Korintianina Faharoa 5:1-21

  • Hahazo an’ilay fonenana any an-danitra (1-10)

  • Fanompoana fampihavanana (11-21)

    • Zavaboary vaovao (17)

    • Ambasadaoro solon’i Kristy (20)

5  Fa fantatsika fa raha horavana* ny tranontsika eto an-tany, izany hoe ity vatana toy ny tranolay ity,+ dia homen’Andriamanitra trano tsy nataon-tanana+ sady maharitra mandrakizay any an-danitra isika.  Mitaraindraina tokoa mantsy isika ato amin’ity trano* ity, ary maniry mafy hahazo an’ilay trano* avy any an-danitra,*+ izay hanaovantsika hoatran’ny akanjo,  mba tsy ho hita hoe mitanjaka isika rehefa tena manao an’ilay izy.  Mitaraindraina tokoa isika ato amin’ity tranolay ity sady vesaran’ny tebiteby. Tsy hoe te hanala azy ity anefa isika, fa te hitafy an’ilay iray kosa.+ Amin’izay dia hatelin’ny fiainana ilay mety maty.+  Ary ilay nanomana antsika ho amin’izany dia Andriamanitra,+ izay nanome antsika ny fanahiny ho antoka ny amin’izay ho avy.*+  Be herim-po foana àry isika ary fantatsika fa raha mbola monina ato amin’ity vatana ity isika, dia mbola tsy any amin’ny Tompo.+  Fa finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.  Be herim-po anefa isika, ary aleontsika tsy ao amin’ity vatana ity fa hiara-mipetraka amin’ny Tompo.+  Ataontsika tanjona àry ny hahazo sitraka aminy, na miara-mipetraka aminy isika na tsy any aminy. 10  Tsy maintsy hiseho* eo anatrehan’ny toeram-pitsaran’i Kristy mantsy isika rehetra, mba hovaliana arakaraka izay nataony ny tsirairay, na tsara na ratsy ny nataony+ tamin’izy mbola tao amin’ilay vatana. 11  Koa satria fantatray hoe tokony hatahotra ny Tompo izahay, dia resenay lahatra foana ny olona mba hino an’izay ampianarinay. Mahafantatra tsara anay anefa Andriamanitra,* ary antenaiko fa nanampy anareo hahafantatra tsara anay koa ny feon’ny fieritreretanareo.* 12  Tsy hoe midera tena aminareo indray izahay, fa mampirisika anareo kosa hirehareha ny aminay. Amin’izay ianareo dia ho afaka hamaly an’ireo mirehareha ny amin’izay miseho etỳ ivelany+ fa tsy ny amin’izay ao am-po. 13  Raha adala+ mantsy izahay dia ho an’Andriamanitra, ary raha misaina tsara izahay dia ho anareo. 14  Fa ny fitiavan’i Kristy no manery* anay, satria lasa fantatray hoe olona iray no maty ho an’ny rehetra.+ Efa maty mantsy izy rehetra, raha ny marina. 15  Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona,+ fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana. 16  Koa tsy mijery olona araka ny fomba fijerin’olombelona*+ intsony izahay manomboka izao. Na dia nijery an’i Kristy araka ny fomba fijerin’olombelona* aza izahay taloha, dia tsy hoatr’izany intsony ny fahitanay azy amin’izao.+ 17  Raha misy olona tafaray amin’i Kristy àry, dia zavaboary vaovao+ izy. Efa lasa ny zavatra taloha, ary ireo misy zava-baovao. 18  Ny zava-drehetra anefa dia avy amin’Andriamanitra, izay nampihavana anay taminy tamin’ny alalan’i Kristy.+ Ary nomeny fanompoana fampihavanana+ izahay, 19  dia ny hanambara fa nampiasain’Andriamanitra i Kristy mba hahatonga an’izao tontolo izao hihavana aminy,+ ka nodiany tsy hita* ny fahadisoan’izy ireo.+ Ary nankininy taminay ny fitoriana ny hafatra momba ny fampihavanana.+ 20  Ambasadaoro+ solon’i Kristy+ àry izahay, ka toy ny hoe miangavy amin’ny alalanay Andriamanitra. Solon’i Kristy izahay ka miangavy hoe: “Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!” 21  Ilay tsy mba nanota+ no nataony fanatitra noho ny ota* hamonjena anay, mba ho lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra+ izahay, amin’ny alalany.

Fanamarihana

Na: “ho levona.”
Na: “fonenana.”
Na: “fonenantsika.”
Na: “avy any amin’ny fonenantsika any an-danitra.”
Na: “ho vodiondrim-barotra.”
Na: “haseho miharihary.”
Na: “Miharihary eo anatrehan’Andriamanitra anefa izahay.”
Na: “miharihary ao amin’ny feon’ny fieritreretanareo koa izahay.”
Na: “mandrisika.”
Abt: “araka ny nofo.”
Abt: “araka ny nofo.”
Na: “ka tsy nisainy.”
Na: “nataony ho ota.”