Isaia 53:1-12

  • Nampijalina, novonoina, ary nalevina ilay mpanompon’i Jehovah (1-12)

    • Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona (3)

    • Nitondra ny aretina sy ny fanaintainana (4)

    • “Hoatran’ny ondry hovonoina” (7)

    • Nitondra ny fahotan’ny olona maro (12)

53  Iza no mba nino ny zavatra henony taminay?*+ Ary iza no nampisehoan’i Jehovah ny sandriny?+   Hitsiry toy ny rantsankazo+ eo anatrehany* izy, hoatran’ny faka maniry eny amin’ny tany karakaina. Tsy mba hoatran’ny olo-manan-kaja no fahitana azy, sady tsy manana voninahitra izy.+Tsy mba voasarika hanatona azy izahay rehefa mahita ny bika aman’endriny.*   Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona izy,+Ary lehilahy nahalala fanaintainana,* sady nahafantatra tsara ny atao hoe aretina. Hoatran’ny hoe nafenina anay ny endriny.* Natao tsinontsinona izy, ary noheverinay ho tsy misy dikany.+   Nitondra ny aretinay tokoa izy,+Ary nizaka ny fanaintainanay.+ Nihevitra anefa izahay hoe voaozona izy, ka nokapohin’Andriamanitra sy nampijalina.   Notrobarana+ noho ny helokay anefa izy,+Ary natao torotoro noho ny fahadisoanay.+ Izy no niharan’ny sazy mba hahafahanay hihavana amin’Andriamanitra,+Ary ny ratrany no nahatonga anay ho sitrana.+   Nirenireny toy ny ondry izahay rehetra,+Ka samy nivily nanaraka ny lalanay avy.Ary nampitondrain’i Jehovah azy ny fahadisoanay rehetra.+   Nampijalina+ sy nanaiky hampahorina izy,+Nefa tsy mba niteny mihitsy. Nentina hoatran’ny ondry hovonoina izy,+Hoatran’ny ondrivavy mangina eo anatrehan’ny mpanety azy,Ka tsy niteny mihitsy.+   Noho ny fampahoriana* sy ny fitsarana, dia nesorina ny ainy.*Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany?* Nesorina hiala tamin’ny tanin’ny velona izy.+Nokapohina* koa izy noho ny heloky ny vahoakako.+   Nomena fasana niaraka tamin’ny ratsy fanahy izy,*+Ary niaraka nalevina tamin’ny mpanankarena* izy rehefa maty,+Na dia tsy nanao ratsy* mihitsy azaSady tsy nisy fitaka teo am-bavany.+ 10  Sitrapon’i Jehovah* anefa ny hanorotoro azy, dia navelany hijaly izy. Raha atolotrao ho fanatitra noho ny heloka ny ainy,+Dia hahita an’izay ho taranany izy sady ho lava andro iainana.+Izy koa no hanatanteraka an-tsakany sy an-davany an’izay tian’i* Jehovah.+ 11  Niaritra ny mafy izy ka ho afa-po amin’izay hitany. Efa mahalala zavatra betsaka ny mpanompoko,+ dia ilay olo-marina,Ka hanampy olona be dia be ho lasa olo-marina.+Hozakainy koa ny fahadisoan’izy ireo.+ 12  Noho izany, dia homeko anjara miaraka amin’ny maro izy,Ka hifampizara babo miaraka amin’ny mahery.Fa nanome ny ainy izy ka maty mihitsy,+Ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna.+Nitondra ny fahotan’ny olona maro koa izy,+Sady nanelanelana mba hahasoa an’ireo mpandika lalàna.+

Fanamarihana

Na mety hoe “zavatra henonay?”
Mety hoe eo anatrehan’ny olona iray mitazana, na eo anatrehan’Andriamanitra, izany.
Na: “Tsy mba miavaka ny bika aman’endriny ka tsy manintona anay.”
Na mety hoe “Nihodina ny olona mba tsy hijery ny endriny.”
Na: “natao hanaintaina.”
Na: “sakantsakana.”
Abt: “nesorina izy.”
Na: “ny fomba fiainany?”
Na: “Nokapohina ho faty.”
Na: “tsy nahery setra.”
Abt: “lehilahy iray mpanankarena.”
Na: “Hisy hanome ny fasany miaraka amin’ny ratsy fanahy.”
Na: “Nahafinaritra an’i Jehovah.”
Na: “an’izay sitrapon’i; an’izay mahafinaritra an’i.”