Nosoratan’i Matio 3:1-17
3 Tatỳ aoriana, dia tonga nitory+ tany an-tany efitr’i Jodia i Jaona+ Mpanao Batisa.
2 Hoy izy: “Mibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”+
3 Izy, raha ny marina, ilay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany+ hoe: “Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah!* Ataovy mahitsy ny lalany.’”+
4 Nanao akanjo volon-drameva sy fehikibo hoditra+ i Jaona. Valala sy tantelidia* no sakafony.+
5 Dia nivoaka hihaino an’i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran’i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana.+
6 Nataony batisa* tao amin’ny Reniranon’i Jordana+ izy ireo sady niaiky ny fahotany teo imason’ny olona.
7 Nahita Fariseo sy Sadoseo+ be dia be nankeo amin’ilay toerana nanaovany batisa i Jaona, ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Ry taranaky ny bibilava misy poizina,+ iza no nampitandrina anareo mba tsy hiharan’ny* fahatezerana ho avy?+
8 Asehoy amin’ny ataonareo àry fa mibebaka ianareo.*
9 Sao mantsy ianareo mieritreritra hoe: ‘I Abrahama no Rainay.’+ Fa lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manova an’iretsy vato iretsy ho lasa zanak’i Abrahama.
10 Efa mipetraka eo am-pototry ny hazo sahady ny famaky. Hokapaina àry izay hazo tsy mamoa voa tsara, ka hatsipy ao anaty afo.+
11 Izaho manao batisa anareo amin’ny rano satria mibebaka ianareo.+ Ilay ho avy ao aorianako anefa mahery noho izaho, ka tsy mendrika hanala ny kapany akory aza aho.+ Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina+ sy amin’ny afo.+
12 Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana, ka hodioviny tanteraka ny famoloany. Dia hangoniny ao an-trano fitehirizana ny vary, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo+ tsy mety maty.”
13 Niala tany Galilia i Jesosy avy eo, ka nankeo amin’i Jaona teo amoron’i Jordana mba hataony batisa.+
14 Nitady hisakana azy anefa i Jaona ka niteny hoe: “Izaho no tokony hataonao batisa, dia ianao indray ve no mankatỳ amiko?”
15 Hoy i Jesosy taminy: “Ataovy ihany aloha, fa izany no ahafahantsika manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra* rehetra.” Dia tsy nisakana azy intsony i Jaona.
16 Raha vao vita batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao anaty rano. Ary nisokatra ny lanitra,+ ka hitan’i Jaona nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra.+
17 Dia nisy feo koa avy any an-danitra+ niteny hoe: “Io no Zanako malalako,+ ilay ankasitrahako.”+
Fanamarihana
^ Mamin-tantely ilay resahina eto fa tsy ilay bibikely.
^ Na: “Narobony; Natsobony; Nalentiny.”
^ Na: “mba handositra ny.”
^ Abt: “Mamoaza voa mendrika ny fibebahana.”
^ Na: “izay marina.”