Salamo 7:1-17
-
Mpitsara manao ny rariny i Jehovah
-
‘Jehovah ô, tsarao aho’ (8)
-
Hira fanehoana alahelo* nohirain’i Davida ho an’i Jehovah, noho ny tenin’i Kosy Benjaminita.
7 Jehovah Andriamanitro ô, ianao no ialofako.+
Vonjeo aho tsy ho azon’izay rehetra manenjika ahy ka afaho.+
2 Raha tsy izany mantsy, dia hoviravirain’izy ireo toy ny ataon’ny liona aho,+Ka hoentiny mandositra nefa tsy misy mpamonjy.
3 Jehovah Andriamanitro ô, raha izaho no diso,Na nanao ny tsy rariny,
4 Na nanao ratsy tamin’izay nanisy soa ahy,+Na nandroba ny fahavaloko tsy amin’antony,*
5 Dia aoka hanenjika ahy ny fahavalo ka hahatratra ahy;Aoka hohitsakitsahiny eo amin’ny tany aho,*Ary hohosihoseny eo amin’ny vovoka ny voninahitro. (Sela)
6 Mitsangàna, Jehovah ô, ary asehoy hoe tezitra ianao!Mijoroa hanohitra ny fisafoakan’ny fahavaloko;+Mifohaza hamonjy ahy, ary asaivo ampiharina ny rariny.+
7 Aoka hanodidina anao ireo firenena;Dia hamely azy ireo avy eny amin’ny avo ianao.
8 Hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin’ireo firenena i Jehovah.+
Jehovah ô, tsarao araka ny fahamarinakoSy ny tsy fivadihako+ aho.
9 Mba farano re ny zava-dratsy ataon’ny ratsy fanahy e!
Ataovy mafy orina kosa ny olo-marina,+Satria ianao ilay Andriamanitra tia rariny,+ izay mandinika ny fo+ sy ny fihetseham-po lalina indrindra.*+
10 Andriamanitra no ampingako,+ dia ilay Mpamonjy ny mahitsy fo.+
11 Mpitsara manao ny rariny Andriamanitra,+Ary manambara ny didim-pitsarany* isan’andro izy.
12 Rehefa misy olona tsy mibebaka,+ dia mandranitra ny sabany+ izy;Mamoritra sy manomana ny tsipìkany+ izy.
13 Manomana fitaovam-piadiana mahafaty izy;Ataony vonona ny zana-tsipìka mirehitra.+
14 Jereo ilay bevohoka faharatsiana;Fahoriana no miforona ao an-kibony, ka lainga no aterany.+
15 Mihady lavaka izy ary ataony lalina be ilay izy,Nefa izy ihany no ho latsaka ao.+
16 Hivaly aminy* ihany ny fampahoriana ataony;+Hilatsaka eo an-tampon-dohany ny herisetra vitany.
17 Hidera an’i Jehovah aho fa manao ny rariny izy;+Hihira fiderana* aho ho an’ny anaran’i Jehovah,+ ilay Avo Indrindra.+
Fanamarihana
^ Na: “Hira fisaonana.”
^ Na mety hoe “Nefa nitsimbina an’ilay nanohitra ahy tsy amin’antony.”
^ Abt: “ny aiko.”
^ Na: “mitsapa ny fo sy ny voa.”
^ Na: “fanamelohana.”
^ Abt: “Hitsingerina eo an-dohany.”
^ Na: “Hitendry mozika.”