Salamo 74:1-23

  • Vavaka atao mba hotsaroan’i Jehovah ny vahoakany

    • Mahatsiaro ny asa famonjena nataon’Andriamanitra (12-17)

    • “Tadidio ny esoeson’ny fahavalo” (18)

Maskila* nataon’i Asafa.+ 74  Nahoana no dia nolavinao mandrakizay izahay, Andriamanitra ô?+ Nahoana ianao no tezitra be* amin’ny ondry ao amin’ny kijananao?+   Tsarovy ilay vahoaka* efa nofidinao hatry ny ela,+Dia ilay foko navotanao ho lovanao.+ Tsarovy ny Tendrombohitra Ziona, ilay toerana ipetrahanao.+   Mankanesa any amin’ilay toerana rava tanteraka.+ Nosimban’ny fahavalo ny zava-drehetra tao amin’ny toerana masina.+   Nierona tao amin’ny toerana fihaonana aminao ny fahavalonao.+ Natsangan’izy ireo tao ny saina keliny, mba ho famantarana.   Toy ny olona manainga famaky hikapa ala mikitroka izy ireo.   Nopotipotehiny tamin’ny famaky sy bara vy daholo ny asa sokitra+ tao.   Nodoran’izy ireo ny toeranao masina,+ Nozimbazimbainy ny tranolay mitondra ny anaranao ka natsipiny tamin’ny tany.   Samy miteny any am-pony any izy ireo sy ny zanany hoe: “Hodorana daholo izay toerana fihaonana* amin’Andriamanitra, eto amin’ity tany ity.”   Tsy mahita an’ireo famantarana natao ho anay intsony izahay;Tsy misy mpaminany intsony koa,Ary tsy misy aminay mahalala hoe haharitra hafiriana izany. 10  Andriamanitra ô, mandra-pahoviana no mbola haneso anao ny mpanohitra anao?+ Tsy hanaja ny anaranao mandrakizay ve ny fahavalo?+ 11  Nahoana no ahemotrao indray ny tananao, dia ny tananao ankavanana?+ Avoahy avy ao an-tratranao* ny tananao, dia aringano izy ireo. 12  Andriamanitra anefa no Mpanjakako efa hatry ny ela be;Izy ilay manao asa famonjena eto an-tany.+ 13  Nataonao nisamboaravoara ny ranomasina noho ny herinao;+Nopotipotehinao ny lohan’ny biby ngezabe any an-dranomasina. 14  Notorotoroinao ny lohan’ny Leviatana;*Nomenao hohanin’ny olona monina any an-tany efitra izy. 15  Nanokatra lalana hivoahan’ny loharano sy ny renirano ianao,+Ary nataonao ritra ny renirano tsy mbola ritra mihitsy.+ 16  Anao ny andro, ary anao koa ny alina. Namorona ny hazavana sy ny masoandro ianao.+ 17  Nasianao fetrany ny faritra rehetra eto an-tany,+Ary nanao ny fahavaratra sy ny ririnina ianao.+ 18  Tadidio ny esoeson’ny fahavalo, Jehovah ô!Tena tsy manaja ny anaranao+ ny olona adala! 19  Aza omena ny bibidia ny ain’ny domohinanao, Ary aza hadinoina mandrakizay ny ain’ny vahoakanao mijaly. 20  Tsarovy ilay fifanekena,Fa lasa anjakan’ny herisetra ny toerana maizina eto an-tany. 21  Enga anie izay ampahorina mba tsy ho diso fanantenana+ rehefa lasa;Hidera ny anaranao+ anie ny madinika sy ny mahantra! 22  Mitsangàna, Andriamanitra ô, aoka ianao hiaro tena eny amin’ny fitsarana. Tsarovy fa manesoeso anao tontolo andro+ ny olona adala. 23  Aza hadinoina izay lazain’ny fahavalonao. Miakatra tsy an-kiato ny tabataban’ireo mila ady aminao.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “ny hatezeranao no manetroka.”
Abt: “ny fiangonanao.”
Na: “fivavahana.”
Na: “anaty akanjonao.”
Jereo F.T.