FANONTANIANA 13

Inona ny Torohevitry ny Baiboly Momba ny Asa?

“Mahita olona mahay tsara ny asany ve ianao? Hijoro eo anatrehan’ny mpanjaka izy, fa tsy hijoro eo anatrehan’ny olon-tsotra.”

Ohabolana 22:29

“Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa tokony hiasa mafy kosa izy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara, mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.”

Efesianina 4:28

“Tokony hihinana sy hisotro ary hankafy ny asa mafy rehetra ataony daholo ny olona. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.”

Mpitoriteny 3:13