:14, 15.

  • Syria; Syrianina:

    Jereo ARAMA; ARAMIANINA.

T

  • Talenta:

    Lanja mavesatra indrindra sy sandam-bola ambony indrindra fampiasan’ny Hebreo. Nilanja 34,2 kg izy io. Kely kokoa ny talenta grika, satria nilanja 20,4 kg teo ho eo izy io. (1Ta 22:14; Mt 18:24)—Jereo F.F. B14.

  • Tamoza:

    1) Andriamanitra nitomanian’ireo vehivavy hebreo nivadi-pinoana, tany Jerosalema. Mpanjaka, hono, izy io taloha, fa lasa natao andriamanitra rehefa maty. Domozy no iantsoana an’i Tamoza ao amin’ny  asa soratra somerianina, ary vady na olon-tian’i Inanna (Ishtar babylonianina) andriamanibavin’ny fahavokarana na fiterahana izy. (Ezk 8:14) 2) Volana fahefatra tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany tany Babylona, fa volana fahafolo kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Jona izy io ka hatramin’ny tapaky ny Jolay.—Jereo F.F. B15.

  • Tanàna fialokalofana:

    Tanànan’ny Levita azon’izay namono olona tsy nahy nandosirana, mba tsy ho tratran’ny mpamaly ra. Nisy tanàna fialokalofana enina nanerana ny Tany Nampanantenaina. I Mosesy ary avy eo i Josoa no nifidy an’ireny tanàna ireny, araka ny toromarika nomen’i Jehovah. Rehefa tonga teo amin’ilay tanàna izay olona nandositra tao, dia nanazava tamin’ny anti-panahy teo am-bavahady izy aloha hoe inona no nataony. Noraisina tsara izy taorian’izay. Mba tsy hanararaotan’izay ninia namono olona an’io fandaharana io, dia tsy maintsy notsaraina tany amin’ilay tanàna nitrangan’ilay vonoan’olona aloha ilay nitady fialokalofana, mba hanaporofoana hoe tsy manan-tsiny izy. Naverina tao amin’ilay tanàna fialokalofana izy, raha hita hoe tsy nanan-tsiny. Tsy maintsy nijanona tao izy mandra-pahafatiny na mandra-pahafatin’ny mpisoronabe.—No 35:6, 11-15, 22-29; Js 20:2-8.

  • Tanànan’i Davida:

    Anarana nomena ny tanànan’i Jebosa, rehefa avy nandresy azy io i Davida. Nanorina lapa tao izy, ary tao izy no nipetraka. Antsoina koa hoe Ziona io tanàna io. Any amin’ny tapany atsimoatsinanana amin’i Jerosalema izy io sady io no tranainy indrindra amin’ilay tanàna.—2Sa 5:7; 1Ta 11:4, 5.

  • Tandapa:

    Lehilahy notendrena mba hiantsoroka andraikitra samihafa tao an-dapan’ny mpanjaka. Nisy, ohatra, notendrena mba hanompo na hikarakara ny vadin’ny mpanjaka sy ny vadikeliny, tao an-dapa. Novosirina ny sasany tamin’izy ireny, ary nantsoina hoe “ionòka.” Io teny io no nampiasaina hilazana an’izay olona ‘minia tsy manambady noho ilay Fanjakana’, na hoe mifehy tena mba ho afaka hifantoka bebe kokoa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.—Mt 19:12, f.a.p.; Es 2:15; As 8:27.

  • Tandavan-tendrombohitra Libàna:

    Iray amin’ireo tandavan-tendrombohitra roa any Libàna. Any andrefana izy io, ary any atsinanana ilay tandavan-tendrombohitra iray antsoina hoe Amana. Misy lohasaha mahavokatra sady lavalava manasaraka azy roa. Manaraka ny morontsirak’i Mediterane ny Tandavan-tendrombohitra Libàna, ary 1 800 m ka hatramin’ny 2 100 m eo ho eo ny haavony. Rakotra hazo sedera mijoalajoala i Libàna taloha, ary tena tian’ny firenena manodidina izy ireny. (De 1:7; Sl 29:6; 92:12)—Jereo F.F. B7.

