Salamo 46:1-11
Ho an’ny mpitarika. Nataon’ny taranak’i Kora.+ Atao Alamota.* Hira.
46 Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra.+Vonona hanampy foana izy amin’ny fotoan-tsarotra.+
2 Koa tsy hatahotra isika, na miova aza ny tany,Na mianjera any amin’ny ranomasina lalina aza ny tendrombohitra,+
3 Na midoboka mafy sy mandroatra aza ny ranomasina,+Ary na mihovotrovotra aza ny tendrombohitra noho ny ranomasina misamboaravoara. (Sela)
4 Misy renirano misy sampany maro mampifaly ny tanànan’Andriamanitra,+Dia ilay tranolay be voninahitra sy masina, izay an’ny Avo Indrindra.
5 Ao amin’ilay tanàna Andriamanitra,+ ka tsy azo ravana izy io.
Hamonjy azy io Andriamanitra raha vao mangiran-dratsy ny andro.+
6 Nitabataba be ireo firenena, ary naongana ireo fanjakana;Nampiaka-peo Izy, ka nitsonika ny tany.+
7 Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika.+Fialofana* azo antoka ho antsika ilay Andriamanitr’i Jakoba. (Sela)
8 Avia hijery ny asan’i Jehovah,Dia ny zava-mahagaga ataony eto an-tany.
9 Ataony tsy misy ady intsony eran-tany.+
Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona;Dorany ny kalesy fitondran’ny miaramila miady.*
10 “Ekeo hoe resy ianareo, ary fantaro fa izaho no Andriamanitra.
Hisandratra eo amin’ireo firenena aho,+Ary hisandratra eran-tany.”+
11 Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika;+Fialofana azo antoka ho antsika+ ilay Andriamanitr’i Jakoba. (Sela)