Timoty Voalohany 5:1-25

  • Ny fomba itondrana ny tanora sy ny zokiolona (1, 2)

  • Fanampiana ny mpitondratena (3-16)

    • Manome izay ilain’ny ankohonana (8)

  • Hajao ny anti-panahy miasa mafy (17-25)

    • “Divay kely, noho ny vavoninao” (23)

5  Aza dia kianina mafy loatra ny lehilahy zokiolona,+ fa iangavio toy ny ray. Ary ny lehilahy tanora iangavio toy ny rahalahy,  ny vehivavy zokiolona toy ny reny, ary ny vehivavy tanora toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.  Karakarao* ny vehivavy mpitondratena, izay tena mpitondratena.*+  Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, dia ireo aloha no tokony hianatra haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ka hikarakara ny ankohonany,+ ary hamaly babena an’ireo ray aman-dreniny sy ny dadabe sy bebeny.+ Ankasitrahana eo imason’Andriamanitra mantsy izany.+  Fa izay vehivavy tena mpitondratena sady tsy manana na inona na inona, dia manantena an’Andriamanitra+ ka mitalaho sy mivavaka foana, na andro na alina.+  Izay mpitondratena manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny nofo kosa, dia efa maty na dia mbola velona aza.  Resaho amin’izy ireo foana àry ireo toromarika* ireo, mba tsy hisy hokianina izy ireo.  Ary raha misy tsy manome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.+  Tokony hampidirina ao amin’ny lisitry ny vehivavy mpitondratena izay maty vady, raha toa izy ka 60 taona no ho miakatra, nanambady tokana, 10  malaza ho nanao asa tsara,+ ohatra hoe nitaiza tsara an’ireo zanany,+ tia nandray vahiny,+ nanasa ny tongotry ny olona masina,+ nanampy olona nijaly,+ ary nazoto tamin’ny asa tsara rehetra. 11  Aza ampidirina ao amin’ilay lisitra kosa ny vehivavy mpitondratena tanora, satria te hanambady izy ireny rehefa manakantsakana ny fifandraisany amin’i Kristy ny faniriany hanao firaisana. 12  Dia homelohina izy ireny, satria tsy notanterahiny ny fampanantenany tamin’ny voalohany.* 13  Lasa zatra tsy manao na inona na inona koa izy ireny, ka mitety tranon’olona. Tsy vitan’ny hoe tsy manao na inona na inona izy ireny, fa mpifosafosa sy midikiditra amin’ny fiainan’olona+ koa, ka miresaka zavatra tsy tokony horesahiny. 14  Tiako hanambady àry ny vehivavy mpitondratena tanora,+ ka hiteraka+ sy hitondra tokantrano, amin’izay tsy hahita hirika hanakianana antsika ny mpanohitra. 15  Efa nisy mpitondratena nivily lalana, raha ny marina, ka lasa nanaraka an’i Satana. 16  Raha misy vehivavy mpino manana havana mpitondratena, dia izy no hanampy azy ireo mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fiangonana izy ireo. Amin’izay dia ho afaka hanampy an’ireo tena mpitondratena*+ ny fiangonana. 17  Aoka hatao mendrika hahazo fanajana avo roa heny+ ny anti-panahy mahay mitondra,+ indrindra fa izay mikely aina amin’ny firesahana ny tenin’Andriamanitra sy amin’ny fampianarana.+ 18  Milaza mantsy ny Soratra Masina hoe: “Aza asiana fehivava ny omby miasa* eny am-pamoloana”,+ sy hoe: “Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.”+ 19  Aza ekena izay zavatra iampangana ny anti-panahy, raha tsy misy porofo avy amin’ny vavolombelona roa na telo.+ 20  Anaro+ eo imason’ny rehetra ny olona zatra manota,+ mba hampitandremana* ny sisa. 21  Mampirisika mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy aho, mba hanaraka an’ireo toromarika ireo ary tsy hitsara an-tendrony na hiangatra+ mihitsy rehefa manao an’izany. 22  Aza maika hametra-tanana amin’iza na iza.*+ Ary aza miray tsikombakomba amin’olona amin’izay fahotana ataony. Miezaha foana hadio fitondran-tena. 23  Aza misotro rano intsony* fa misotroa divay kely, noho ny vavoninao sy noho ianao tsy salama matetika. 24  Fantatry ny rehetra ny fahotan’ny olona sasany, ka avy hatrany dia tsaraina izy. Ny an’ny sasany kosa any aoriana vao miharihary.+ 25  Fantatry ny rehetra koa ny asa tsara,+ ary na izay tsy misy mahafantatra aza dia tsy ho azo afenina foana.+

Fanamarihana

Abt: “Omeo voninahitra.”
Na: “mpitondratena tena sahirana”, izany hoe tsy misy mamelona.
Na: “didy.”
Na: “ny teniny tamin’ny voalohany momba ny finoany.”
Na: “mpitondratena tena sahirana”, izany hoe tsy misy mamelona.
Na: “manosihosy varimbazaha.”
Abt: “hatahotra.”
Izany hoe tsy maimaika hanendry olona hiantsoroka andraikitra.
Na: “Aza rano fotsiny no sotroina.”