Salamo 88:1-18

  • Vavaka fangatahana mba tsy ho faty

    • “Efa ho lasa ao amin’ny Fasana ny aiko” (3)

    • ‘Mivavaka aminao aho isa-maraina’ (13)

Hira. Salamo nataon’ny taranak’i Kora.+ Ho an’ny mpitarika; atao Mahalata* ary atao hira mifamaly. Maskila* nataon’i Hemana+ Ezrahita. 88  Ry Jehovah Andriamanitra mpamonjy ahy ô,+Mitaraina aho amin’ny antoandro,Ary mankeo anatrehanao aho amin’ny alina.+   Ho tonga any aminao anie ny vavaka ataoko;+Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino* ny antso vonjy ataoko.+   Fa efa tototry ny fahoriana aho,+Ary efa ho lasa ao amin’ny Fasana* ny aiko.+   Efa isaina ho anisan’ireo midina any an-davaka* aho;+Lasa olona tsy misy mpiaro* aho,+   Nafoy ho anisan’ireo efa maty,Toy ireo olona novonoina matory ao am-pasana,Izay tsy tsaroanao intsonySady tsy karakarainao.   Nataonao tao amin’ny lavaka lalina indrindra aho,Tao amin’ny toerana maizina, tao amin’ny lavaka be mangitsokitsoka.   Mavesatra be amiko ny hatezeranao,+Ary ataonao saron’ny onjanao mahery aho. (Sela)   Nataonao lavitra ahy ny olom-pantatro,+Ary nataonao naharikoriko azy ireo aho. Voafandrika aho ka tsy afa-mitsoaka.   Reraky ny fahoriana ny masoko.+ Miantso anao tontolo andro+ aho, Jehovah ô;Aminao aho no mamelatra ny tanako mba hivavaka. 10  Hanao fahagagana ho an’ny maty ve ianao? Afaka mitsangana hidera anao ve ireo maty tsy mahavita na inona na inona?+ (Sela) 11  Hotorina any am-pasana ve hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao,Ary hambara any amin’ny toerana mahalò ny nofo* ve hoe mendri-pitokisana ianao? 12  Ho fantatra ao amin’ny haizina ve ny fahagagana nataonao,Ary ho fantatra ao amin’ny tanin’ny fanadinoana+ ve ny fahamarinanao? 13  Mbola miantso vonjy aminao ihany anefa aho, Jehovah ô!+Tonga eo anatrehanao isa-maraina ny vavaka ataoko.+ 14  Nahoana ianao no manary ahy,+ Jehovah ô? Nahoana ianao no mihodina tsy hijery ahy?*+ 15  Hatramin’izaho mbola tanoraNo efa nijaly sy saika maty;+Kivy be aho noho ny zavatra mampahory avelanao hozakaiko. 16  Mandifotra ahy ny fahatezeranao mafy;+Ataonao mihorohoro aho ka mila ho faty. 17  Manodidina ahy toy ny rano izany, tontolo andro;Voahodidin’izany aho ka voageja.* 18  Nataonao lavitra ahy ny namako sy ny sakaizako,+Dia ny haizina no lasa namako.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Jereo F.T.
Na: “Miondreha ary henoy.”
Jereo F.T.
Na: “hoatran’ny olona tsy manan-kery.”
Na: “am-pasana.”
Na: “any Abadona.”
Abt: “manafina ny tarehinao amiko?”
Na mety hoe “Miara-mitangorona amiko ireny.”