Asan’ny Apostoly 21:1-40
21 Tena nalaina hisaraka izahay nefa tsy maintsy nandeha. Naka sambo izahay dia nanitsy nankany Kosy, ary ny ampitso kosa nankany Rodo. Niala tao indray izahay, dia nankany Patara.
2 Nahita sambo ho any Fenisia izahay ka niakatra tao amin’izy io ary lasa.
3 Rehefa tazanay teo ankavianay ny nosy Sipra, dia nolalovanay ka nizotra nankany Syria izahay. Ary niantsona tao Tyro izahay, satria nila nampidina entana tao ilay sambo.
4 Notadiavinay ireo mpianatra ka hitanay, dia nijanona tao fito andro izahay. Ary notarihin’ny fanahy izy ireo hiteny imbetsaka tamin’i Paoly mba tsy hankany Jerosalema.+
5 Rehefa tapitra ny fotoana nijanonanay tao, dia nanohy ny dianay izahay. Nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna anefa izy rehetra, niaraka tamin’ny zaza amam-behivavy. Dia nandohalika teo amin’ny torapasika izahay ka nivavaka,
6 ary nifanao veloma. Dia nankao anaty sambo izahay, fa izy ireo kosa niverina nody.
7 Dia nandeha sambo avy tao Tyro izahay, ka tonga tany Ptolemaisy. Ary niarahaba an’ireo rahalahy izahay, dia nijanona iray andro teo amin’izy ireo.
8 Niainga indray izahay ny ampitson’iny ka tonga tany Kaisaria ary nankao an-tranon’i Filipo mpitory ny vaovao tsara, izay anisan’ireo fito lahy.+ Dia nijanona tao aminy izahay.
9 Nanana zanakavavy efatra tsy manambady* izy ary naminany ireo.+
10 Ary nijanona andro maromaro tao izahay, dia avy eo nisy mpaminany atao hoe Agabo+ nidina avy any Jodia.
11 Tonga teo aminay izy, dia nalainy ny fehikibon’i Paoly ka namatorany ny tongotra aman-tanany. Dia hoy izy: “Izao no lazain’ny fanahy masina: ‘Hoatr’izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity,+ ary hatolotr’izy ireo eo an-tanan’ny olona hafa firenena izy.’”+
12 Rehefa naheno an’izany izahay sy ny olona teo, dia niangavy an’i Paoly mba tsy hiakatra ho any Jerosalema.
13 Fa namaly izy hoe: “Fa maninona ianareo no mitomany sy mitady hanakivy ahy?* Izaho ange vonona ny hafatotra e, ary tsy izany ihany fa ny ho faty any Jerosalema koa, noho ny anaran’i Jesosy Tompo!”+
14 Tsy nety niova hevitra mihitsy izy, ka tsy nanohitra ny teniny intsony* izahay fa nilaza hoe: “Aoka ny sitrapon’i Jehovah* no hatao.”
15 Taorian’izay, dia nanomana ny dia izahay, ary niainga nankany Jerosalema.
16 Niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy any Kaisaria, ary nitondra anay nankany amin’i Menasona avy any Sipra. Efa mpianatra hatry ny ela izy io, ary nasaina hivahiny tany aminy izahay.
17 Rehefa tonga tany Jerosalema izahay, dia faly be ireo rahalahy nandray anay.
18 Dia nankany amin’i Jakoba+ niaraka taminay i Paoly ny ampitso, ary tao daholo ny anti-panahy rehetra.
19 Niarahaba azy ireo i Paoly, ary nitantara tamin’ny an-tsipiriany ny zavatra nataon’Andriamanitra teo amin’ny hafa firenena, tamin’izy nitory tamin’izy ireny.
20 Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo rehefa avy naheno an’izany. Hoy anefa izy ireo tamin’i Paoly: “Hitanao, ry rahalahy, fa an’arivony ny Jiosy lasa mpino, ary mafana fo be manaraka ny Lalàna izy rehetra.+
21 Naheno tsaho momba anao anefa ry zareo hoe ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra any amin’ny firenena hafa mba tsy hankatò ny Lalàn’i* Mosesy, ka milaza amin’izy ireo mba tsy hamora ny zanany na hanaraka ny fomba fanao hatramin’izay.+
