Eksodosy 26:1-37

  • Ny tranolay masina (1-37)

    • Lamba ho an’ny tranolay masina (1-14)

    • Rafitry ny tranolay masina sy ny faladiany (15-30)

    • Ridao sy lamba fanakonana (31-37)

26  “Lamba folo no hanaovanao ny tranolay masina.+ Tokony ho vita amin’ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, ary kofehy mena midorehitra ireo lamba ireo, dia horavahanao sarina+ kerobima atao peta-kofehy.+ 2  Ho 28 hakiho* ny lavan’ny lamba tsirairay, ary 4 hakiho ny sakany. Tokony hitovy ny refin’ny lamba rehetra.+ 3  Atambaro ny lamba dimy mba hahazoana lamba be iray, ary ataovy toy izany koa ny lamba dimy ambiny. 4  Dia asio vona amin’ny kofehy manga ny sisin’ny lamba iray amin’ilay lamba be voalohany. Asio vona koa ny sisin’ny lamba farany indrindra amin’ilay lamba be faharoa, eo amin’izay hihaonan’ireo lamba be roa. 5  Vona 50 no ataovy eo amin’ny lamba iray, ary vona 50 koa eo amin’ny sisin’ilay lamba iray hafa, amin’izay dia mifanitsy ireo vona eo amin’ny fihaonan’ireo lamba be roa. 6  Ary manaova faraingo kely volamena 50. Dia akambano amin’ireny ireo lamba be roa, mba ho lamba iray ihany ilay tranolay masina.+ 7  “Manamboara koa lamba 11+ vita amin’ny volon’osy+ mba handrakofana ny tranolay masina. 8  Ho 30 hakiho ny lavan’ny lamba tsirairay ary 4 hakiho ny sakany. Ataovy mitovy daholo ny refin’ny lamba 11. 9  Atambaro ny lamba dimy, ary ataovy toy izany koa ny lamba enina ambiny, ka avalòny roa ny lamba fahenina izay eo anoloan’ny tranolay. 10  Ary asio vona 50 ny sisin’ny lamba farany indrindra amin’ilay lamba be voalohany, ary vona 50 koa eo amin’ny sisin’ilay lamba be faharoa, eo amin’izay ihaonan’izy ireo. 11  Manaova faraingo kely varahina 50, ka ampidiro eo amin’ireo vona izany, dia akambano amin’ireny ireo fitambaran-damba mba ho lamba iray ihany izy rehetra. 12  Hikiraviravy ny ambiny amin’ireo lamba, ka ny antsasaky ny lamba ambiny no hikiraviravy eo andamosin’ny tranolay masina. 13  Hihoatra iray hakiho avy ny halavan’ireo lamba eo amin’ny andaniny sy ny ankilany amin’ilay tranolay. Havela hikiraviravy izany mba hanaronana azy. 14  “Manaova koa rakotra amin’ny hoditr’ondrilahy nolokoana mena ho an’ilay tranolay. Ary manaova rakotra iray hafa amin’ny hoditra faoky, dia ataovy eo ambonin’io.+ 15  “Hazo akasia no hanaovanao an’ireo rafitry+ ny tranolay masina, ka ataovy mitsangana ireo rafitra.+ 16  Folo hakiho ny haavon’ny rafitra tsirairay, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. 17  Misy lahiny* roa milahatra ny rafitra tsirairay. Tokony ho hoatr’izany daholo no hanaovana ny rafitr’ilay tranolay. 18  Rafitra 20 no hamboarina ho an’ny lafiny atsimo amin’ilay tranolay, izany hoe hatao mitodika mianatsimo izy ireo. 19  “Manamboara faladiany volafotsy 40+ hitsatohan’ny rafitra 20: Faladiany roa no hitsatohan’ny rafitra iray misy lahiny roa, ary faladiany roa hoatr’izany daholo no hitsatohan’ny rafitra tsirairay.+ 20  Manaova rafitra 20 ho an’ny lafiny ilany amin’ny tranolay, dia ny lafiny avaratra. 21  Manamboara koa faladiany volafotsy 40, ka faladiany roa no hitsatohan’ny rafitra iray, ary faladiany roa hoatr’izany daholo no hitsatohan’ny rafitra tsirairay. 22  Manaova rafitra enina hatao lamosin’ilay tranolay, eo amin’ny lafiny andrefana.+ 23  Dia manaova rafitra roa mba hatao tohana eo amin’ny zorony roa aoriana amin’ny tranolay. 24  Hazo roa no tokony hanaovana ny rafitra iray, miainga avy eny ambany ka hatreny amin’ny tampony. Ary tokony hihaona eo amin’ny tahony boribory voalohany izy ireo. Hoatr’izany no tokony hanaovana an’ireo rafitra roa, ka izy roa ireo no ho lasa tohana eo amin’ny zorony roa. 25  Dia valo no ho isan’ireo rafitra, ary 16 ny faladiany volafotsy, ka faladiany roa no hitsatohan’ny rafitra iray. Ary faladiany roa hoatr’izany daholo no hitsatohan’ny rafitra tsirairay. 26  “Manaova barany amin’ny hazo akasia, ka dimy ho an’ny rafitra amin’ny lafiny iray amin’ny tranolay masina,+ 27  dimy ho an’ny rafitra amin’ny lafiny ilany, ary dimy ho an’ny rafitra amin’ny lafiny andrefana amin’ilay tranolay, izany hoe ny lafiny hatao lamosiny. 28  Ary ny barany afovoany, izay mandalo eo afovoan’ireo rafitra, dia tokony hitsofoka avy eo amin’ny sisiny iray ka hatrany amin’ny sisiny iray hafa amin’ilay tranolay. 29  “Petaho takela-bolamena ireo rafitra,+ ary manamboara tahony boribory volamena hitsofohan’ireo barany. Petaho takela-bolamena koa ireo barany. 30  Dia atsangano ilay tranolay masina, araka ilay planina naseho anao tatỳ an-tendrombohitra.+ 31  “Manaova ridao+ amin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara. Dia horavahana sarina kerobima atao peta-kofehy ilay ridao. 32  Ahantòny amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo akasia ilay izy. Hopetahana takela-bolamena ireo andry, ary volamena no hanaovana an’ireo faraingo eo aminy. Ary hatsatoka amin’ny faladiany volafotsy efatra ireo andry. 33  Ahantòny eo ambanin’ireo faraingo kely ny ridao, ary ento mankao ambadik’ilay ridao ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Ilay ridao no hanasaraka ny Masina+ sy ny Masina Indrindra.+ 34  Ary saròny amin’ilay sarony ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona, ao amin’ny Masina Indrindra. 35  “Apetraho eo anoloan’ilay ridao ny latabatra, ary ataovy tandrifin’ilay latabatra, eo amin’ny lafiny atsimo amin’ilay tranolay masina, ny fitoeran-jiro.+ Ilay latabatra no ho eo amin’ny lafiny avaratra. 36  Manaova koa lamba fanakonana an’ilay fidirana* amin’ny tranolay, ary mpanenona no hanao izany amin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.+ 37  Dia manaova andry dimy amin’ny hazo akasia hihantonan’ilay lamba fanakonana,* ary petaho takela-bolamena ireo andry. Volamena no hanaovana an’ireo faraingo eo aminy. Ary handrendrika varahina ianao mba hanaovana faladiany dimy hitsatohan’ireo andry.

Fanamarihana

1 hakiho = 44,5 sm. Jereo F.F. B14.
Na: “hazo lavalava mitsangana.”
Na: “ridaon’ilay fidirana.”
Na: “ridao.”