Korintianina Voalohany 6:1-20

  • Kristianina mifampitory eny amin’ny fitsarana (1-8)

  • Ireo tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra (9-11)

  • Ampiasao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny vatanareo (12-20)

    • “Andosiro ny fijangajangana!” (18)

6  Raha misy aminareo tsy mifanaraka,+ dia ho sahin’ilay iray ve ny hitory an’ilay iray any amin’ny fitsarana, eo anatrehan’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina?  Sa tsy fantatrareo fa hitsara an’izao tontolo izao ny olona masina?+ Koa raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, tsy ho hainareo koa ve ny hitsara raharaha tena madinika?  Tsy fantatrareo angaha fa hitsara anjely+ isika? Koa nahoana isika no tsy hitsara raharaha momba an’izao fiainana izao?  Koa raha misy raharaha momba an’izao fiainana izao tokony hotsaraina,+ dia lehilahy ataon’ny fiangonana tsinontsinona ve no fidinareo ho mpitsara?  Ny hampahamenatra anareo no ilazako an’izany. Tsy misy lehilahy hendry ve eo aminareo, na iray aza, afaka mitsara ny adin’ireo rahalahiny?  Mifampitory any amin’ny fitsarana anefa ireo rahalahy, sady amin’izay indray eo anatrehan’ny tsy mpino!  Raha ny marina, dia efa resy sahady ianareo rehefa mifampitory. Tsy aleo ve manaiky hiharan’ny tsy rariny?+ Tsy aleo ve manaiky hambakaina?  Ianareo indray anefa no manao ny tsy rariny sy manambaka, sady amin’izay indray ny rahalahinareo ihany no anaovanareo an’izany!  Sa tsy fantatrareo fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina?+ Aza manaiky ho voafitaka* ianareo. Fa ny mpijangajanga,*+ ny mpanompo sampy,+ ny mpanitsakitsa-bady,+ ny lehilahy manaiky hanaovan’ny lehilahy firaisana,+ ny lehilahy miray amin’ny lehilahy,*+ 10  ny mpangalatra, ny olona manana faniriana tsy mety afa-po,+ ny mamo lava,+ ny mpanevateva,* ary ny mpanao an-keriny, dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra.+ 11  Efa hoatr’izany ihany ny sasany taminareo taloha, nefa efa voasasa madio tsara+ ianareo, efa nohamasinina,+ ary efa nambara hoe olo-marina+ tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny fanahin’ny Andriamanitsika. 12  Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa.+ Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy havelako hisy na inona na inona hifehy ahy.* 13  Ny sakafo dia natao ho an’ny kibo, ary ny kibo ho an’ny sakafo, nefa samy hofoanan’Andriamanitra izy roa ireo.+ Ary ny vatana dia tsy natao ho an’ny fijangajangana,* fa ho an’ny Tompo,+ ary ny Tompo ho an’ny vatana. 14  Efa natsangan’Andriamanitra anefa ny Tompo+ ary hanangana antsika amin’ny maty koa izy,+ amin’ny alalan’ny heriny.+ 15  Tsy fantatrareo angaha fa rantsambatan’i Kristy ny vatanareo?+ Koa ny rantsambatan’i Kristy ve no halaiko dia hakambako amin’ny mpivaro-tena? Sanatria izany! 16  Tsy fantatrareo angaha fa izay miray amin’ny mpivaro-tena dia vatana iray aminy? Niteny mantsy Andriamanitra hoe: “Ho nofo iray ihany izy roa.”+ 17  Fa izay tafaray amin’ny Tompo kosa dia iray saina aminy.+ 18  Andosiro ny fijangajangana!*+ Izay fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin’ny vatany ihany.+ 19  Tsy fantatrareo angaha fa ny vatanareo no tempolin’ilay+ fanahy masina ao anatinareo sy azonareo avy amin’Andriamanitra?+ Ary tsy anareo intsony koa ny tenanareo,+ 20  fa efa voavidy ianareo.+ Koa ampiasao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra+ ny vatanareo.+

Fanamarihana

Na: “Aza mamita-tena.”
Na: “lehilahy manao firaisana amin’ny lehilahy.”
Na: “mpaniratsira.”
Na: “hanana fahefana amiko; hanandevo ahy.”
Grika: pôrneia. Jereo F.T.
Grika: pôrneia. Jereo F.T.