Ho An’ny Romanina 9:1-33
9 Milaza ny marina aho satria mpanara-dia an’i Kristy. Tsy mandainga aho, ary tarihin’ny fanahy masina ny feon’ny fieritreretako ka vavolombelona manamarina
2 fa malahelo be aho sady mitebiteby foana ato am-poko ato.
3 Fa naleoko aza hoe izaho mihitsy no tafasaraka amin’i Kristy ka ho voaozona, raha izany no hahasoa ny rahalahiko, izay havako araka ny nofo,
4 dia ny Israelita. Izy ireo no natsangana ho zanaka,+ nomena voninahitra, nanaovana ny fifanekena,+ ary nomena ny Lalàna+ sy ny fanompoana masina+ ary ny fampanantenana.+
5 Izy ireo koa no taranak’ireo razambe nipoiran’i Kristy,+ raha araka ny nofo.+ Hoderaina mandrakizay anie Andriamanitra, izay ambonin’ny rehetra! Amena.
6 Tsy hoe tsy tanteraka anefa ny tenin’Andriamanitra. Fa tsy izay rehetra taranak’Israely no tena “Israely.”+
7 Ary tsy hoe zanaka daholo izy ireo satria hoe taranak’i Abrahama.+ Voasoratra anefa hoe: “Ho avy amin’i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.”+
8 Izany hoe, tsy ny zanaka araka ny nofo no tena zanak’Andriamanitra,+ fa ny zanaky ny fampanantenana+ no ekena* hoe taranaka.
9 Izao mantsy ilay fampanantenana: “Hiverina atỳ aminao aho, amin’ny herintaona hoatr’izao, ka hanan-janakalahy i Saraha.”+
10 Tsy tamin’izay ihany anefa Andriamanitra no nampanantena, fa nanao an’izany koa izy tamin’i Rebeka niteraka kambana tamin’ny lehilahy iray, izay tsy iza fa i Isaka razambentsika.+
11 Fa tamin’ny mbola tsy teraka ireo kambana ireo ary mbola tsy nanao izay tsara na ratsy, dia efa nilaza mialoha Andriamanitra hoe iza no hofidiny. Izay tiany mantsy no fidiny, fa tsy hoe miankina amin’izay ataon’ny olona.
12 Dia nolazaina tamin’i Rebeka tamin’izay, hoe: “Ny zokiny hanompo ny zandriny”,+
13 araka ny voasoratra hoe: “I Jakoba no tiako, fa i Esao kosa halako.”+
14 Inona àry no holazaintsika? Manao ny tsy rariny ve Andriamanitra? Sanatria izany!+
15 Hoy mantsy izy tamin’i Mosesy: “Hamindra fo amin’izay tiako hamindrana fo aho, ary hangoraka an’izay tiako hangorahana.”+
16 Tsy miankina amin’izay irin’ny olona sy ny ezaka ataony* àry izany, fa miankina amin’Andriamanitra, izay mamindra fo.+
17 Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Izao no tena antony namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.”+
18 Izay tiany hamindrana fo àry no amindrany fo, fa avelany ho mafy loha kosa izay tiany ho mafy loha.+
19 Hiteny amiko àry ianao hoe: “Dia maninona izy no mbola manome tsiny ihany? Fa iza no mahavita manohitra ny sitrapony?”
20 Fa ianao moa no iza no hamalivaly an’Andriamanitra?+ Ny zavatra novolavolaina ve no hiteny amin’ilay namolavola azy hoe: “Fa maninona aho no nataonao hoatr’izao?”+
21 Angaha ny mpanefy tanimanga tsy manana fahefana amin’ny tanimanga,+ ka vongan-tanimanga iray ihany no anaovany kaopy fampiasa rehefa misy fanasana* sy kaopy fampiasa andavanandro?*
22 Dia ahoana àry raha te hanampatra ny hatezerany sy hampahafantatra ny heriny Andriamanitra, nefa nandefitra sady nanam-paharetana be tamin’ny kaopin’ny fahatezerana* izay mendrika haringana?
23 Ahoana raha nanao an’izany izy satria te hampahafantatra ny voninahiny lehibe amin’ny kaopin’ny famindram-po,*+ izay nomaniny mialoha mba homena voninahitra,
24 izany hoe isika izay nantsoiny, tsy avy tamin’ny Jiosy ihany, fa avy tamin’ny firenen-kafa+ koa?
25 Izany koa no nolazainy ao amin’ny bokin’i Hosea hoe: “Izay tsy vahoakako no hantsoiko hoe ‘vahoakako’,+ ary ilay tsy tiana no hantsoiko hoe ‘malala.’+
26 Ary any amin’ilay toerana nilazako tamin’izy ireo hoe: ‘Tsy vahoakako ianareo’, no hilazako aminy hoe: ‘Zanak’ilay Andriamanitra velona ianareo.’”+
27 Tsy izay ihany fa niantsoantso hoatr’izao momba ny Israely i Isaia: “Na betsaka hoatran’ny fasika any an-dranomasina aza ny zanak’Israely, dia ny sisa amin’izy ireo ihany no hovonjena.+
28 Fa hanao ampamoaka an’izay velona eto an-tany i Jehovah,* ka hamita tanteraka an’izany haingana.”*+
29 Izao koa no nolazain’i Isaia mialoha: “Raha tsy i Jehovah* Tompon’ny tafika no namela taranaka ho antsika, dia ho efa lasa hoatran’i Sodoma isika, ary ho efa lasa hoatran’i Gomora.”+
30 Inona àry no holazaintsika? Na dia tsy niezaka ny ho lasa olo-marina aza ny hafa firenena, dia lasa olo-marina ihany,+ izany hoe lasa olo-marina noho ny finoana.+
31 Ny Israely kosa, na dia niezaka nanaraka ny lalàn’ny fahamarinana aza, dia tsy nahavita nankatò an’izany lalàna izany.
32 Fa nahoana? Satria rehefa niezaka ny ho lasa olo-marina izy ireo, dia nihevitra hoe ny zavatra ataony no mahatonga azy ho olo-marina, fa tsy ny finoana. Tafintohina izy ireo noho ilay “vato mahatafintohina”,+
33 araka ny voasoratra hoe: “Mametraka vato+ mahatafintohina sy vatolampy mampianjera ao Ziona aho, nefa tsy ho diso fanantenana izay mino azy io.”+
Fanamarihana
^ Na: “isaina.”
^ Abt: “amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka.”
^ Abt: “hohajaina.”
^ Abt: “tsy hohajaina?”
^ Na: “tamin’ny ratsy fanahy.”
^ Na: “olona mendrika ny hamindrana fo.”
^ Na: “ka hanafohy an’izany.”