Isaia 64:1-12

  • Vavaka ho fibebahana: Tohiny (1-12)

    • I Jehovah no “Mpanefy anay” (8)

64  Raha mba norovitinao mantsy ny lanitra ka nidina ianao,Dia hihovotrovotra eo anatrehanao ny tendrombohitra,   Hoatran’ny afo mandoro kirihitra,Sy hoatran’ny afo mampangotraka rano,Dia ho fantatry ny fahavalonao ny anaranao,Ka hangovitra eo anatrehanao ny firenena.   Rehefa nanao zavatra mahatalanjona ianao, zavatra tsy sahinay nantenaina akory,+Dia nidina ianao, ary nihovotrovotra teo anatrehanao ny tendrombohitra.+   Efa hatramin’ny taloha no tsy nisy naheno na nandre,Na nahita Andriamanitra ankoatra anao,Dia ilay Andriamanitra manao zavatra ho an’izay manantena* azy foana.+   Tsenainao izay faly manao ny tsara,+Dia izay mahatsiaro anao ka manaraka ny lalanao. Tezitra ianao rehefa nanota foana izahay.+Nanota nandritra ny fotoana ela be mantsy izahay. Dia ho voavonjy ve izahay izao?   Lasa hoatran’ny olona maloto daholo izahay,Ary toy ny akanjo voaloton’ny fadimbolana+ ny tsara rehetra vitanay. Halazo hoatran’ny ravinkazo izahay rehetra,Ary hipaoka anay toy ny rivotra ny fahadisoanay.   Tsy mba misy olona miantso ny anaranao,Sady tsy mba misy miezaka ny hifikitra aminao.Fa afeninao tsy ho hitanay ny tarehinao,+Ary ataonao lasa reraka* izahay noho ny* fahadisoanay.   Ianao anefa izao no Rainay, Jehovah ô!+ Tanimanga izahay, ary ianao no Mpanefy anay.*+Asan’ny tananao daholo izahay.   Aza tezitra be loatra, Jehovah ô,+Ary aza tsaroana mandrakizay ny fahadisoanay. Mba jereo izahay fa vahoakanao daholo ange izahay e! 10  Lasa tany efitra ireo tanànanao masina. Lasa tany efitra koa i Ziona,Ary lasa ngazana i Jerosalema.+ 11  Masina sady be voninahitra* ilay tranonay,*Dia tao ny razambenay no nidera anao.Kilan’ny afo+ anefa ilay izy,Ary ravarava ny zava-drehetra tianay. 12  Dia mbola tsy hanao zavatra ihany ve ianao, Jehovah ô? Mbola hangina ihany ve ianao ka hamela anay hijaly be hoatr’izao?+

Fanamarihana

Na: “maharitra miandry.”
Abt: “mitsonika.”
Abt: “eo an-tanan’ny.”
Na: “ianao Ilay nanamboatra anay.”
Na: “tsara tarehy.”
Na: “tempolinay.”