Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Jesosy
Talata 4 Aprily 2023
Mahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah, indray mandeha isan-taona. Nandidy mantsy i Jesosy hoe: “Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”—Lioka 22:19.
Fanontaniana Fametraky ny Olona
Adiny firy ilay fandaharana?
Adiny iray eo ho eo.
Hoatran’ny ahoana ny fizotran’ilay Fahatsiarovana?
Atomboka sy faranana amin’ny hira sy vavaka ilay fivoriana ary Vavolombelon’i Jehovah iray no hanao ny vavaka. Lahateny na toriteny iray no tena hisongadina amin’ilay Fahatsiarovana. Horesahina amin’ilay lahateny hoe nahoana no zava-dehibe ny nahafatesan’i Jesosy, ary inona no azontsika atao mba hahafahantsika mandray soa avy amin’izay nataon’Andriamanitra sy Kristy ho antsika.
Raha mila tsipiriany fanampiny, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Nahoana no Tsy Mitovy Amin’ny An’ny Fivavahana Hafa ny Fomba Ankalazan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sakafo Harivan’ny Tompo?”