FANONTANIANA 20
Tianao ve ny Handray Soa Rehefa Mamaky Baiboly
SAINTSAINO IRETO ISAKY NY MAMAKY BAIBOLY IANAO:
Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah Andriamanitra?
Inona no ifandraisan’ity vakiko ity amin’ny hevi-dehibe lazain’ny Baiboly?
Ahoana no hampiharako azy ity eo amin’ny fiainako?
Ahoana no azoko ampiasana an’ireto andinin-teny ireto mba hanampiana ny hafa?
“Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.”