  • Tandroka, Anjombona:

    Tandroka biby natao kaopy, na fasiana menaka, ranomainty, ary zavatra fanatsaran-tarehy. “Anjombona” kosa no niantsoana ny zavamaneno vita tamin’ny tandroka, na ny fitaovana notsofina ho famoriana vahoaka. (1Sa 16:1, 13; 1Mp 1:39; Ezk 9:2) Ilazana hery sy fandresena koa ny hoe “tandroka” matetika.—De 33:17; Mi 4:13; Za 1:19.

  • Tandroky ny alitara:

    Zavatra lavalava toy ny tandroka teo amin’ny zorony efatra tamin’ny alitara sasany. (Le 8:15; 1Mp 2:28)—Jereo F.F. B5 sy B8.

  • Tany efitra:

    Avy amin’ny teny hebreo hoe midbar, ary matetika no ilazana tany zara raha misy mponina sady tsy misy voly. (Je 2:2) Mety hisy ahi-maitso na kijana any (Sl 65:12; Je 23:10; Ek 3:1), lavaka fanangonan-drano (2Ta 26:10), trano, ary tanàna mihitsy aza (1Mp 2:34; Js 15:61, 62; Is 42:11). Matetika ilay teny hoe midbar no midika fotsiny hoe tany maina misy kirihitra sy ahitra. Azo ilazana tany karakaina koa anefa izy io.

  • Taranak’i Arona:

    Taranak’i Arona, zafikelin’i Levy. I Arona no voalohany nofidina ho mpisoronabe, rehefa nomena ny Lalàn’i Mosesy. Nanao ny asan’ny mpisorona tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly ny taranak’i Arona.—1Ta 23:28.

  • Tartara:

    Fonja an’ohatra ny Tartara, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary naetry ireo anjely lasa any. Ireo anjely tsy nankatò tamin’ny andron’i Noa no nalefa tany. Misy an’ilay matoanteny hoe tartaròÔ (“atsipy ao amin’ny Tartara”) ao amin’ny 2 Petera 2:4. Tsy midika anefa izany hoe natsipy tany amin’ilay Tartara resahin’ny anganon’ny mpanompo sampy (izany hoe fonja any ambanin’ny tany sy toerana maizina be misy an’ireo andriamanitra ambany kokoa) “ireo anjely nanota.” Midika kosa izany hoe naetrin’Andriamanitra izy ireo, ka noroahiny niala tany an-danitra sy tsy nomeny tombontsoa intsony. Lasa maizin-tsaina tanteraka  izy ireo, ka tsy mahatakatra ny fikasan’Andriamanitra. Maizina koa ny hoavin’izy ireo. Miresaka mantsy ny Soratra Masina fa horinganina mandrakizay izy ireo sy Satana Devoly mpitarika azy. Ilazana ny fietrena tanteraka mahazo an’ireo anjely mpikomy àry ny Tartara. Tsy mitovy amin’ilay “lavaka mangitsokitsoka” voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 20:1-3 izy io.

  • Tebeta:

    Volana fahafolo tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany tany Babylona, fa volana fahefatra kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Desambra izy io ka hatramin’ny tapaky ny Janoary. Resahina matetika hoe “volana fahafolo” fotsiny izy io. (Es 2:16)—Jereo F.F. B15.

  • Tehim-panjakana:

    Hazo lavalava fentin’ny mpitondra na mpanjaka ho famantarana ny fahefany.—Ge 49:10; He 1:8.

  • Tempoly:

    Trano tany Jerosalema, foiben’ny fivavahan’ny Israelita, natao solon’ilay tranolay masina azo nafindrafindra. Naorin’i Solomona ilay tempoly voalohany, ary noravan’ny Babylonianina izy io. Naorin’i Zerobabela kosa ilay tempoly faharoa, taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tany Babylona. Naorin’i Heroda Lehibe indray izy io tatỳ aoriana. Antsoina fotsiny hoe “tranon’i Jehovah” matetika ny tempoly ao amin’ny Soratra Masina. (Ezr 1:3; 6:14, 15; 1Ta 29:1; 2Ta 2:4; Mt 24:1)—Jereo F.F. B8 sy B11.

  • Tena Andriamanitra:

    Avy amin’ny teny hebreo nadika hoe “ilay Andriamanitra.” Matetika no anavahana an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, amin’ny andriamani-diso ilay mpanoritra voafaritra amin’ny teny hebreo. Mandika tsara ny hevitr’ilay teny hebreo àry ilay hoe “tena Andriamanitra” amin’ireny andininy ireny.—Ge 5:22, 24; 46:3; De 4:39.

