Asainay Ianao

Fivavahana Madio

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah 2025

Mitadiava Toerana Akaiky Anao

Tsy misy vidim-pidirana Tsy misy rakitra

Hevitra Hisongadina

Zoma: Hisy video maromaro mampiseho hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana tany amin’ilay toerana nisy an’i Jesosy sy nanaovany fanompoana.

Asabotsy: Horesahina amin’io hoe nanatanteraka faminaniana nosoratana taloha ela be ny fanompoan’i Jesosy.

Alahady: Horesahina amin’ilay lahateny hoe “Mivavaka Amin’izay Fantatrao ve Ianao?” fa tena zava-dehibe ny zavatra inoantsika, ary ahoana no ahitana ny marina.

Tantara

Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy: Fizarana 2 sy 3

Lasa Mesia na Kristy i Jesosy rehefa natao batisa. Nandritra an’ireo volana vitsivitsy taorian’izay, dia nalain’ny Devoly fanahy izy, nanangona ny mpianany, ary nanao ny fahagagana voalohany. Ho hitanao any ireo rehetra ireo sy ny tsipiriany hafa, rehefa mijery ny ampahany haseho isan’andro mandritra an’ilay fivoriambe ianao.

Ao amin’ny jw.org ny fandaharana manontolo sy ireto video ireto:

Hoatran’ny Ahoana ny Fivoriambenay?

Jereo hoe hoatran’ny ahoana ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah 2025: “Fivavahana Madio”

Jereo ato izay ho hitantsika amin’ny fivoriambe amin’ity taona ity.

Ny Tantaran’ny Fanompoan’i Jesosy: Ampahany

Vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy Kristy, dia nanenjika azy ny olona sy ny Devoly ary ny demonia. Hivadika ve izy?