Salamo 29:1-11

  • Mahery ny feon’i Jehovah

    • Manao fitafiana masina rehefa manompo (2)

    • “Mikotrokotroka ny feon’ilay Andriamanitra be voninahitra” (3)

    • Manome hery ny vahoakany i Jehovah (11)

Hiran’i Davida. 29  Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, ry zanaky ny mahery!Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, satria be voninahitra sady matanjaka izy.+  2  Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an’izany ny anarany. Manaova fitafiana masina dia miankohofa eo anatrehan’i* Jehovah.*  3  Heno eny ambonin’ny rano ny feon’i Jehovah;Mikotrokotroka ny feon’ilay Andriamanitra be voninahitra.+ Eny ambonin’ny rano be i Jehovah.+  4  Mahery ny feon’i Jehovah;+Be voninahitra ny feon’i Jehovah.  5  Manapatapaka sedera ny feon’i Jehovah;Ataon’i Jehovah potipotika ny sederan’i Libàna.+  6  Ataony mitsambikimbikina toy ny zanak’omby i Libàna,*Ary toy ny zanak’ombidia i Siriona.+  7  Mampisy tselatra ny feon’i Jehovah;+  8  Mahatonga ny tany efitra ho tora-kovitra ny feon’i Jehovah;+Ataon’i Jehovah tora-kovitra ny tany efitr’i Kadesy.+  9  Mahatonga ny serfa ho tora-kovitra sy ho teraka ny feon’i Jehovah,Sady mampihintsan-dravina an’ireo ala.+ Ary izao no lazain’izay rehetra ao amin’ny tempoliny: “Voninahitra!” 10  Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany eo ambonin’ny rano be* i Jehovah;+Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany i Jehovah; Mpanjaka mandrakizay izy.+ 11  Hanome hery ny vahoakany i Jehovah.+ Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana.+

Fanamarihana

Na: “manompoa an’i.”
Na mety hoe “Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah noho ny famirapiratan’ny fahamasinany.”
Azo inoana hoe ny Tandavan-tendrombohitra Libàna.
Na: “ranomasimbe any an-danitra.”