  • Tenin’ny Vavolombelona:

    Ilazana matetika ny Didy Folo nosoratana teo amin’ny takela-bato roa nomena an’i Mosesy.—Ek 31:18.

  • Tenona:

    Fanenomana kofehy ho lasa lamba anaovana akanjo.—Ek 39:27.

  • Teny mampiditra:

    Teny eo am-piandohan’ny salamo, ahafantarana ny mpanoratra azy sy izay zava-nitranga nahatonga azy hanoratra an’ilay izy. Mety ho hita eo koa ny fomba ihirana an’ilay salamo na ny zavamaneno ampiasaina, ny fotoana nihirana azy, na ny tanjon’ilay izy.—Jereo ny teny mampiditra ny Salamo 3; 4; 5; 6; 7; 30; 38; 60; 92; 102.

  • Terafima:

    Sampy na andriamanitry ny fianakaviana, natao hitadiavana fambara indraindray. (Ezk 21:21) Nitovy endrika sy habe tamin’ny olona ny sasany tamin’izy ireny, fa nisy kosa kelikely. (Ge 31:34; 1Sa 19:13, 16) Hitan’ny mpikaroka tany Mezopotamia fa izay nanana sarivongana terafima no nahazo ny lovan’ny fianakaviana. (Izany angamba no nahatonga an’i Rahely haka ny terafiman’ny rainy.) Tsy hoatr’izany kosa ny tany Israely, na dia nisy nivavaka tamin’ny terafima aza tamin’ny andron’ny mpitsara sy ny mpanjaka. Anisan’ny zavatra nopotehin’i Josia mpanjaka tsy nivadika izy ireny.—Mpts 17:5; 2Mp 23:24; Ho 3:4.

  • Tisry:

    Jereo ETANIMA sy F.F. B15.

  • Toeram-pitsarana:

    Lampihazo avoavo teny an-kalamanjana izy io matetika, ary nisy tohatra. Teo ny manam-pahefana no nipetraka rehefa nikabary sy namoaka didim-pitsarana. Ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hitsarana ny olombelona no tiana holazaina amin’ilay hoe “toeram-pitsaran’Andriamanitra” sy “toeram-pitsaran’i Kristy.”—Ro 14:10, f.a.p; 2Ko 5:10; Jn 19:13.

  • Toerana avo:

    Toeram-pivavahana izy io, ary matetika no teny an-tampon-kavoana, na teny an-tampon-tendrombohitra, na teny amin’ny toerana namboarin’olona. Nampiasaina tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra indraindray ny toerana avo. Ny toerana nanompoan’ny mpanompo sampy ny andriamaniny anefa matetika no tena tiana holazaina amin’io teny io.—No 33:52; 1Mp 3:2; Je 19:5.

  • Toerana masina:

    Toeram-pivavahana, amin’ny ankapobeny. Ilazana ny tranolay masina na ny tempoly tany Jerosalema anefa izy io matetika. Antsoina hoe “toerana masina” koa ny fonenan’Andriamanitra any an-danitra.—Ek 25:8, 9; 2Mp 10:25; 1Ta 28:10; Ap 11:19.

  • Tokotany:

    Faritra voafefy nanodidina ny tranolay masina, sy ny iray tamin’ireo faritra voafefy tamboho nanodidina ny tempoly. Tao amin’ny tokotanin’ny tranolay masina no nisy ny alitara fanaovana fanatitra dorana, ary tao amin’ny tokotany anatiny no nisy azy io tao amin’ny tempoly. (Jereo F.F. B5, B8, B11.) Milaza koa ny Baiboly fa nisy tokotany ny trano sy lapa.—Ek 8:13; 27:9; 1Mp 7:12; Es 4:11; Mt 26:3.

  • Tombo-kase:

    Fitaovana fanaovana fitomboka (teo amin’ny tanimanga na savoka  matetika) ho fanamarinana hoe iza no tompon’ny zavatra iray na hoe tsy sandoka ilay izy, na ho fanamafisana fifanarahana. Zavatra mafy (vato na ivoara na hazo) nisy soratra na sary mivohitra sady mivadika ny tombo-kase fahiny. Ampiasaina amin’ny heviny an’ohatra koa ny tombo-kase mba hilazana zavatra tena izy, na ho famantarana hoe fananan’iza ny olona na zavatra iray, na hilazana zava-miafina na tsiambaratelo.—Ek 28:11; Ne 9:38; Ap 5:1; 9:4.

