Genesisy 49:1-33
49 Ary nantsoin’i Jakoba ny zanany lahy, ka hoy izy: “Avia daholo ianareo fa holazaiko anareo izay hitranga aminareo any am-parany any.
2 Avia daholo dia henoy ny teniko, ry zanak’i Jakoba. Henoy tsara izao lazain’i Israely rainareo izao:
3 “Robena!+ Ianao no lahimatoako+ sy tanjako, ary ianao no naterako voalohany. Be voninahitra ianao sady tena matanjaka.
4 Tsy nifehy tena anefa ianao, fa hoatran’ny rano vaky tsy azo sakanana, ka tsy ho lasa ambony noho ny rahalahinao. Niakaranao mantsy ny fandrianan’ny rainao.+ Nolotoinao* ny fandrianako tamin’izay. Dia tena niakarany tokoa ny farafarako!
5 “Mpirahalahy i Simeona sy Levy,+ ary nentiny nisetrasetra ny fitaovam-piadiany.+
6 Enga anie aho tsy hinamana amin’izy ireo! Enga anie ianao tsy hivorivory miaraka amin’ireo, ry voninahitro!* Fa tezitra be izy ireo ka namono olona,+ sady fahafinaretana ho azy ny nanapaka ny hoza-tongotry ny omby.
7 Ho voaozona anie ny hatezeran’izy ireo, satria nahatonga azy hasiaka sy ho tia mampijaly!+ Aleo izy ireo haparitako any amin’ny tanin’i Jakoba sy any amin’ny tanin’ny Israely.+
8 “Ary ianao, ry Joda,+ hoderain’ny rahalahinao ianao.+ Ho eo amin’ny hatoky ny fahavalonao ny tananao,+ ary hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.+
9 Zana-diona ianao, ry Joda.+ Hihinana remby ianao, anaka, dia avy eo handeha.* Namitsaka izy dia nitsotsotra toy ny liona. Hoatran’ny liona izy, ka iza no ho sahy hanaitra azy?
10 Tsy hiala amin’i Joda mihitsy ny tehim-panjakana,+ ary tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan’i Silo.*+ Dia hankatò an’i Silo ny firenena rehetra.+
11 Hofatorany eo amin’ny voaloboka ny ampondrany, ary hofatorany eo amin’ny voaloboka tena tsara ny zanak’ampondrany. Hosasany amin’ny divay ny fitafiany, ary hosasany amin’ny ranom-boaloboka* ny akanjony.
12 Mena be mihitsy ny masony satria izy misotro divay, ary fotsy ny nifiny satria izy misotro ronono.
13 “I Zebolona+ kosa hipetraka eny amoron-tsiraka, eny amoron-drano fiantsonan’ny sambo.+ Ary ho tandrifin’i Sidona ny sisin-taniny farany lavitra.+
14 “I Isakara+ indray dia ampondra mafy taolana, ka sady matory izy no mitondra kitapon-dasely roa.
15 Ho hitany fa tsara ny toerana ipetrahany sady mahafinaritra ilay tany. Hiondrika izy dia hitondra entana eo an-tsorony, sady hanaiky hanao asa an-terivozona.
16 “Hitsara ny fireneny i Dana,+ izay anisan’ny fokon’ny Israely.+
17 Enga anie i Dana ho lasa bibilava eny amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka eny an-tsisin-dalana! Hokaikeriny ny tongotry* ny soavaly mba hianjera any aoriana ny mpitaingina azy.+
18 Hiandry ny famonjena avy aminao aho, Jehovah ô!
19 “I Gada+ indray hotafihin’ny mpandroba, fa izy kosa hanafika ny vodilaharan’ireny.+
20 “Hanana sakafo* be dia be* i Asera,+ ary hanome sakafo mendrika homena ny mpanjaka.+
21 “I Naftaly+ kosa serfa* manifinify. Mahafinaritra erỳ ny teny lazainy!+
22 “I Josefa+ indray sampan’ny hazo mamoa, dia hazo mamoa eo akaikin’ny loharano, ary misandrahaka any ivelan’ny manda ny sampany.
23 Nitana lolompo taminy anefa ny mpandefa zana-tsipìka, ka nanafika sy nitifitra azy tsy an-kijanona.+
24 Na izany aza, dia mbola tao amin’ny toerany foana ny tsipìkany,+ ary natanjaka sady mailamailaka foana ny tanany.+ Avy amin’ny tanan’ilay maherin’i Jakoba izany, avy amin’ilay mpiandry, ilay vatolampin’i Israely.
25 Avy amin’ilay Andriamanitry ny rainao izy,* dia ilay Andriamanitra hanampy anao. Miaraka amin’ilay Mahery Indrindra koa izy, dia ilay hitahy anao ka hanome anao rano avy any amin’ny lanitra ambony sy avy any ambany,+ ary hanome anao zanaka sy biby fiompy maro be.*
26 Ny tsodranon’ny rainao dia ho tsara lavitra noho ireo zava-tsoa avy amin’ny tendrombohitra maharitra mandrakizay, sady ho tsara lavitra noho ny zavatra mahafinaritra eny amin’ny havoana maharitra ela.+ Ho eo an-dohan’i Josefa foana izany tsodrano izany, dia eo an-tampon-dohan’ilay nosinganina tamin’ny rahalahiny.+
27 “I Benjamina+ kosa hamiravira ny fahavalony toy ny amboadia.+ Hihinana remby izy amin’ny maraina, ary hizara an’izay zavatra azony babo izy amin’ny hariva.”+
28 Avy amin’ireo rehetra ireo ny foko 12 teo amin’ny Israely, ary izany no nolazain’ny rainy tamin’izy ireo rehefa nitso-drano azy izy. Samy nomeny tsodrano mifanentana aminy avy izy ireo.+
29 Taorian’izay, dia namela hafatra tamin’izy ireo izy hoe: “Kely sisa aho dia hangonina any amin’ny razambeko.*+ Aleveno miaraka amin’ny razambeko aho, ao amin’ilay lava-bato eo amin’ny sahan’i Efrona Hetita,+
30 dia ilay lava-bato eo amin’ilay saha ao Makpela tandrifin’i Mamre, any Kanana. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita mba hataony toeram-pandevenana.
31 Tao no nandevenana an’i Abrahama sy Saraha vadiny.+ Tao koa no nandevenana an’i Isaka+ sy Rebeka vadiny, ary tao no nandevenako an’i Lea.
32 Novidina tamin’ny taranak’i Heta ilay saha sy ilay lava-bato ao.”+
33 Rehefa avy namela an’izany hafatrafatra rehetra izany tamin’ny zanany lahy i Jakoba, dia nakariny teo am-pandriana ny tongony dia nitsotra izy. Ary niala aina izy dia nangonina any amin’ny razambeny.*+
Fanamarihana
^ Na: “Nozimbazimbainao.”
^ Na mety hoe “ry fanirian’ny foko!”
^ Abt: “hiakatra.”
^ Midika hoe “Ilay Tompony; Izy no Tompony.”
^ Abt: “ram-boaloboka.”
^ Abt: “hato-tongotry.”
^ Abt: “mofo.”
^ Abt: “matavy.”
^ Na: “serfavavy.”
^ Abt: “hanome anao ny fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.”
^ Izany hoe Josefa.
^ Oha-teny ilazana ny hoe ho faty.
^ Oha-teny ilazana ny hoe maty.

