Asainay Ianao
Fahasambarana Mandrakizay
Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah 2026
Tsy misy vidim-pidirana • Tsy misy rakitra
Hevitra Hisongadina
Zoma: Hiresaka an’izay lazain’ny Soratra Masina ka manaporofo hoe tian’Andriamanitra sy Jesosy Zanany ho sambatra ianao.
Asabotsy: Hanasongadina hoe afaka ny ho sambatra mandrakizay ianao raha mandinika an’ilay toriteny nataon’i Jesosy teo an-tendrombohitra.
Alahady: Hazavain’ilay lahateny hoe “Efa Nahita An’ilay Harena ve Ianao?” fa nanampy olona an-tapitrisa ho sambatra kokoa ny Baiboly.
Tantara
Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy: Fizarana 4-6
Ho hitantsika hoe nampianatra ny vahoaka sy nanasitrana ary nanangana ny maty i Jesosy. Hijery fizarana iray amin’io tantara tsara be io isika amin’ny andro tsirairay amin’ilay fivoriambe.
Ao amin’ny jw.org ny fandaharana manontolo sy ireto video ireto:
Hoatran’ny Ahoana ny Fivoriambenay?
Jereo hoe hoatran’ny ahoana ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Jereo ato izay ho hitantsika amin’ny fivoriambe amin’ity taona ity.
Ahoana no nanampian’i Jesosy ny hafa?
Jereo ato ireo fizarana efa navoaka tamin’ny fivoriambe teo aloha.