  • Tompon’andraiki-panjakana:

    Mpitantana ny raharaham-panjakana tany amin’ireo zanatany romanina. Andraikiny, ohatra, ny nitandro ny filaminana, nitantana ny volam-panjakana, nitsara an’ireo mpandika lalàna, ary nandidy ny hampiharana sazy.—As 16:20.

  • Tranolay fihaonana:

    Nilazana ny tranolain’i Mosesy sy ny tranolay masina, izay natsangana tany an-tany efitra.—Ek 33:7; 39:32.

  • Tranolay masina:

    Tranolay fivavahana azo nafindrafindra, nampiasain’ny Israely taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta. Tao amin’izy io ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, izay nampiseho hoe nanatrika teo izy. Tao no nanaovana sorona sy nanompoana an’Andriamanitra. Nantsoina hoe “tranolay fihaonana” koa izy io, indraindray. Takela-kazo natambatambatra no nanamboarana azy, ary norakofana lamba rongony nisy sarina kerobima natao peta-kofehy ilay izy. Nisy efitra roa izy io, ka ny iray nantsoina hoe ny Masina ary ny iray hoe ny Masina Indrindra. (Js 18:1; Ek 25:9)—Jereo F.F. B5.

  • Trompetra:

    Zavamaneno tsofina vita tamin’ny metaly, ary nampiasaina mba hanairana sy hanaovana mozika. Nanome toromarika i Jehovah ao amin’ny Nomery 10:2 hoe manamboara trompetra volafotsy roa. Nampiasaina izy ireny rehefa hiantso vahoaka sy rehefa hifindra lasy na koa rehefa handeha hiady. Mety ho trompetra mahitsy izy ireny, fa tsy mibiloka hoatran’ny “anjombona” vita tamin’ny tandroka. Nisy trompetra koa ny zavamaneno nampiasaina tao amin’ny tempoly, saingy tsy fantatra hoe hoatran’ny ahoana ny paoziny. Rehefa hanambara ny didim-pitsarany i Jehovah na misy zavatra miavaka hataony, dia matetika no lazaina hoe misy feona trompetra miaraka amin’ilay izy.—2Ta 29:26; Ezr 3:10; 1Ko 15:52; Ap 8:7–11:15.

  • Tsangambato:

    Vato lavalava ajoro ho fahatsiarovana, na vatolahy. Natao hahatsiarovana zavatra niavaka teo amin’ny tantara ny tsangambato sasany. Nampiasa tsangambato masina ny mpanompo sampy tamin’ny fivavahany. Nisy fotoana ny Israelita nanaraka an’izany fanaon’ny fivavahan-diso izany.—1Mp 14:23.

  • Tsangambato masina:

    Andry natsangana, izay vita amin’ny vato matetika. Sarina filahiana famantarana an’i Bala na an’ireo andriamani-diso hafa izy io.—Ek 23:24.

  • Tsato-kazo:

    Vatan-kazo mahitsy namantsihana olona. Nahanton’ny firenena sasany teo amin’ny tsato-kazo ny olona tiany hovonoina sady/na navelany teo ny fatiny, mba ho fampitandremana na mba hanalana baraka azy. Ny Asyrianina no tena nalaza ho feno habibiana rehefa niady. Nahanton’izy ireo teo amin’ny tendrona tsato-kazo maranitra ny olona azony babo. Notrobarany tamin’ilay hazo ilay olona, dia nataony nitsofoka tany amin’ny kibony mankany amin’ny tratrany ilay hazo. Tsy hoatr’izany kosa ny lalàna jiosy. Raha nisy olona meloka ho nanao heloka bevava mahatsiravina, toy ny hoe nanevateva an’Andriamanitra na nanompo sampy, dia novonoina aloha ilay olona. Notoraham-bato izy na novonoina tamin’ny fomba hafa. Ny fatiny avy eo no nahantona teo amin’ny tsato-kazo na hazo maniry, mba hampitandremana ny olon-kafa. (De 21:22, 23; 2Sa 21:6, 9) Ny an’ny Romanina indray nafatony teo amin’ny tsato-kazo fotsiny ilay olona, indraindray. Nijalijaly teo izy, nangetaheta, noana, ary nodanihin’ny masoandro, ka mety ho afaka andro maromaro vao maty. Indraindray koa nofantsihan’izy ireo teo amin’ny tsato-kazo ny tanana sy ny tongotr’ilay olona nomelohina, hoatran’ny nataon’izy ireo tamin’i Jesosy. (Lk 24:20; Jn 19:14-16; 20:25; As 2:23, 36)—Jereo HAZO FIJALIANA.

