Hijery ny anatiny

Fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

Fantaro ny fivorianay. Jereo izay toeram-pivoriana akaiky anao.

Mitadiava Toerana Akaiky Anao (manokatra rohy)

Inona no Atao any Amin’ny Fivorianay?

Manao fivoriana ara-pivavahana indroa isan-kerinandro ny Vavolombelon’i Jehovah. (Hebreo 10:24, 25) Mandinika an’izay ampianarin’ny Baiboly sy ny fomba ampiharana an’izany eo amin’ny fiainanay izahay, amin’ireny fivoriana ireny ary azon’ny rehetra atrehina izany.

Afaka mandray anjara ny mpanatrika amin’ny ankamaroan’ny fandaharana, toy ireny any am-pianarana ireny. Atomboka sy faranana amin’ny hira sy vavaka ireo fivoriana.

Afaka manatrika ny fivorianay ianao na tsy Vavolombelon’i Jehovah aza. Ny olon-drehetra no asainay ary tsy misy vidim-pidirana na fanantazan-drakitra.