Jaona Voalohany 4:1-21

  • Fantaro raha avy amin’Andriamanitra ny fanambarana lazain’ny fanahy (1-6)

  • Ny hoe mahalala sy tia an’Andriamanitra (7-21)

    • “Andriamanitra dia fitiavana” (8, 16)

    • Tsy misy tahotra ny fitiavana (18)

4  Ry malala, aza mino an’izay fanambarana lazain’ny fanahy,*+ fa fantaro aloha raha avy amin’Andriamanitra tokoa ireny fanambarana* ireny na tsia.+ Be dia be mantsy ny mpaminany sandoka eo amin’izao tontolo izao.+  Izao no ahafantaranareo fa avy amin’Andriamanitra ilay fanambarana lazain’ny fanahy: Izay fanambarana rehetra manaiky hoe nofo aman-dra i Jesosy Kristy tamin’izy tonga teto an-tany, dia avy amin’Andriamanitra.+  Izay fanambarana rehetra tsy manaiky an’i Jesosy kosa tsy avy amin’Andriamanitra.+ Fanambaran’ny antikristy izany, ilay efa henonareo hoe ho avy,+ ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady izao.+  Avy amin’Andriamanitra ianareo, ry zanako malalako, ary efa naharesy an’ireny olona ireny,+ satria lehibe noho ilay tafaray amin’izao tontolo izao+ ilay tafaray aminareo.+  Avy amin’izao tontolo izao izy ireny,+ ka izany no antony ilazany zavatra avy amin’izao tontolo izao, ary mihaino azy izao tontolo izao.+  Avy amin’Andriamanitra kosa isika. Izay efa mahalala an’Andriamanitra dia mihaino antsika,+ fa izay tsy avy amin’Andriamanitra kosa tsy mihaino antsika.+ Izany àry no ahaizantsika manavaka raha marina na diso ilay fanambarana lazain’ny fanahy.+  Ry malala, andao isika hifankatia foana,+ satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana. Izay rehetra tia koa dia naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra.+  Izay tsy tia kosa mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.+  Izao no nampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho etỳ amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana+ mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany.+ 10  Ary izao izany fitiavana izany: Tsy hoe isika no tia an’Andriamanitra, fa izy no tia antsika ka naniraka ny Zanany ho sorona fampihavanana*+ noho ny fahotantsika.+ 11  Ry malala, raha hoatr’izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tsy maintsy mifankatia koa isika.+ 12  Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy.+ Raha mifankatia foana anefa isika, dia ao amintsika foana Andriamanitra ary natao lavorary ao am-pontsika ny fitiavany.+ 13  Izao no ahafantarantsika fa tafaray aminy foana isika, ary izy koa tafaray amintsika: Nomeny antsika ny fanahiny. 14  Izahay mihitsy koa no efa nahita sady mijoro ho vavolombelona hoe efa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.+ 15  Izay manaiky hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy,+ dia tafaray aminy foana Andriamanitra, ary izy koa tafaray amin’Andriamanitra.+ 16  Lasa fantatsika hoe tia antsika Andriamanitra,+ dia mino an’izany isika. Andriamanitra dia fitiavana.+ Tafaray amin’Andriamanitra foana izay tsy mitsahatra maneho fitiavana, ary tafaray aminy foana koa Andriamanitra.+ 17  Noho izany, dia natao lavorary ao am-pontsika ny fitiavana, dia amin’izay isika ho sahy hiteny,*+ amin’ny andro fitsarana, satria hoatran’i Kristy isika eto amin’izao tontolo izao. 18  Tsy misy tahotra ny fitiavana,+ satria mandroaka tahotra ny fitiavana lavorary. Manakantsakana antsika mantsy ny tahotra. Matoa ny olona iray matahotra, dia mbola tsy natao lavorary ny fitiavany.+ 19  Isika tia satria izy no tia antsika voalohany.+ 20  Raha misy miteny hoe: “Tia an’Andriamanitra aho”, nefa izy mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga.+ Fa izay tsy tia ny rahalahiny+ izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.+ 21  Ary izao no didy azontsika avy aminy: Tsy maintsy tia ny rahalahiny koa izay tia an’Andriamanitra.+

Fanamarihana

Abt: “ny fanahy rehetra.”
Abt: “fanahy.”
Na: “sorona fandrakofam-pahotana; fomba ampitonena.”
Na: “ho feno toky.”