  • Tsato-kazo masina:

    Avy amin’ny teny hebreo (ʼasherah) ilazana 1) tsato-kazo masina famantarana an’i Aseraha, andriamanibavin’ny fahavokarana na fiterahana, nivavahan’ny Kananita, na 2) sarin’i Aseraha andriamanibavy. Toa nijoro nahitsy ireo tsato-kazo ireo, ary vita tamin’ny hazo izy manontolo na ny ampahany taminy. Vatan-kazo tsy natao sokitra angamba izy ireny, na hazo maniry mihitsy.—De 16:21; Mpts 6:26; 1Mp 15:13.

  • Tsinam-bolana:

    Andro voalohany amin’ny volana ao amin’ny kalandrie jiosy. Niara-nivory, nanao fety, ary nanolotra fanatitra manokana  ny Jiosy tamin’io fotoana io. Lasa fety lehibe nankalazain’ilay firenena io andro io, tatỳ aoriana, ary tsy niasa ny vahoaka tamin’io.—No 10:10; 2Ta 8:13; Kl 2:16.

V

  • Vadikely:

    Vehivavy nalaina ho vady ankoatra ny tena vady. Mpanompovavy izy io matetika.—Ek 21:8; 2Sa 5:13; 1Mp 11:3.

  • Valala:

    Bibikely mpifindra monina, manao andiany. Biby madio azo nohanina izy io, tamin’ny mbola narahina ny Lalàn’i Mosesy. Tena loza ho an’ny faritra iray rehefa nisy andiam-balala be dia be nandravarava sy nihinana an’izay rehetra nolalovany.—Ek 10:14; Mt 3:4.

  • Vanim-potoana alohan’ny faran’izao tontolo izao:

    Vanim-potoana alohan’ny hifaranan’ny tontolon’i Satana. Manatrika koa i Kristy mandritra an’io vanim-potoana io. “Hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny olo-marina” ny anjely tarihiny, ary handringana an’ireo ratsy fanahy. (Mt 13:40-42, 49) Tian’ny mpianatr’i Jesosy ho fantatra hoe rahoviana no ‘hifarana izao tontolo izao.’ (Mt 24:3) Nampanantena an’ireo mpianany izy, talohan’ny hiverenany tany an-danitra, fa hanohana azy ireo foana mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.—Mt 28:20.

  • Vaovao tsara:

    Ampiasaina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, mba hilazana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny vaovao tsaran’ny famonjena an’izay mino an’i Jesosy Kristy.—Lk 4:18, 43; As 5:42; Ap 14:6.

  • Vata misy ny fifanekena:

    Antsoina koa hoe Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona. Vata vita tamin’ny hazo akasia nopetahina takela-bolamena izy io. Notehirizina tao amin’ny Masina Indrindra, tao amin’ny tranolay masina, io Vata io, ary tao amin’ny Masina Indrindra, tao amin’ny tempoly naorin’i Solomona. Volamena ranofotsiny ny sarony, ary nisy kerobima roa nifanatrika teo amboniny. Ireo takela-bato roa nisy ny Didy Folo na ny Tenin’ny Vavolombelona no tena tao anatiny. (Ek 25:22; De 31:26; 1Mp 6:19; He 9:4)—Jereo F.F. B5 sy B8.

  • Vato fehizoro:

    Vato apetraka eo amin’ny zoron’ny trano aorina, eo amin’izay hihaonan’ny rindrina roa mba hampitambatra tsara an’ireo rindrina. Ny vato fehizoro natao fototra no vato fehizoro lehibe indrindra, ary izay vato mafy tsara matetika no nofidina hatao fototra rehefa nanorina tranom-panjakana sy mandan’ny tanàna. Nampiasaina io teny io mba hilazana ny fototry ny tany. Voalaza koa fa i Jesosy no ‘vato fehizoron’ny’ fiangonana kristianina, izay oharina amin’ny trano.—Ef 2:20; Jb 38:6.

