Eksodosy 39:1-43
39 Kofehy manga sy volonondry volomparasy ary kofehy mena midorehitra+ no nanaovan’izy ireo ny akanjo tsara tenona hoentina manompo ao amin’ny toerana masina. Dia nanamboatra ny akanjo masina ho an’i Arona+ izy ireo, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
2 Nanamboatra efoda+ i Bezalila, ka kofehy volamena, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara no nanaovany azy.
3 Naka takela-bolamena izy ireo, ka notefeny tamin’ny marotoa izany mba hanify. Dia nodidididiany ho lasa kofehy izany, mba hatao mifampidipiditra amin’ny kofehy manga, sy ny volonondry volomparasy, sy ny kofehy mena midorehitra, ary ny kofehy rongony tena tsara. Ireo no natao peta-kofehy tamin’ilay efoda.
4 Ary nanamboatra lamban-tsoroka izy ireo ka nakambany tamin’ilay efoda izany, teo amin’ny sisiny roa.
5 Ary nitovy tamin’ny zavatra nanamboarana an’ilay efoda ny nanamboarana ny fehikibo vita tenona, izay nakambana taminy mba hamatorana tsara azy.+ Ireto avy izany: Kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
6 Ary nataon’izy ireo tao anaty tranotranony volamena ireo vato oniksa. Dia nosoratany teo amin’izy ireo ny anaran’ny zanak’i Israely, ka nataony sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase izany.+
7 Ary napetrany teo amin’ny soroky ny efoda ireo, ho vato fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
8 Nanamboatra ny saron-tratra+ izy avy eo. Nasiana peta-kofehy hoatran’ilay efoda izy io. Ireto avy no nanaovana azy: Kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.+
9 Efamira ilay saron-tratra rehefa navalona roa. Dia nataon’izy ireo ilay saron-tratra, ka irain-jehy* ny lavany sy ny sakany rehefa navalona roa ilay izy.
10 Nasian’izy ireo vatosoa misy laharana efatra ilay izy. Robia sy topaza ary emeraoda no teo amin’ny laharana voalohany.
11 Torkoazy sy safira ary jaspa no teo amin’ny laharana faharoa.
12 Vato lesema* sy agata ary ametista no teo amin’ny laharana fahatelo.
13 Ary krizolita sy oniksa ary jady no teo amin’ny laharana fahefatra. Natao tao anaty tranotranony volamena ireo vato ireo.
14 Nisy ny anaran’ny zanakalahin’i Israely 12 ireo vato, ary natao sokitra hoatran’ny fanao amin’ny tombo-kase ny tsirairay tamin’ny anaran’ireo foko 12.
15 Dia nasian’izy ireo rojo mirandrana toy ny tady, vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony,+ teo amin’ilay saron-tratra.
16 Ary nanao tranotranony volamena roa sy mason-drojo volamena roa izy ireo, ary nasiany mason-drojo iray avy ny zorony roa tamin’ilay saron-tratra.
17 Avy eo, dia natsofony teo amin’ireo mason-drojo roa teo amin’ny zoron’ilay saron-tratra ireo tady volamena roa.
18 Dia natsofony teo amin’ireo tranotranony roa ny lohan’ireo tady roa, ka natambany tamin’ny lamban-tsoroky ny efoda teo anoloana.
19 Nanao mason-drojo volamena roa izy ireo avy eo, ka nasiany iray avy ny zorony roa ambany tamin’ilay saron-tratra, teo amin’ny sisiny anatiny mifampikasika amin’ny efoda.+
20 Nanao mason-drojo volamena roa hafa koa izy ireo, dia nataony teo anoloana amin’ilay efoda izany, teo ambanin’ireo lamban-tsoroka roa, teo akaikin’ny fitambaran’ny efoda, teo ambonin’ilay fehikibo vita tenona.
21 Ary nafatotr’izy ireo tamin’ny kofehy manga ny saron-tratra, ka nafatony avy teo amin’ny mason-drojon’ny saron-tratra nankeo amin’ny mason-drojon’ny efoda. Amin’izay ilay saron-tratra dia hipetraka tsara eo amin’ny efoda, eo ambonin’ilay fehikibo vita tenona, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
22 Nanamboatra an’ilay akanjo tsy misy tanany hatao ambanin’ny efoda izy avy eo. Notenomina ilay izy, ary kofehy manga no nanaovana azy manontolo.+
23 Teo afovoan’ilay akanjo tsy misy tanany no nisy lavaka hitsofohan’ny loha, hoatran’ny amin’ny akanjo mifono vy. Nasiana sisiny manodidina ilay fitsofohan’ny loha mba tsy ho mora rovitra.
