Salamo 120:1-7

  • Vahiny mitady fihavanana

    • ‘Afaho amin’ny lela mamitaka aho’ (2)

    • “Mitandro fihavanana aho” (7)

Hira Fiakarana.* 120  Niantso an’i Jehovah aho tao anatin’ny sarotra,+Dia namaly ahy izy.+ 2  Jehovah ô, afaho amin’ny molotra mandainga aho,Sy amin’ny lela mamitaka. 3  Inona no hataon’Andriamanitra aminao, ary ahoana no hanasaziany anao,*Ry lela mpamitaka?+ 4  Hosaziny amin’ny zana-tsipìka maranitra+ alefan’ny miaramilaSy amin’ny vainafon’anjavidy+ ianao. 5  Idiran-doza aho fa vahiny mipetraka ao Meseka!+ Monina eo amin’ireo tranolain’i Kedara+ aho. 6  Efa ela loatra aho no niara-nipetrakaTamin’ireo tsy tia fihavanana.+ 7  Mitandro fihavanana aho, nefa isaky ny miteny aho,Dia mila ady izy ireo.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “ary inona no hampiany aminao?”