22 Dia ahoana no hatao amin’izany? Tsy maintsy ho henon-dry zareo mantsy izao hoe tonga eto ianao.
23 Koa ataovy izao zavatra lazainay aminao izao: Misy efa-dahy efa nanao voady eto.
24 Ento miaraka aminao ireo lehilahy ireo, dia mandehana ianareo midio araka ny takin’ny Lalàna, ary aloavy izay vola tokony haloan’izy ireo mba hanasolana ny lohany. Amin’izay dia ho fantatry ny rehetra fa tsy misy mitombina ny tsaho naely momba anao, fa mitondra tena tsara ianao sady manaraka ny Lalàna koa.+
25 Ny amin’ireo hafa firenena izay lasa mpino kosa, dia efa nandefasanay taratasy misy ny fanapahan-kevitray izy ireo hoe tokony hifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy,+ sy ny ra+ sy ny biby nokendaina*+ ary ny fijangajangana.”*+
26 Dia nentin’i Paoly ireo lehilahy ireo ny ampitso, ary nidio araka ny takin’ny Lalàna izy, niaraka tamin’izy ireo.+ Ary niditra tao amin’ny tempoly izy mba hampahafantatra hoe rahoviana no ho tapitra ny andro fidiovany, ary rahoviana no hatolotra ny fanatitra ho an’ny tsirairay amin’izy ireo.
27 Rehefa ho tapitra ireo fito andro, dia nahita an’i Paoly tao amin’ny tempoly ny Jiosy avy any Azia. Dia nampisahotaka ny vahoaka rehetra izy ireo, ary nisambotra an’i Paoly,
28 sady niantsoantso hoe: “Vonjeo, ry Israelita, fa io ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenentsika sy ny Lalàntsika ary ity toerana ity. Ary hatramin’ny Grika avy aza nampidiriny tato amin’ny tempoly, ka nandoto an’ity toerana masina ity izy.”+
29 Efa hitan’izy ireo niaraka tamin’i Paoly tao an-tanàna mantsy i Trofimo+ Efesianina, ka noheveriny fa nampidirin’i Paoly tao amin’ny tempoly izy.
30 Dia nisavorovoro ny iray tanàna, ary niara-nirohotra ny olona. Koa nosamborin’izy ireo i Paoly ka notaritaritiny tany ivelan’ny tempoly, ary tonga dia nohidiana ny vavahady.
31 Rehefa nitady hamono azy izy ireo, dia nisy niteny tany amin’ny mpitari-tafika hoe misahotaka i Jerosalema manontolo.
32 Teo no ho eo ihany izy dia naka miaramila sy manamboninahitra, ary nihazakazaka nidina ho any amin’izy ireo. Tsy nikapoka an’i Paoly intsony izy ireo raha vao nahita an’ilay mpitari-tafika sy ny miaramila.
33 Dia nanatona ilay mpitari-tafika ka nisambotra an’i Paoly ary nanome baiko ny hamatorana azy amin’ny rojo vy anankiroa.+ Nanontany izy avy eo hoe iza izy ary inona no nataony.
34 Fa niantsoantso mafy ny vahoaka, ka hafa no nolazain’ny sasany, ary hafa no nolazain’ny sasany. Nitabataba be izy ireo, ka tsy fantatr’ilay mpitari-tafika izay tena marina. Nanome baiko ny hitondrana an’i Paoly ho any amin’ny toby miaramila àry izy.
35 Rehefa tonga teo amin’ny tohatoha-bato anefa i Paoly, dia voatery nobatain’ny miaramila izy satria nahery setra ny vahoaka.
36 Mbola nisy olona maro be nanaraka ihany mantsy sady niantsoantso hoe: “Vonoy any io!”
37 Rehefa hitondra an’i Paoly tao amin’ilay toby ny miaramila, dia hoy izy tamin’ilay mpitari-tafika: “Mba afaka miresaka kely aminao ve aho?” Dia namaly ilay mpitari-tafika hoe: “Mahay miteny grika angaha ianao?
38 Fa tsy ianao moa ilay Ejipsianina nitaona ny vahoaka hikomy vao haingana iny, sady nitondra an’ireo 4 000 lahy mpitan-tsabatra ho any an-tany efitra?”
39 Dia hoy i Paoly: “Izaho ange Jiosy+ e! Avy any Tarsosy+ any Kilikia aho, sady olom-pirenena avy ao amin’ny tanàna malaza. Koa miangavy anao aho, avelao aho hiteny amin’ny olona.”
40 Dia nanome azy alalana hiteny ilay mpitari-tafika. Koa nitsangana teo amin’ny tohatoha-bato i Paoly ary nanao fihetsika tamin’ny tanany mba hampanginana ny vahoaka. Rehefa nangina daholo ny rehetra, dia niteny tamin’ny teny hebreo+ izy hoe:
Fanamarihana
^ Abt: “virjiny.”
^ Na: “manaketraka ny foko?”
^ Abt: “ka nangina.”
^ Na: “mba hiala amin’ny Lalàn’i.” Abt: “mba hivadi-pinoana hanohitra an’i.”
^ Na: “novonoina nefa tsy nalatsa-dra.”