Eksodosy 21:1-36

  • Lalàna ho an’ny Israely (1-36)

    • Momba ny mpanompo hebreo (2-11)

    • Momba ny herisetra atao amin’ny olona (12-27)

    • Momba ny biby (28-36)

21  “Ireto avy ny lalàna* tokony hampahafantarinao ny vahoaka:+  “Raha mividy mpanompolahy hebreo ianao,+ dia ho mpanompo mandritra ny enin-taona izy. Fa amin’ny taona fahafito kosa, dia hafahana izy ary tsy handoa na inona na inona.+  Raha tsy nanambady izy tamin’izy lasa mpanomponao, dia izy irery no hiala. Raha efa nanambady kosa izy, dia hiala miaraka aminy ny vadiny.  Raha omen’ny tompony vady izy ka miteraka lahy na vavy aminy ilay vehivavy, dia ho fananan’ny tompony ilay vehivavy sy ny zanany, fa ilay mpanompolahy irery no hiala.+  Raha manizingizina anefa izy hoe: ‘Tiako ny tompoko sy ny vady aman-janako, ka tsy te ho olona afaka aho’,+  dia hoentin’ny tompony eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra izy. Dia hankinin’ilay tompony eo amin’ny varavarana na eo amin’ny tolàna izy, ary hotevehiny amin’ny haolo* ny sofiny. Ary ho mpanompony mandra-pahafatiny izy.  “Raha misy lehilahy mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo, dia tsy hitovy amin’ny fomba hanafahana mpanompolahy ny fomba hanafahana an’ilay vehivavy.  Raha tsy tian’ny tompony ilay mpanompovavy ka tsy alainy ho vadikely fa itadiavany olona hividy* azy, dia tsy mahazo mivarotra azy amin’ny olona avy amin’ny firenen-kafa izy satria namadika azy.  Raha ho an’ny zanany lahy no nakany an’ilay mpanompovavy, dia tsy maintsy omeny zo toy ny an’ny zanakavavy izy. 10  Raha maka vady hafa koa izy, dia tsy tokony hahenany ny sakafon’ilay vadiny voalohany sy ny akanjony ary ny adidy amim-bady+ tokony hataony aminy. 11  Fa raha tsy omeny an’ilay mpanompovavy ireo zavatra telo ireo, dia hafahany ilay mpanompovavy ary tsy hampandoaviny vola. 12  “Izay mamely olona ka mahafaty azy, dia tsy maintsy hovonoina ho faty.+ 13  Raha tsy nanao fanahy iniana anefa izy ary navelan’ilay tena Andriamanitra hitranga izany, dia hanondro toerana ho anao aho mba ho azony andosirana.+ 14  Raha tezitra be amin’ny namany ny olona iray ka manao fanahy iniana mamono azy ho faty,+ dia tsy maintsy hovonoina ho faty izy, na dia tsy maintsy haka azy eo amin’ny alitarako aza ianao.+ 15  Izay mikasi-tanana ny rainy na ny reniny, dia tsy maintsy hovonoina ho faty.+ 16  “Izay maka olona an-keriny+ dia tsy maintsy hovonoina ho faty,+ na efa namidiny ilay olona na mbola tratra any aminy.+ 17  “Izay manozona ny rainy na ny reniny, dia tsy maintsy hovonoina ho faty.+ 18  “Izao no hatao raha misy olona mifamaly be ka mamely an’ilay namany amin’ny vato ny iray na manisy totohondry azy,* nefa tsy maty izy saingy tsy maintsy mijanona eo am-pandriana: 19  Tsy hosazina ilay namely raha afaka mitsangana ilay naratra ka afaka mandehandeha mitondra tehina eny ivelany. Hanome onitra fotsiny izy, noho ny fotoana very tsy niasan’ilay naratra mandra-pahasitrany tanteraka. 20  “Raha misy lehilahy mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin’ny hazo ka mahafaty azy eo no ho eo, dia tsy maintsy hovaliana ny nataony.+ 21  Raha mbola velona iray na roa andro anefa ilay mpanompo, dia tsy hovaliana araka ny nataony ilay tompony satria volany ihany no nividianany azy. 22  “Raha misy olona miady ka mahavoa vehivavy bevohoka, ary teraka tsy tonga volana* ny zanany+ nefa tsy misy maty* vokatr’izany, dia tsy maintsy mandoa onitra ilay olona, araka izay takin’ny vadin’ilay vehivavy. Haloany izay onitra faritan’ny mpitsara.+ 23  Fa raha misy maty kosa, dia tsy maintsy manome aina ho solon’ny aina ianao,+ 24  maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify, tanana ho solon’ny tanana, tongotra ho solon’ny tongotra,+ 25  dorana ho solon’izay nodorana, ratra ho solon’ny ratra, kapoka ho solon’ny kapoka. 26  “Raha misy lehilahy mamely ny mason’ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ka manimba ny masony, dia tsy maintsy hafahany ilay mpanompo ka halefany mba hanonerana ny masony.+ 27  Ary raha niala ny nifin’ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny noho ny nataony, dia tsy maintsy hafahany ilay mpanompo ka halefany mba hanonerana ny nifiny. 28  “Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka maty ilay olona, dia tsy maintsy hotoraham-bato ho faty ilay omby+ ary tsy hohanina ny henany. Tsy hosazina kosa ny tompon’omby. 29  Raha misy omby efa zatra manoto anefa ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy niambina azy, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia hotoraham-bato ilay omby ary hovonoina ho faty ny tompony. 30  Raha itakiana vidim-panavotana* ny tompon’omby, dia tsy maintsy manome an’izay rehetra takina aminy izy mba hanavotana ny ainy. 31  Io didim-pitsarana io no hampiharina amin’ny tompon’omby, na nanoto ankizilahy ilay omby na nanoto ankizivavy. 32  Raha nanoto mpanompolahy na mpanompovavy ilay omby, dia handoa 30 sekely* amin’ny tompon’ilay mpanompo ny tompon’omby. Ary hotoraham-bato ho faty ilay omby. 33  “Raha misy olona manala ny saron’ny lavaka iray na mihady lavaka ary tsy manarona an’ilay izy, ka misy omby na ampondra latsaka ao, 34  dia handoa onitra ny tompon’ilay lavaka.+ Haloany amin’ny tompom-biby ny vidin’ilay biby, ary ho lasany ilay biby maty. 35  Raha misy omby mandratra ombin’olona ka maty ilay omby, dia hamidy ilay omby velona ka hozarain’ireo tompon’omby ny vidiny. Ary hozarainy koa ilay omby maty. 36  Na raha misy omby fantatra fa efa zatra manoto nefa tsy nambenan’ny tompony, dia tsy maintsy manome onitra ilay tompony, ka omby ho solon’ny omby. Ary ho lasany ilay omby maty.

Fanamarihana

Na: “didy havoaka rehefa misy fitsarana.”
Zava-maranitra fanaovana lavaka kely.
Abt: “hanavotra.”
Na mety hoe “mamely azy amin’ny fitaovana.”
Abt: “ary mivoaka.”
Na: “tsy misy maratra be.”
Na: “onitra.”
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.