Ohabolana 16:1-33

  • Mandinika ny antony anaovana zavatra i Jehovah (2)

  • Ankino amin’i Jehovah izay ataonao (3)

  • Avy amin’i Jehovah ny mizana marina (11)

  • Ho lavo izay mirehareha (18)

  • Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy (31)

16  Omanin’ny olona ao am-pony ny teny holazainy,*Fa avy amin’i Jehovah kosa ny valin-teny omeny.*+   Heverin’ny olona hoe mety* daholo izay ataony,+Fa i Jehovah kosa mandinika ny antony anaovany an’izany.*+   Ankino amin’i Jehovah daholo izay ataonao,+Dia hahomby izay kasainao hatao.   Nataon’i Jehovah hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra,Ka na ny ratsy fanahy aza haringana, amin’ny andro hahitana loza.+   Maharikoriko an’i Jehovah izay rehetra manana fo mirehareha.+ Matokia* fa tsy maintsy ho voasazy ny olona hoatr’izany.   Ny fitiavana sy tsy fivadihana no andrakofana fahadisoana,+Ary izay matahotra an’i Jehovah dia miala amin’ny ratsy.+   Rehefa mahafinaritra an’i Jehovah ny ataon’ny olona,Dia ataony mihavana aminy na dia ny fahavalony aza.+   Aleo kely azo tamin’ny marina,+Toy izay be dia be azo tamin’ny tsy rariny.+   Mety ho efa mandamina tsara an’izay hataony ny olona, ao am-pony ao,Nefa i Jehovah no mitarika ny diany.+ 10  Didim-pitsarana avy amin’Andriamanitra no tokony holazain’ny mpanjaka,+Ary tsy tokony hamadika ny rariny mihitsy izy.+ 11  Avy amin’i Jehovah ny fandanjana marina sy ny mizana marina.Avy aminy daholo koa ny vatomizana ao anaty kitapo.+ 12  Maharikoriko ny mpanjaka ny fanao ratsy,+Satria ny fahamarinana no manamafy orina ny seza fiandrianany.+ 13  Mahafinaritra ny mpanjaka ny olona milaza ny marina, Ary tiany ny olona mitsotra ny marina.+ 14  Toy ny olona nirahina hamono olona ho faty ny hatezeran’ny mpanjaka,+Fa ny hendry kosa mahay mampitony* an’izany.+ 15  Ho sambatra izay ankasitrahan’ny mpanjaka,Satria hoatran’ny rahona mitondra orana amin’ny lohataona ny fankasitrahany.+ 16  Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena,+ Ary aleo lasa mahira-tsaina toy izay mahazo volafotsy.+ 17  Halavirin’ny olo-marina* ny ratsy, Ary izay mitandrina tsara an’izay ataony* dia miaro ny ainy.+ 18  Ho lavo izay mirehareha,Ary hianjera izay manambony tena.+ 19  Aleo manetry tena miaraka amin’ny mpandefitra,+Toy izay mifampizara harena* amin’ny olona manambony tena. 20  Hahomby* ny olona mandinika tsara an’izay ataony,Ary sambatra izay matoky an’i Jehovah. 21  Izay manana fo hendry no hatao hoe mahira-tsaina,+Ary izay manao teny mahafinaritra* no maharesy lahatra olona.+ 22  Raha lalin-tsaina ny olona, dia loharanon’aina ho azy izany,Fa ny tsisy saina kosa faizin’ny hadalany ihany. 23  Ny fon’ny hendry mahatonga azy hifidy tsara an’izay hoteneniny,+Ka maharesy lahatra olona ny zavatra lazainy. 24  Toho-tantely ny teny mahafinaritra,Ka sady mamy no manasitrana ny taolana.+ 25  Misy lalana eritreretin’ny olona hoe mety,Nefa any amin’ny fahafatesana no hiafarany.+ 26  Mikely aina miasa mafy ny mpiasa satria te hihinan-kanina.Miasa mafy mantsy izy satria noana.*+ 27  Zava-dratsy no fongarin’ny olona tsy misy ilana azy,+Ary toy ny afo mandoro ny teniny.+ 28  Mampisy ady fotsiny ny mpanakorontana,*+Ary mampisaraka ny mpinamana be ny mpanendrikendrika.+ 29  Mitaona ny namany hanao ratsy ny olona tia herisetra,Sady mitarika azy any amin’ny lalan-diso. 30  Mipy maso izy rehefa mitetika hanao ratsy, Dia manaiki-molotra rehefa manatanteraka ny sain-dratsiny. 31  Satroboninahitra tsara tarehy* ny volofotsy,+Raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.+ 32  Aleo olona tsy mora tezitra+ toy izay lehilahy matanjaka,Ary aleo olona mahafehy tena* toy izay olona mahazo tanàna ho babo.+ 33  Eo am-pofoana no anaovana antsapaka,+Fa an’i Jehovah kosa ny fanapahan-kevitra rehetra amin’izany.+

Fanamarihana

Na: “valiny marina.” Abt: “valin-tenin’ny lela.”
Abt: “An’ny olona ny mandamina ny ao am-po.”
Abt: “madio.”
Abt: “ny toe-tsaina.”
Abt: “Andao hifandray tanana.”
Na: “misoroka.”
Na: “Halavirin’ny lalamben’ny olo-marina.”
Na: “ny lalany.”
Na: “zavatra azo babo.”
Abt: “Hahita soa.”
Na: “izay miteny amin-katsaram-panahy.” Abt: “ny hamamin’ny molotra.”
Abt: “noho ny vavany.”
Na: “ny mpanao teti-dratsy.”
Na: “be voninahitra.”
Abt: “mifehy ny sainy.”