Ho An’ny Romanina 12:1-21

  • Atolory ho sorona velona ny tenanareo (1, 2)

  • Fahaizana samihafa nefa vatana iray ihany (3-8)

  • Ny tokony hataon’ny Kristianina (9-21)

12  Noho izany, ry rahalahy, dia miangavy anareo aho, noho ny fangoraham-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ho sorona velona sy masina+ ary ankasitrahan’Andriamanitra ny tenanareo.+ Manao fanompoana masina ianareo amin’izany sady mampiasa tsara ny sainareo.+  Ary aza manaiky hovolavolain’izao tontolo izao* intsony. Fa miovà kosa ka havaozy ny sainareo+ mba hamantaranareo tsara ny sitrapon’Andriamanitra,*+ izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.  Fa noho ny hatsaram-panahy miavaka naseho tamiko, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony ho izy.+ Asehoy kosa fa misaina tsara ianareo, araka ny finoana nomen’Andriamanitra anareo* tsirairay.+  Fa misy rantsambatana maro ny vatantsika,+ nefa tsy mitovy ny asan’izy rehetra.  Hoatr’izany koa fa vatana iray tafaray amin’i Kristy isika na be dia be aza, ary rantsambatana mifampiankina* isika tsirairay.+  Manana fahaizana* samihafa isika, arakaraka ny hatsaram-panahy miavaka naseho tamintsika.+ Raha fahaizana maminany ilay izy, dia tokony haminany arakaraka ny finoana ananantsika isika.  Raha fanompoana kosa no nomena antsika, dia tokony hanompo foana isika. Ary izay mampianatra, dia tokony hampianatra foana.+  Izay mampahery,* dia tokony hampahery.*+ Izay mizara,* dia tokony halala-tanana.+ Izay mitarika,* dia tokony hazoto hanao an’izany.+ Ary izay mamindra fo, dia tokony hanao an’izany amim-pifaliana.+  Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo.+ Ankahalao ny ratsy,+ ary mifikira amin’ny tsara. 10  Mifankatiava hoatran’ny mpirahalahy, ary ataovy izay hampiraiki-po anareo samy ianareo. Mifanomeza voninahitra, ka aoka ianareo no ho voalohany hanome voninahitra ny hafa.*+ 11  Mazotoa miasa* fa aza kamokamo.*+ Aoka ianareo harehitry ny fanahy.+ Manompoa an’i Jehovah.*+ 12  Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta fahoriana.+ Mahareta amin’ny vavaka.+ 13  Mba anomezo amin’izay anananareo ny olona masina, araka izay ilainy.+ Miezaha ho tia mandray vahiny.+ 14  Miezaha foana hirary soa an’izay manenjika anareo.+ Miezaha hirary soa fa aza manozona.+ 15  Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. 16  Ataovy hoatran’ny tenanareo ihany ny olon-kafa. Aza manambony tena, fa miezaha hanetry tena.*+ Aza mihevi-tena ho hendry.+ 17  Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.+ Mba eritrereto hoe inona no zavatra heverin’ny olona rehetra hoe tsara.* 18  Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.+ 19  Aza mamaly faty, ry malala, fa avelao Andriamanitra no hampiseho ny hatezerany.+ Fa voasoratra hoe: “‘Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly’, hoy i Jehovah.”*+ 20  Fa “raha noana ny fahavalonao, dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, dia omeo zavatra hosotroiny. Fa hampivangongo vainafo eo ambony lohany* ianao raha manao an’izany.”+ 21  Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny tsara foana ny ratsy.+

Fanamarihana

Na: “hovolavolain’izao vanim-potoana izao.” Jereo F.T.
Na: “handresenareo lahatra ny tenanareo momba izay takin’Andriamanitra.”
Na: “araka ny fatram-pinoana nozarain’Andriamanitra taminareo.”
Na: “mifandray.”
Abt: “fanomezana.”
Na: “mampirisika.”
Na: “hampirisika.”
Na: “manome.”
Na: “mitondra.”
Na: “no hitarika an’izany.”
Na: “Miezaha hafana fo.”
Na: “Aza malaina amin’izay ataonareo.”
Jereo F.F. A5.
Na: “Aza mikatsaka zavatra ambony loatra, fa zavatra tsotra katsahina.”
Na: “zavatra tsara eo imason’ny olona rehetra.”
Jereo F.F. A5.
Izany hoe mampitony an’ilay olona, toy ny hoe mampitsonika ny hamafin’ny fony.