Salamo 102:1-28

  • Vavaky ny olona mijaly rehefa mamoy fo

    • ‘Hoatran’ny vorona manirery aho’ (7)

    • “Toy ny aloka efa tsy ho hita intsony ny androko” (11)

    • “Hanorina indray an’i Ziona i Jehovah” (16)

    • Maharitra mandrakizay i Jehovah (26, 27)

Vavaky ny olona mijaly rehefa mamoy fo* ka mamboraka ny zavatra mampanahy azy amin’i Jehovah.+ 102  Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô!+Ho tonga any aminao anie ny antso vonjy ataoko!+  2  Aza mihodina tsy hijery ahy* rehefa ao anatin’ny sarotra aho.+ Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy;*Mba valio haingana aho rehefa miantso anao.+  3  Fa mandalo toy ny setroka ny androko,Ary may kila toy ny hoe natao tao anaty fatana ny taolako.+  4  Toy ny ahitra nodanihin’ny hainandro ny foko ka malazo,+Fa hadinoko na dia ny mihinan-kanina aza.  5  Noho izaho mitaraindraina mafy,+Dia taolana mifono hoditra sisa aho.+  6  Hoatran’ny gisandrano any an-tany efitra aho;Ary toy ny vorondolo kely any amin’ny tanàna rava.  7  Tsy mahita tory* aho,Sady hoatran’ny vorona manirery eny an-tampon-trano.+  8  Manaraby ahy tontolo andro ny fahavaloko.+ Izay maneso* ahy dia mampiasa ny anarako rehefa manozona.  9  Fa lavenona no hohaniko toy ny mofo,+Ary mifangaro ranomaso ny zavatra sotroiko,+ 10  Satria tezitra sy sosotra ianao,Fa ningainao aho dia narianao. 11  Toy ny aloka efa tsy ho hita intsony* ny androko,+Ary malazo toy ny ahitra aho.+ 12  Fa ianao kosa haharitra mandrakizay, Jehovah ô,+Ary ny lazanao* haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+ 13  Hitsangana tokoa ianao ka hamindra fo amin’i Ziona,+Satria izao no fotoana hankasitrahana azy;+Tonga ny fotoana voatondro.+ 14  Mahafinaritra an’ireo mpanomponao mantsy ny vato eo aminy,+Ary tian’izy ireo na dia ny vovoky ny taniny aza.+ 15  Hatahotra ny anaran’i Jehovah ny firenena.Hatahotra ny voninahitrao daholo koa ny mpanjakan’ny tany.+ 16  Fa hanorina indray an’i Ziona i Jehovah;+Hiseho amim-boninahitra izy.+ 17  Hohenoiny tsara ny vavak’ireo tsy manana na inona na inona;+Tsy hataony tsinontsinona ny vavak’izy ireo.+ 18  Soratana ho an’ny taranaka ho avy izany,+Mba hidera an’i Jah ny firenena iray mbola vao hoforonina. 19  Fa mitazana avy eny amin’ny toerana avo sy masina misy azy izy,+Avy any an-danitra i Jehovah no mijery ny tany, 20  Mba hihaino ny senton’ny voafonja,+Sy hanafaka an’ireo voaheloka ho faty.+ 21  Amin’izay dia hambara any Ziona ny anaran’i Jehovah,+Ary hoderaina any Jerosalema izy, 22  Rehefa miangona mba hanompo an’i Jehovah+Ireo firenena sy fanjakana. 23  Nesoriny talohan’ny fotoana ny heriko;Nohafoheziny ny androm-piainako. 24  Dia hoy aho: “Ry Andriamanitro ô,Aza esorina ny aiko fa vao misasaka ny androm-piainako,Nefa ny taona iainanao maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+ 25  Taloha ela be ianao no nametraka ny fototry ny tany,Ary asan’ny tananao ny lanitra.+ 26  Ho levona ireo fa ianao kosa haharitra;Ho tonta toy ny akanjo ireo rehetra ireo. Hosoloanao toy ny fitafiana ireo, ka tsy hisy intsony. 27  Fa ianao kosa tsy miova, ary tsy hifarana mihitsy ny taonanao.+ 28  Honina tsy hanana ahiahy ny zanaky ny mpanomponao,Ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.”+

Fanamarihana

Na: “mihareraka.”
Abt: “Aza afenina ahy ny tarehinao.”
Na: “Miondreha ary henoy aho.”
Na mety hoe “Lasa mahia kaozatra.”
Na: “maniratsira.”
Na: “aloka mihalava.”
Na: “anaranao.” Abt: “fahatsiarovana anao.”