Isaia 58:1-14

  • Ny fifadian-kanina mety sy tsy mety (1-12)

  • Faly mitandrina ny Sabata (13, 14)

58  “Miantsoantsoa faran’izay mafy, fa aza miahotrahotra mihitsy. Ataovy mafy be hoatran’ny feon’anjombona ny feonao, Ka lazao amin’ny vahoakako hoe nikomy izy ireo,+Ary amin’ny taranak’i Jakoba hoe nanota izy ireo.   Mitady ahy isan’andro, hono, izy ireo,Ary mahafinaritra azy ireo, hono, ny mahafantatra ny lalako.Hoatran’ny hoe firenena nanao ny marina erỳ izy ireo,Ka tsy nahafoy ny didin’ilay Andriamaniny!+ Dia mangataka ahy hitsara ara-drariny izy ireo,Fa mahafinaritra azy, hono, ny manatona an’Andriamanitra.+ Hoy izy ireo:   ‘Fa maninona no tsy jerenao izahay rehefa mifady hanina,+ Ary tsy raharahianao rehefa malahelo noho ny fahotanay?’+ Dia namaly aho hoe: ‘Satria rehefa tonga ny andro ifadianareo hanina, dia izay mahafinaritra anareo ihany no ataonareo,*Sady ampijalinareo koa izay miasa mafy ho anareo.+   Miady sy mifanditra foana ianareo rehefa avy mifady hanina,Sady mifamely totohondry amin-kabibiana. Tsy afaka mifady hanina hoatr’izao ataonareo izao ianareo, nefa avy eo manantena hoe hohenoiko any an-danitra ny feonareo.   Hoatr’izao angaha ny fifadian-kanina tiako hataonareo:Mampahory tena hoatran’ny amin’ny andro fifadian-kanina,Dia miondrika toy ny harefo,Ary matory eo ambony gony sy lavenona? Izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro mahafaly an’i Jehovah?   Hoatr’izao kosa ny fifadian-kanina ekeko: Manala ny gadra vy napetaka noho ny tsy rariny,Mamaha ny tadin’ny zioga,+Manafaka an’izay nampijalina sy mamela azy handeha,+Ary manapaka ny zioga rehetra.   Dia izao koa: Mizara ny mofonao amin’ny noana,+Sy mampiantrano ny mahantra sy ny tsy manan-kialofana,Mampitafy an’izay hitanao hoe mitanjaka,+Ary tsy manome lamosina ny rahalahinao.   Amin’izay dia hamirapiratra toy ny amin’ny maraina ny hazavanao,+Ary ho sitrana haingana ianao. Handeha eo alohanao ny fahamarinanao,Ary ho vodilaharana mpiaro anao ny voninahitr’i Jehovah.+   Hiantso ianao dia hamaly i Jehovah.Hiantso vonjy ianao, dia hilaza izy hoe: ‘Ahoana izay?’ Raha esorinao ny zioga entin’ny olona,Ary tsy tondrotondroinao amin’ny rantsantananao intsony izy, sady tsy haratsiratsinao intsony,+ 10  Raha omenao an’izay irinao koa ny noana,+Sady ataonao afa-po izay mijaly,Dia hamirapiratra ny hazavanao na dia ao anatin’ny haizina aza,Ary ho toy ny mitataovovona ny haizim-pitonao.+ 11  Hitarika anao foana i Jehovah,Ka hataony afa-po ianao, na dia any amin’ny tany karakaina aza.+Hanatanjaka ny taolanao izy,Ka ho lasa hoatran’ny tanimboly azon-drano tsara ianao,+Hoatran’ny loharano tsy mety ritra. 12  Noho ny aminao, dia haorin’izy ireo indray ny toerana efa rava hatry ny ela,+Ary hatsanganao indray ny fototra efa nisy hatramin’ny taranaka taloha.+ Hantsoina hoe mpanamboatra ny manda efa rava* ianao,+Ary mpamerina ny lalana amin’ny laoniny mba hipetrahan’ny olona eny amorony. 13  Raha manaja ny Sabata ianao ka* tsy mitady ny tombontsoanao fotsiny amin’ny androko masina,+Ary raha toa ny Sabata ka ataonao andro tena mahafinaritra anao sy andro masin’i Jehovah ary andro omem-boninahitra,+Ka omenao voninahitra, fa tsy mitady ny tombontsoanao fotsiny ianao sady tsy miteniteny foana, 14  Dia ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah ianao,Ary hataoko mifehy ny toerana avo eny ambonin’ny tany.+ Havelako hihinana* ny vokatra avy amin’ny lovan’i Jakoba razambenao koa ianao.+Fa i Jehovah no efa niteny.”

Fanamarihana

Na: “izay tombontsoanareo ihany no tadiavinareo.”
Abt: “ny gorobaka.”
Abt: “ka mamerina ny tongotrao fa.”
Na: “hankafy.”