Salamo 105:1-45

  • Asehon’i Jehovah amin’ny vahoakany hoe tsy mivadika izy

    • Tadidin’i Jehovah ny fifanekena nataony (8-10)

    • “Aza mikasika an’ireo voahosotro” (15)

    • Nampiasain’i Jehovah i Josefa, ilay lasa andevo (17-22)

    • Fahagagana nataon’i Jehovah tany Ejipta (23-36)

    • Niala tany Ejipta ny Israely (37-39)

    • Tsaroan’i Jehovah ny fampanantenany tamin’i Abrahama (42)

105  Misaora an’i Jehovah,+ ary miantsoa ny anarany.Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony!+   Mihirà ho azy, manaova hira fiderana* ho azy,Saintsaino* ny zavatra mahatalanjona rehetra nataony.+   Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina.+ Ary enga anie ho faly ny fon’izay mitady an’i Jehovah!+   Mitadiava an’i Jehovah+ ary miantehera amin’ny heriny. Mitadiava sitraka aminy foana.*   Tadidio ny zavatra mahatalanjona nataony,Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana nolazainy,+   Ry taranak’i Abrahama mpanompony,+Ry taranak’i Jakoba, dia ianareo olom-boafidiny!+   Izy no Jehovah Andriamanitsika.+ Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.+   Tadidiny mandrakizay ny fifanekena nataony,+Ary tsaroany hatrany amin’ny taranaka arivo mifandimby ny fampanantenana nataony,*+   Dia ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama,+Sy ilay fianianana nataony tamin’i Isaka.+ 10  Nataony fitsipika ho an’i Jakoba io fianianana io,Sady fifanekena maharitra ela be ho an’i Israely. 11  Fa hoy izy: “Homeko anao ny tany Kanana,+Ho anjara lovanareo.”+ 12  Mbola vitsy+ izy ireo tamin’izany,Tena vitsy kely sady vahiny tao amin’ilay tany.+ 13  Nifindrafindra tany amin’ny firenena samihafa izy ireo,Ary nifindrafindra tany amin’ny fanjakana samihafa.+ 14  Tsy nisy olona navelan’Andriamanitra hampijaly azy ireo,+Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’izy ireo,+ 15  Ka niteny hoe: “Aza mikasika an’ireo voahosotro,Ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko.”+ 16  Nahatonga mosary tao amin’ilay tany izy;+Nataony fongana ny tahirina mofon’izy ireo.* 17  Nirahiny hialoha azy ireo ny lehilahy iray,Dia i Josefa, izay namidy ho andevo.+ 18  Nogejaina* tamin’ny rojo ny tongony,+Ary nasiana gadra vy ny tendany; 19  Ny tenin’i Jehovah no nanadio* azy,+Mandra-pahatanteraky ny teniny. 20  Nanome baiko hanafahana azy ny mpanjaka,+Nanafaka azy ilay mpitondra vahoaka. 21  Dia notendreny hiandraikitra ny ankohonany izy,Sy hitantana ny fananany rehetra,+ 22  Mba hifehy ny andrianany araka izay itiavany azy,Sy hampianatra fahendrena+ an’ireo zokiolona.* 23  Dia nankany Ejipta i Israely;+Lasa vahiny nipetraka tany amin’ny tanin’i Hama i Jakoba. 24  Nataon’Andriamanitra maro be ny vahoakany,+Ary nataony mahery noho ny fahavalony izy ireo.+ 25  Navelany hiova ny fon’ireo fahavalony, ka lasa nankahala ny vahoakany izy ireny,Sady nanao tetika hamelezana an’ireo mpanompony.+ 26  Koa nirahiny i Mosesy mpanompony+Sy Arona ilay nofidiny.+ 27  Dia nanao famantarana avy amin’Andriamanitra teo amin’izy ireny izy mirahalahy,Ka nanao fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama.+ 28  Nandefa haizina Andriamanitra, ka maizina ilay tany;+Tsy nanohitra ny teniny izy ireo.* 29  Novan’Andriamanitra ho ra ny rano tany Ejipta,Ka maty ny trondro tany.+ 30  Feno sahona+ be dia be ny tanin’izy ireo,Na dia hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjaka aza. 31  Nomen’Andriamanitra baiko hanafika azy ireo ny fihitra,Ary hameno ny taniny rehetra ny moka.+ 32  Havandra no nalatsany fa tsy orana,Ary nandefa tselatra* teo amin’ny tanin’izy ireo izy.+ 33  Naripany ny voaloboka sy ny aviavin’izy ireo,Ary notapatapahiny ny hazo tao amin’ny tanin’izy ireo. 34  Niteny izy dia tonga nanafika ny valala,Dia zana-balala tsy hita isa.+ 35  Nohanin’ireny daholo ny zavamaniry tao amin’ilay tany,Ary nohaniny ny vokatry ny tany. 36  Dia naripak’Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tanin’izy ireo,+Izany hoe ireo naterany voalohany. 37  Dia nentiny nivoaka an’i Ejipta ny vahoakany, nitondra volafotsy sy volamena,+Ary tsy nisy nangozohozo* teo amin’ireo fokony, na iray aza. 38  Faly i Ejipta rehefa lasa izy ireo,Satria natahotra mafy an’ireo Israelita* ny Ejipsianina.+ 39  Namelatra rahona izy mba hanakonana azy ireo,+ Ary afo mba hanazavana azy ireo nandritra ny alina.+ 40  Nangataka hena izy ireo, dia nandefasany papelika;+Ary novokisany mofo avy any an-danitra+ izy ireo. 41  Nataony nitresaka ny vatolampy, dia nikoriana ny rano,+Ka lasa toy ny renirano namakivaky ny tany efitra.+ 42  Tsaroany mantsy ny fampanantenana masina nataony tamin’i Abrahama mpanompony.+ 43  Koa nentiny nivoaka ny vahoakany ka faly be,+Ary nentiny ny olom-boafidiny ka nihoby. 44  Nomeny azy ireo ny tanin’ireo firenena;+Nandova an’izay nisasaran’ny firenen-kafa izy ireo,+ 45  Mba hitandreman’izy ireo ny fitsipiny+Sy hankatoavany ny lalàny. Derao i Jah!*

Fanamarihana

Na mety hoe “Resaho.”
Na: “mitendre mozika.”
Na: “Tadiavo foana ny tarehiny.”
Abt: “ny teny nandidiany.”
Abt: “Notapahiny ny hazon’ny mofo rehetra.” Mety ho hazo fanantonana ny mofo notehirizina.
Abt: “Nampijalina.”
Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
Na: “anti-panahy.”
Mety hoe i Mosesy sy Arona.
Na: “lelafo.”
Na: “tafintohina.”
Abt: “azy ireo.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.