Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

B1

Ny Hevi-dehibe ao Amin’ny Baiboly

I Jehovah no manan-jo hitondra, ary ny fitondrany no tsara indrindra. Tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona.

Taorian’ny 4026 T.K.

Nendrikendrehin’ilay “menarana” i Jehovah hoe tsy mahay mitondra sady tsy manan-jo hitondra. Nampanantena àry i Jehovah fa hisy ‘taranaka’ hanorotoro an’ilay menarana na i Satana. (Genesisy 3:1-5, 15) Navelan’i Jehovah anefa aloha ny olombelona hitondra ny fiainany sy hobaikoin’i Satana.

1943 T.K.

Niteny tamin’i Abrahama i Jehovah fa izy no ho razamben’ilay ‘taranaka’ nampanantenaina.—Genesisy 22:18.

Taorian’ny 1070 T.K.

Nanome toky an’i Davida Mpanjaka sy Solomona zanany i Jehovah fa ho avy amin’izy ireo ilay ‘taranaka’ nampanantenaina.—2 Samoela 7:12, 16; 1 Mpanjaka 9:3-5; Isaia 9:6, 7.

29 A.K.

Nampahafantarin’i Jehovah fa i Jesosy ilay ‘taranaka’ nampanantenaina, izay handova ny seza fiandrianan’i Davida.—Galatianina 3:16; Lioka 1:31-33; 3:21, 22.

33 A.K.

Toy ny nandratra vetivety an’ilay ‘taranaka’ nampanantenaina ilay menarana na i Satana rehefa nataony izay hamonoana an’i Jesosy. Natsangan’i Jehovah anefa izy ary niakatra tany an-danitra. Neken’i Jehovah ny vidin’ny aina lavorary natolony, ka afaka mahazo famelan-keloka sy fiainana mandrakizay ny taranak’i Adama.—Genesisy 3:15; Asan’ny Apostoly 2:32-36; 1 Korintianina 15:21, 22.

1914 A.K. tany ho any

Natsipin’i Jesosy tetỳ an-tany ilay menarana na i Satana, ka navelany ho etỳ mandritra ny fotoana fohy.—Apokalypsy 12:7-9, 12.

Amin’ny hoavy

Hogadrain’i Jesosy 1 000 taona i Satana ary horinganiny avy eo ka toy ny hoe hotorotoroiny ny lohany. Ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olombelona. Ho voaporofo koa fa izy no mahay mitondra ary tsy hisy hanaratsy intsony ny anarany. —Apokalypsy 20:1-3, 10; 21:3, 4.