24 Avy eo dia nasian’izy ireo ampongabendanitra ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany. Kofehy manga sy volonondry volomparasy ary kofehy mena midorehitra niara-naolanolana no nanaovana an’ireo ampongabendanitra.
25 Ary nanao lakolosy kely tamin’ny volamena tsy misy fangarony izy ireo, ka nataony teny anelanelan’ireo ampongabendanitra. Nasiany daholo ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany, teny anelanelan’ireo ampongabendanitra.
26 Noelanelaniny lakolosy ny ampongabendanitra. Ary nataony hoatr’izany daholo ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany, izay nampiasaina tamin’ny fanompoana, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
27 Ary ireto avy no namboarin’izy ireo ho an’i Arona sy ny zanany lahy: Akanjo lava nataon’ny mpanenona tamin’ny rongony tena tsara;+
28 satroka lamba+ sy fehiloha misy haingonkaingony,+ izay samy vita tamin’ny rongony tena tsara; kilaoty lava*+ vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara;
29 fehikibo lamba, izay notenomina tamin’ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, ary kofehy mena midorehitra, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
30 Farany, dia nataon’izy ireo tamin’ny volamena tsy misy fangarony ilay takelaka mamirapiratra, dia ilay famantarana masina hoe voatokana izy.* Nasiany soratra teo amin’ilay izy hoe: “An’i Jehovah ny fahamasinana.”+ Nataony sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase izany.
31 Nasian’izy ireo kofehy manga tamin’ilay izy mba hametahana azy teo amin’ilay satroka lamba, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
32 Koa vita daholo ny asa momba ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana. Nataon’ny Israelita izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ Izany mihitsy no nataon’izy ireo.
33 Dia nentin’izy ireo tany amin’i Mosesy ny tranolay masina+ niaraka tamin’ny lamban’ilay izy+ sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy: Ny faraingo kely,+ ny rafitra,+ ny barany,+ ny andry sy ny faladiany hitsatohany;+
34 ny rakotra vita tamin’ny hoditr’ondrilahy nolokoana mena,+ ny rakotra vita tamin’ny hoditra faoky, ny ridao fanakonana;+
35 ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona sy ny bao filanjana azy+ ary ny sarony;+
36 ny latabatra, ny fitaovana rehetra miaraka aminy,+ ary ny mofo aseho;
37 ny fitoeran-jiro vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony, ireo jiro+ halahatra eo aminy, ny fitaovana rehetra miaraka aminy,+ ary ny menaka ho an’ny jiro;+
38 ny alitara+ volamena, ny menaka masina fanosorana,+ ny emboka manitra,+ ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana* amin’ny tranolay;
39 ny alitara varahina+ sy ny makarakarany varahina, ny bao filanjana azy,+ ny fitaovana rehetra miaraka aminy,+ ny koveta sy ny tongony;+
40 ny fefy lamban’ny tokotany, ny andry sy ny faladiany hitsatohany,+ ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana* mankao amin’ny tokotany, ny tady fanenjanan-day sy ny fantsika be fanenjanan-day+ ary ny fitaovana rehetra hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana;
41 ny akanjo tsara tenona hoentina manompo ao amin’ny toerana masina, sy ny akanjo masina ho an’i Arona mpisorona,+ ary ny akanjon’ireo zanany lahy mba hanaovan’izy ireo ny asan’ny mpisorona.
42 Araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nanaovan’ny Israelita ny asa rehetra.+
43 Rehefa nijery ny asa rehetra nataon’izy ireo i Mosesy, dia hitany fa nataon’izy ireo araka izay nandidian’i Jehovah izany. Koa nitso-drano azy ireo i Mosesy.
Fanamarihana
^ Vato sarobidy, saingy tsy fantatra hoe inona fa mety ho ambra, hiasinta, opala, na torimalinina.
^ Na: “sôrta.”
^ Na: “ilay diadema masina.”
^ Na: “ny ridaon’ilay fidirana.”
^ Na: “ny ridaon’ilay fidirana.”