Salamo 9:1-20

  • Hanambara ny zavatra mahatalanjona nataon’i Jehovah

    • Fialofana azo antoka i Jehovah (9)

    • Matoky an’i Jehovah izay mahalala ny anarany (10)

Ho an’ny mpitarika; atao Mota-labena.* Hiran’i Davida. א [Alefa] 9  Hidera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah ô!Hilaza an’ireo zavatra rehetra mahatalanjona nataonao+ aho.   Hifaly sy hiravoravo aho noho ny aminao;Hihira fiderana* ho an’ny anaranao aho, ry Avo Indrindra ô!+ ב [Beta]   Rehefa mitsoaka mandositra ny fahavaloko,+Dia ho tafintohina sy ho ringana eo anatrehanao.   Fa niaro ahy ianao mba hahazoako rariny;Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ianao, ka mitsara araka ny rariny.+ ג [Gimela]   Nanarinao mafy ireo firenena+ ary naringanao ny ratsy fanahy,Ka nofafanao mandrakizay mandrakizay ny anaran’izy ireo.   Ripaka tsy misy intsony ny fahavalo;Noravanao ny tanànany,Ka tsy hotsarovana intsony izy ireo.+ ה [He]   I Jehovah kosa mipetraka mandrakizay eo amin’ny seza fiandrianany;+Ataony mafy orina ny seza fiandrianany mba hampiharana ny rariny.+   Hotsarainy araka ny rariny ny tany misy mponina;*+Hamoaka didim-pitsarana ara-drariny ho an’ireo firenena izy.+ ו [Vao]   Ho fialofana* azo antoka i Jehovah ho an’izay ampahorina,+Dia fialofana azo antoka amin’ny fotoan-tsarotra.+ 10  Hatoky anao izay mahalala ny anaranao;+Tsy hafoinao mihitsy izay mitady anao, Jehovah ô!+ ז [Zaina] 11  Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah, ilay mipetraka ao Ziona;Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony.+ 12  Fa hahatsiaro an’ireo ampijalina Izy ka hamaly an’izay nandatsaka ny ran’izy ireo;+Tsy hohadinoiny ny fitarainan’izy ireo.+ ח [Heta] 13  Iantrao aho, Jehovah ô! Jereo ny fahoriako noho ny ataon’ireo mankahala ahy.Ianao no mampitsangana ahy hiala eo am-bavahadin’ny fahafatesana,+ 14  Mba hanambarako eo am-bavahadin’i Ziona zanakavavy+ ny asa mendri-piderana ataonao,Sy hifaliako noho ny asa famonjena ataonao.+ ט [Teta] 15  Latsaka ao amin’ny lavaka nataony ireo firenena;Ny tongony ihany no voafandriky ny harato nafeniny.+ 16  Fantatra amin’ny didim-pitsarana ampihariny i Jehovah.+ Ny zavatra nataon’ny tanan’ny ratsy fanahy ihany no mamandrika azy.+ Higaiona.* (Sela) י [Yôda] 17  Handositra ho any amin’ny Fasana* ny ratsy fanahy,Dia ny firenena rehetra manadino an’Andriamanitra. 18  Tsy hohadinoina foana kosa ny mahantra;+Ary tsy ho foana mandrakizay ny fanantenan’ny mpandefitra.+ כ [Kafa] 19  Mitsangàna, Jehovah ô! Aza avela handresy ny olombelona mety maty. Enga anie hotsaraina eo anatrehanao ireo firenena!+ 20  Ataovy raiki-tahotra izy ireo, Jehovah ô!+Aoka ho fantatr’ireo firenena fa olombelona mety maty ihany izy ireo. (Sela)

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “Hitendry mozika.”
Na: “ny tany lonaka.”
Na: “toerana avo.”
Jereo F.T.
Jereo F.T.