Mpitoriteny 12:1-14

  • Tsarovy ny Mpamorona dieny mbola tsy antitra (1-8)

  • Famaranan-tenin’ilay mpamory vahoaka (9-14)

    • Hoatran’ny hazo fanindronana omby ny tenin’ny hendry (11)

    • Matahora an’ilay tena Andriamanitra (13)

12  Tsarovy àry ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao,+ dieny mbola tsy tonga ny andro mampahory*+ sy ireo taona izay hitenenanao hoe: “Tsy tiako mihitsy izao fiainako izao!”,  dieny mbola tsy maizina ny hazavan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,+ ary dieny mbola tsy mandrahona indray ny andro aorian’ny oram-be mivatravatra.*  Amin’izay fotoana izay dia lasa mangozohozo* ireo mpiambina* trano, manjoko ireo lehilahy matanjaka, tsy afaka mitoto intsony ny vehivavy satria efa lasa vitsy, ary maizina izay jeren’ny vehivavy mitazana eo am-baravarankely,+  mikatona ny varavarana mankeny an-dalana, tsy heno tsara intsony ny feon’ny vato fikosoham-bary, manaitra amin’ny torimaso na dia ny feom-boronkely fotsiny aza, ary lasa iva kely ny feon’ny vehivavy mpihira rehetra.+  Mampahatahotra koa ny toerana avo, ary misy zavatra mampitebiteby eny an-dalana. Mamony koa ny hazo amandie,+ miresaresa ny valala rehefa mandeha, ary mamelana ny kapra,* satria mandeha ho any amin’ny trano hipetrahany maharitra ny olona,+ ary mandehandeha eny an-dalana ny olona misaona.+  Koa tsarovy ny Mpamorona anao, dieny mbola tsy tapaka ny tady volafotsy, mbola tsy potika ny vilia baolina volamena, mbola tsy vaky ny siny eny amin’ny loharano, ary mbola tsy potika ny fitaovana fihodinan’ny tady* eo amin’ny lavadrano.  Dia hiverina amin’ny tany toy ny teo aloha ny vovoka,+ fa ny hery mamelona kosa hiverina amin’ilay tena Andriamanitra izay nanome azy.+  “Tena tsisy dikany”,* hoy ilay mpamory vahoaka,+ “tsisy dikany ny zava-drehetra!”+  Lasa hendry ilay mpamory vahoaka, sady mbola nampianariny an’izay fantany foana ny olona.+ Nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina koa izy, mba hahafahany handahatra* ohabolana be dia be.+ 10  Niezaka nitady teny mahafinaritra ilay mpamory vahoaka,+ sady niezaka nanoratra teny marina tsara tsy misy diso. 11  Hoatran’ny hazo fanindronana omby ny tenin’ny hendry,+ ary toy ny fantsika milentika mafy tsara ny teny voafantina lazainy. Avy tamin’ny mpiandry iray ihany izy ireny. 12  Ankoatra izany, anaka, dia izao no ampitandremako anao: Tsy ho tapitra ny boky mivoaka, ka mandreraka ny vatana* ny mifantoka be amin’ireny.+ 13  Izao no famaranan-teny rehefa heno izany rehetra izany: Matahora an’ilay tena Andriamanitra+ ka ankatoavy ny didiny.+ Izany mantsy no adidy lehibe indrindra tokony hataon’ny olombelona.+ 14  Fa ilay tena Andriamanitra no hitsara hoe tsara sa ratsy ny zavatra atao rehetra, anisan’izany ny zava-miafina rehetra.+

Fanamarihana

Na: “ireo andro ahitana loza.”
Na mety hoe “ny rahona mitondra oram-batravatra.”
Na: “mangovitra.”
Na: “mpiandry.”
Voan-javatra mampahazoto homana.
Fitaovana antsoina hoe bolaky na polia.
Na: “zava-poana.”
Na: “hanambatra.”
Abt: “nofo.”