Salamo 62:1-12
Ho an’ny mpitarika; atao Jedotona.* Hiran’i Davida.
62 Andriamanitra tokoa no andrasako amim-panginana.
Izy no hamonjy ahy.+
2 Izy tokoa no vatolampiko sy mpamonjy ahy, fialofana* azoko antoka;+Tsy hangozohozo be loatra mihitsy aho.+
3 Mandra-pahoviana ianareo no hamely olona mba hahafaty azy?+
Mampidi-doza hoatran’ny manda mitongilana ianareo rehetra,* hoatran’ny manda vato efa hirodana.
4 Fa mikaon-doha izy ireo mba hanonganana azy hiala amin’ny toerana ambony tanany;*Mahafinaritra azy ireo ny mandainga.
Ny vavany mirary soa, nefa ny fony manozona.+ (Sela)
5 Miandry an’Andriamanitra amim-panginana tokoa aho,+Satria izy no antenaiko.+
6 Izy tokoa no vatolampiko sy mpamonjy ahy, fialofana azoko antoka;Tsy hangozohozo mihitsy aho.+
7 Miankina amin’Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro.
Vatolampy mafy sy fialofana ho ahy Andriamanitra.+
8 Matokia azy foana ianareo, rey olona ô!
Aborahy aminy ny ao am-ponareo.+
Fialofana ho antsika Andriamanitra.+ (Sela)
9 Toy ny fofonaina fotsiny ny zanak’olombelona,Tsy azo ianteherana ny taranak’olombelona.+
Raha miara-atao eo ambony mizana izy ireo, dia maivana kokoa noho ny fofonaina.+
10 Aza miantehitra amin’ny fanaovana an-keriny,Na manantena ny hahazo tombony avy amin’ny fandrobana.
Raha mitombo ny harenanareo, dia aza manankim-po amin’izany.+
11 Niteny indray mandeha Andriamanitra; indroa aho no nahare hoe:
An’Andriamanitra ny hery.+
12 Anao koa, Jehovah ô, ny fitiavana sy ny tsy fivadihana,+Fa mamaly ny tsirairay araka ny nataony ianao.+
Fanamarihana
^ Na: “toerana avo.”
^ Na mety hoe “Ianareo rehetra manao azy ho toy ny manda mitongilana.”
^ Na: “amin’ny voninahiny.”