  • Vato fikosoham-bary:

    Vato boribory roa mifanaingina, fikosehana voamadinika mba ho lasa lafarinina. Nisy hazokely teo afovoan’ilay vato ambany, dia iny no nihodinan’ilay vato ambony. Nampiasa vato fikosoham-bary nahodina tanana ny ankamaroan’ny fianakaviana fahiny, ary ny vehivavy no nanodina azy. Nila azy io ny fianakaviana vao nahavita mofo isan’andro. Tsy azo nalaina hatao antoka àry ny vato fikosoham-bary, na ilay vato amboniny fotsiny aza, araka ny Lalàn’i Mosesy. Ngeza kokoa ny vato fikosoham-bary sasany, ka biby no nanodina azy.—De 24:6; Mr 9:42.

  • Vatosanga:

    Fitoerana menaka manitra vita amin’ny vato fahita any akaikin’i Alabastron, any Ejipta. Kely ilay izy, ary matetika no natao kely koa ny tendany ka azo nohidiana tsara, amin’izay tsy mivoaka ny fofona mamerovero.—Mr 14:3.

  • Vidim-panavotana:

    Izay aloa mba hanafahana amin’ny fakana an-keriny, sazy, fijaliana, fahotana, na adidy. Tsy voatery ho vola ilay zavatra aloa. (Is 43:3) Nisy toe-javatra maromaro nitakiana vidim-panavotana. An’i Jehovah daholo, ohatra, ny lahy voalohan-teraka rehetra teo amin’ny Israely, na olona na biby. Raha tsy nampiasaina tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ireo, dia nisy vidim-panavotana tsy maintsy naloa. (No 3:45, 46; 18:15, 16) Raha nisy omby manoto nefa tsy nambenana ka nahafaty olona, dia nitakiana vidim-panavotana ny tompon’ilay omby mba hanavotany ny tenany, raha tsy izany dia novonoina ho faty izy. (Ek 21:29, 30) Tsy nisy vidim-panavotana azo nekena kosa ho an’izay ninia namono olona. (No 35:31) Ny tena asongadin’ny Baiboly dia ny vidim-panavotana naloan’i Kristy rehefa nanao sorona ny ainy izy, mba ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona mankatò.—Sl 49:7, 8; Mt 20:28; Ef 1:7.

  • Voady:

    Fampanantenana atao amin’Andriamanitra hoe hanao zavatra iray, hanolotra fanatitra na fanomezana, hanao fanompoana, na hifady zavatra sasany tsy voatery hoe ratsy. Zava-dehibe hoatran’ny hoe mianiana ihany ny mivoady.—No 6:2; Mpto 5:4; Mt 5:33.

  •  Voaloham-bokatra:

    Santatry ny vokatra avy amin’ny fotoam-pijinjana; ny vokatra voalohany amin’ny zavatra hafa. Nasain’i Jehovah nomen’ny firenen’Israely azy ny voaloham-bokatr’izy ireo, na olona izany na biby na vokatry ny tany. Nanolotra voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra ilay firenena tamin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay sy tamin’ny Pentekosta. Nilazana an’i Kristy sy ireo voahosotra mpanara-dia azy koa ny hoe “voaloham-bokatra.”—1Ko 15:23; No 15:21; Oh 3:9; Ap 14:4.

Z

  • Zanak’i Davida:

    Anarana niantsoana matetika an’i Jesosy, mba hanasongadinana fa izy ilay taranak’i Davida handova an’ilay Fanjakana, araka ilay fifanekena natao tamin’i Davida.—Mt 12:23; 21:9.

  • Zanak’olona:

    Teny miverina im-80 eo ho eo ao amin’ny Filazantsara. Ilazana an’i Jesosy Kristy izy io, ary midika fa tena lasa olombelona izy rehefa nateraka, fa tsy hoe anjely nitafy nofo. Hita amin’izany koa fa i Jesosy no hanatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 7:13, 14. Antsoina hoe “zanak’olona” i Ezekiela sy Daniela ao amin’ny Soratra Hebreo, mba hanasongadinana hoe mpitondra teny fotsiny izy ireo sady olona mety maty ihany, fa avy amin’Andriamanitra ilay hafatra nampitain’izy ireo.—Ezk 3:17; Da 8:17; Mt 19:28; 20:28.

