Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW Library Sign Language

JW Library Sign Language

Programa ofisialy noforonin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny JW Library Sign Language. Azo alaina sy alamina ary jerena ao ny video tenin’ny tanana avy ao amin’ny jw.org.

 

Zava-baovao

Oktobra 2022 (JW Library Sign Language 5)

  • Mora hita avy eo amin’ny pejy Fandraisana ny zavatra ilaina amin’ny fivoriana isan-kerinandro, ny Fitaovana Fampianarana, ilay hoe Inona ny Vaovao?, ary ny zavatra hafa ao amin’ny Internet.

Jolay 2022 (JW Library Sign Language 4.6)

  • Lasa manampy kokoa hahita ny fizarana samihafa ao amin’ny boky sy gazety ilay hoe Loha Hevitra, ohatra hoe ilay ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

Janoary 2022 (JW Library Sign Language 4.5)

  • Azo atao ny mizara ny rohin’ny boky sy gazety, andinin-teny, ary video. Rehefa voarain’ilay olona andefasana azy ilay izy, dia tonga dia azony sokafana ao amin’ny JW Library Sign Language.

  • Azo atao ny mizara video efa nalaina.

  • Azo halehibeazina amin’ny alalan’ny fihetsika amin’ny tanana ny sary nampidirina ao anaty lisitra.

  • Azo atao ny mampiditra sary na video maromaro indray miaraka ao anaty lisitra.

 

Hitsitsy Toerana Fitehirizana ao Amin’ny Fitaovanao

Ahoana no hampiasanao tsara ny toerana fitehirizana anananao?

Hampiasa Lisitra

Afaka mampiditra video ianao, na manapaka video, na manamboamboatra an’ilay lisitra.

Hitsin-dalana Fandefasana Video

Mampiasà fihetsika amin’ny efijery “tactile” na hitsin-dalana amin’ny klavie mba hanaovana zavatra mahazatra.

Hampiditra JW Library Sign Language Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa—Android

Raha tsy afaka mampiditra JW Library Sign Language avy ao amin’ny toerana fakana programa ianao, dia afaka maka rakitra APK ary mampiditra azy amin’ilay fitaovana ampiasainao.

Hampiditra JW Library Sign Language Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa​—Windows

Azonao atao ny mampiditra JW Library Sign Language amin’ny fitaovana Windows na dia tsy tafiditra amin’ny toerana ofisialy fakana programa aza ianao. Afaka mampiasa ny rakitra JW Library Sign Language APK ianao mba hampidirana azy.

JW Library Sign Language: Fanontaniana Fametraky ny Olona

Jereo ato ny valin’ny fanontaniana fametraky ny olona.