Salamo 39:1-13
Ho an’ny mpitarika; atao Jedotona.*+ Hiran’i Davida.
39 Hoy aho: “Hitandrina tsara* ahoMba tsy hanota amin’izay lazaiko.*+
Hohidiako* ny vavako,+Raha mbola misy ratsy fanahy eo akaikiko.”
2 Tsy niteny aho fa nangina,+Ka tsy nilaza na dia zavatra tsara aza.Tena mafy* anefa ny fanaintainako.
3 Toy ny afo nidonaka* ny foko tato anatiko.
Mbola nirehitra foana izany afo izany raha mbola teo am-pieritreretana* aho.
Dia niteny aho hoe:
4 “Jehovah ô, ampio aho hahafantatra an’izay hiafarakoSy ny halavan’ny androm-piainako,+Mba hahalalako fa fohy ihany ny fiainako.*
5 Nataonao vitsy* tokoa ny androko,+Ary tsinontsinona eo anatrehanao ny halavan’ny androm-piainako.+
Toy ny fofonaina tokoa ny olona rehetra, na dia toa tsy misy mampanahy azy aza.+ (Sela)
6 Mandalo toy ny aloka tokoa ny olona rehetra.
Mifofotra mafy* izy, nefa very maina fotsiny izany.
Manangona harena izy, nefa tsy fantany hoe ho an’iza izany.+
7 Inona àry no mba azoko antenaina, Jehovah ô?
Ianao no hany fanantenako.
8 Vonjeo ho afaka amin’ny fandikan-dalàna rehetra nataoko aho.+
Aza avela hanao tsinontsinona ahy ny tsisy saina.
9 Nangina aho;Tsy afaka nanoka-bava aho+Satria ianao no nahatonga an’izao rehetra izao hitranga.+
10 Esory ny loza namelezanao ahy.
Reraka aho satria mamely ahy ny tananao.
11 Anarinao ny olona, ka sazinao noho ny fahadisoany;+Ataonao potipotika toy ny nohanin’ny bibikely* ny zavatra sarobidy aminy.
Toy ny fofonaina fotsiny ny olombelona rehetra.+ (Sela)
12 Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô,Ary mihainoa rehefa miantso vonjy aho.+
Aza odiana tsy hita ny ranomasoko.
Fa mpivahiny ihany aho aminao,+Dia mpanao dia lavitra* mandalo fotsiny toy ny razambeko rehetra.+
13 Avilio tsy hijery ahy amin-katezerana ny masonao mba ho falifaly ahoAlohan’ny hahafatesako sy tsy hisiako intsony.”
Fanamarihana
^ Na: “Hogiazako amin’ny fehivava.”
^ Abt: “amin’ny lelako.”
^ Na: “ny diako.”
^ Na: “Nihamafy.”
^ Abt: “Nihanafana.”
^ Na: “am-pisentoana.”
^ Na: “fa mandalo ihany aho.”
^ Na: “hoatran’ny halavan’ny sakan’ny felatanana.”
^ Abt: “Mitabataba.”
^ Abt: “samoina”, any Israely. Bibikely manana elatra, mitovitovy amin’ny lolo.
^ Na: “mpiavy.”

