Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

JW Library

Ny JW Library dia programa ofisialy noforonin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy Baiboly dikan-teny maromaro ao, ary misy boky sy bokikely fianarana Baiboly.

 

Baiboly

  • Mifidiana Baiboly amin’ireo fandikan-teny samihafa.

  • Tsindrio eo amin’ny andinin-teny iray, dia ho afaka hampitaha an’ireo dikan-teny misy ianao.

  • Tsindrio ny sary kely mampiseho ny fanamarihana ambany pejy, na ny litera manondro andininy hafa, dia hipoitra izy ireo.

 

Fijerena Boky

  • Akisaho miankavanana na miankavia ny efijerinao, raha te hahita haingana ny ao anatin’ny boky na zavatra hafa jerenao ianao.

  • Asio mari-pitadidiana izay toko na andininy tianao, dia ho tafaverina haingana eo amin’izay nijanonanao ianao.

  • Ampiasao ilay hoe “Ireo Nojerena” mba hahitana haingana an’izay nojerenao faramparany.

  • Ampiasao ny fikarohana mba hahitana teny na fitambaran-teny ao amin’ny boky sokafanao.

 

Amin’ny Hoavy

  • Manoritra teny rehefa mianatra

  • Mahazaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Baiboly Fianarana)

  • Manoratra fanamarihana rehefa mianatra

  • Fizarana vaovao hoe Fivoriana, mba hahitana haingana ny zavatra hodinihina any am-pivoriana