  • Zavamaniry mangidy be:

    Zavamaniry samihafa misy tahony, izay mangidy be nefa mamoaka fofona manitra. Oharina amin’ny zavamaniry mangidy be ny vokatry ny fitondran-tena maloto, ny fanandevozana, ny tsy rariny, ary ny fivadiham-pinoana, ao amin’ny Baiboly. Lasa toy ny zava-pisotro mangidy misy poizina antsoina hoe abisainty ilay rano resahina ao amin’ny Apokalypsy 8:11.—De 29:18; Oh 5:4, f.a.p.; Je 9:15; Am 5:7, f.a.p.

  • Zava-miafina masina:

    Zavatra kasain’Andriamanitra hatao, izay tsy ampahafantariny raha tsy amin’ny fotoana mety aminy, ary izay olona tiany hahalala izany ihany no ampahafantariny azy.—Mr 4:11; Kl 1:26.

  • Zavatra azo babo:

    Zavatr’olona manokana na entana ao an-trano, biby fiompy, na zavatra hafa lafo vidy alaina amin’ny fahavalo rehefa resy izy ireo.—Js 7:21; 22:8; He 7:4.

  • Zeosy:

    Andriamanitra fara tampony tamin’ireo andriamanitra maro be nivavahan’ny Grika. Noheverin’ny olona tany Lystra fa i Zeosy i Barnabasy. Miresaka momba ny “mpisoron’i Zeosy” sy “Zeosy andriamanitra masoandro” ny soratra fahiny, hita tany akaikin’i Lystra. Nisy marika hoe “Zanakalahin’i Zeosy” teo amin’ny lohan’ny sambo nandehanan’i Paoly, tamin’izy avy any amin’ny nosy Malta. I Castor sy Pollux kambana mirahalahy ireo zanak’i Zeosy ireo.—As 14:12; 28:11.

  • Zioga:

    Hazo lavalava atao eo an-tsoroky ny olona, ka ny tendrony roa no asiana entana holanjaina. Bao no iantsoana azy io matetika. Antsoina hoe “zioga” koa ny hazo lavalava atao eo amin’ny vozon’ny biby (matetika omby) roa mitarika sarety na fitaovam-pambolena. Nitondra zioga matetika ny andevo mba hitondrana entana mavesatra. Noharina tamin’ny zioga àry ny fanandevozana na ny fanekena ny fahefan’ny olona iray, ary ny tsindry hazo lena sy ny fampahoriana. Nesorina na notapahina ny ziogan’ny olona iray, rehefa nafahana izy na tsy nampahorina sy tsy nohararaotina intsony.—Le 26:13; Mt 11:29, 30.

  • Ziona; Tendrombohitra Ziona:

    Tanàna voaro mafy nisy ny Jebosita, ary nantsoina hoe Jebosa. Teo amin’ny ilany atsimoatsinanana amin’ny havoanan’i Jerosalema no nisy azy io. Naorin’i Davida teo ny lapany rehefa azony ilay tanàna, ary nantsoiny hoe “Tanànan’i Davida” izy io. (2Sa 5:7, 9) Lasa masina tamin’i Jehovah ny tendrombohitra Ziona, rehefa nafindran’i Davida tany ny Vata Masina. Lasa nantsoina hoe “Ziona” koa ny faritra nisy tempoly teo amin’ny Tendrombohitra Moria, tatỳ aoriana, ary ny tanànan’i Jerosalema manontolo mihitsy aza indraindray. Manana heviny an’ohatra io teny io matetika ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.—Sl 2:6; 1Pe 2:6; Ap 14:1.

  • Ziva:

    Volana faharoa tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, fa volana fahavalo kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny tapaky ny Aprily ka hatramin’ny tapaky ny Mey izy io. Lasa nantsoina hoe Iara io volana io tao amin’ny Talmoda jiosy sy tao amin’ny asa soratra hafa, taorian’ny sesitany tany Babylona. (1Mp 6:37)—Jereo F.F. B15.

  • Zozoro:

    Zavamaniry telo rirana maniry any anaty rano. Fanaovana harona sy sobika ary lakana, ohatra, ny zozoro. Nanamboarana zavatra azo anoratana mitovy amin’ny taratasy koa izy io, ary nanaovana horonam-boky papyrus.Ek 2:3.