Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Hampiasa Ireo Nojerena: iOS

Hampiasa Ireo Nojerena: iOS

Manao lisitra an’izay lahatsoratra na toko ao amin’ny Baiboly novakinao ny JW Library. Manampy anao, ohatra, izany mba hahita an’izay andinin-teny avy novakinao.

Araho ireto toromarika ireto:

 Hiverina amin’ireo nojerena

Tsindrio elaela ilay hoe Baiboly mba hahitanao ny lisitr’ireo andinin-teny novakinao. Tsindrio avy eo izay andinin-teny tianao hojerena amin’ilay lisitra.

Tsindrio elaela ilay hoe Zavatra Misy mba hahitanao ny lisitr’ireo lahatsoratra novakinao. Tsindrio avy eo izay lahatsoratra tianao hojerena amin’ilay lisitra.

 Hamafa an’ireo nojerena

Tsindrio elaela ilay hoe Baiboly na Zavatra Misy, dia hiseho ny lisitr’ireo andinin-teny na lahatsoratra novakinao. Tsindrio avy eo ilay hoe Hamafa, raha tianao hofafana daholo ny ao anatin’ilay lisitra.

Tao amin’ilay JW Library 1.2 nivoaka tamin’ny Mey 2014 no nisy an’ireo zava-baovao ireo. Mandeha tsara amin’ny iOS 6.0 na vao haingana izy ireo. Raha tsy mahita an’ireo zava-baovao ireo ianao, dia jereo ilay hoe “Hampiasa JW Library: iOS”, ao amin’ilay hoe Fanavaozana farany.