Salamo 4:1-8
Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Hiran’i Davida.
4 Ry Andriamanitro tia rariny+ ô, valio aho rehefa miantso anao.
Ataovy mahita lalan-kivoahana* amin’ny fahoriako aho.
Iantrao aho, ka henoy ny vavaka ataoko.
2 Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana ianareo no tsy hanome voninahitra ahy fa hanala baraka ahy?
Mandra-pahoviana ianareo no ho tia zavatra tsy misy dikany sy hamoron-dainga? (Sela)
3 Fantaro fa miavaka ny fomba hitondran’i Jehovah* ny olona tsy mivadika aminy;Hihaino i Jehovah rehefa miantso azy aho.
4 Tezera fa aza manota.+
Tazòny ao am-ponareo ihany ny teninareo, eo am-pandriana. Ary aoka ianareo hangina. (Sela)
5 Manaova sorona araka ny fahamarinana,Ary matokia an’i Jehovah.+
6 Maro no miteny hoe: “Iza no hanome zavatra tsara ho antsika?”
Aoka ny hazavanao* hamirapiratra aminay, Jehovah ô!+
7 Ataonao izay hahatonga ny foko ho faly kokoaNoho ny an’ireo nahavokatra varimbazaha be dia be sy divay vaovao betsaka.
8 Hitsotsotra sy hatory amim-piadanana aho,+Satria ianao irery ihany, Jehovah ô, no mahatonga ahy hiadana sy hilamin-tsaina.+
Fanamarihana
^ Abt: “Omeo toerana malalaka.”
^ Na: “fa havahan’i Jehovah; fa hatokan’i Jehovah ho azy.”
^ Abt: “hazavan’ny tarehinao.”