Ho An’ny Efesianina 5:1-33

  • Zavatra ratsy tsy tokony hotononina na hatao (1-5)

  • Asehoy fa zanaky ny mazava ianareo (6-14)

  • Aoka ianareo ho feno fanahy masina (15-20)

    • Ampiasao tsara ny fotoananareo (16)

  • Torohevitra ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady (21-33)

5  Tahafo àry Andriamanitra,+ satria zanany malalany ianareo.  Dia miezaha foana haneho fitiavana,+ hoatran’ny nitiavan’i Kristy antsika*+ sy nanolorany ny tenany mba hatao fanatitra sy sorona ho antsika,* ho hanitra mamerovero ho an’Andriamanitra.+  Aza avela hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana* sy izay rehetra mety ho fahalotoana na faniriana tsy mety afa-po,+ fa tsy mety amin’ny olona masina izany.+  Aza avela hotononina koa izay fitondran-tena mahamenatra na resaka adaladala na vazivazy vetaveta,+ satria samy tsy mendrika ireo. Aleo kosa misaotra an’Andriamanitra.+  Fantatrareo mantsy, ary takatrareo tsara fa samy tsy manana lova ao amin’ny Fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra,+ na ny mpijangajanga,*+ na ny olona manaraka fanao maloto, na ny olona tsy mety afa-po,+ izany hoe mpanompo sampy.  Aza avela hisy hamitaka anareo amin’ny teny tsy misy dikany, satria ireo zavatra ireo no mahatonga an’Andriamanitra ho tezitra amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.  Aza manao hoatr’ireny* àry.  Tao amin’ny haizina mantsy ianareo teo aloha, fa efa ao amin’ny mazava+ kosa izao, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo.+ Asehoy eo amin’ny fiainanareo foana fa zanaky ny mazava ianareo.  Ny vokatry ny mazava mantsy dia izay rehetra atao hoe hatsaran-toetra sy fanaovana ny marina ary fahamarinana.+ 10  Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny+ Tompo, 11  ary aza atao intsony ny zavatra tsy misy dikany fanaon’ny olona ao amin’ny maizina.+ Asehoy kosa hoe ratsy ireny zavatra ireny. 12  Fa mahamenatra na dia ny manonona an’izay ataon’ireny olona ireny ao amin’ny miafina aza. 13  Asehon’ny hazavana ny zava-drehetra abaribary,* fa lasa mazava daholo ny zava-drehetra aseho. 14  Voalaza àry hoe: “Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna amin’ny maty,+ dia hanazava anao i Kristy.”+ 15  Koa mitandrema tsara foana amin’izay ataonareo, mba ho hita hoe hendry ianareo fa tsy adala, 16  ka ampiasao tsara ny fotoananareo,*+ fa ratsy izao andro izao. 17  Aza miadaladala intsony àry, fa fantaro foana izay sitrapon’i Jehovah.*+ 18  Ary aza mba mamon’ny divay,+ fa mahatonga anareo hanao hadalana* izany. Aoka kosa ianareo ho feno fanahy masina foana. 19  Rehefa mifampiresaka koa ianareo,* dia mifampahereza amin’ny salamo sy fiderana an’Andriamanitra ary hira masina,+ ary mihirà amin’ny fo ho an’i Jehovah,*+ miaraka amin’ny mozika.+ 20  Misaora foana+ koa an’ilay Andriamanitra Raintsika noho ny zavatra rehetra, ary ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika izany.+ 21  Samia manaiky ny namanareo avy ianareo,+ noho ianareo matahotra an’i Kristy. 22  Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo,+ toy ny anekena ny Tompo, 23  satria ny lehilahy no lohan’ny vadiny,+ hoatran’i Kristy izay lohan’ny fiangonana,+ ary izy no mpamonjy an’io vatana* io. 24  Hoatran’ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no tokony haneken’ny vehivavy ny vadiny amin’ny zavatra rehetra. 25  Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo,+ tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy,+ 26  mba hanamasinany azy, ka hanadiovany azy amin’ny rano fandroana, izany hoe ny teny.+ 27  Amin’izay ny fiangonana dia ho tena tsara eo anatrehany, ka tsy hisy pentina na ketrona na zavatra hoatr’izany,+ fa ho masina sy tsy misy tsiny.+ 28  Hoatr’izany koa fa tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy, hoatran’ny itiavany ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. 29  Tsy misy olona mankahala ny tenany* mantsy, fa mamelona sy miahy azy kosa, hoatran’ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana, 30  satria anisan’ny vatany isika.+ 31  “Noho izany, dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana* amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.”+ 32  Lehibe izany zava-miafina masina izany.+ Miresaka momba an’i Kristy sy ny fiangonana+ aho. 33  Na izany aza, dia tsy maintsy tia ny vadiny+ tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay, fa ny vehivavy indray tokony hanaja lalina ny vadiny.+

Fanamarihana

Na mety hoe “anareo.”
Na mety hoe “anareo.”
Grika: pôrneia. Jereo F.T.
Na: “Aza mifandraindray amin’ireny.”
Na: “anarina.”
Na: “hararaoty tsara ny fotoana anananareo.” Abt: “vidio ny fotoana voatondro.”
Jereo F.F. A5.
Na: “ho tsy laitra fehezina.”
Na mety hoe “Miresaha ianareo aminareo.”
Jereo F.F. A5.
Izany hoe ny fiangonana.
Abt: “nofony.”
Na: “tsy hiala.”