Genesisy 40:1-23

  • Nohazavain’i Josefa ny dikan’ny nofin’ny gadra roa (1-19)

    • “Andriamanitra ihany no mahay manazava ny dikan’ny nofy” (8)

  • Nitsingerina ny andro nahaterahan’i Farao (20-23)

40  Taorian’izany, dia nanao diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotrony+ sy ny lehiben’ny mpanao mofo. 2  Dia tezitra tamin’ireo tandapany roa ireo i Farao, izany hoe tamin’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.+ 3  Koa nampidiriny tao amin’ilay fonja tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina+ izy ireo, tao amin’ilay nigadran’i Josefa.+ 4  Ary notendren’ilay lehiben’ny mpiambina hiaraka tamin’izy roa lahy i Josefa, dia hikarakara an’izay ilain’izy ireo.+ Ary tao am-ponja elaela* izy ireo. 5  Indray alina, dia samy nanonofy ilay mpandroso zava-pisotro sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta, izay nigadra tao am-ponja. Samy nisy dikany ny nofiny. 6  Rehefa nankeo amin’izy ireo i Josefa ny ampitso maraina, dia hitany fa kivikivy izy ireo. 7  Koa nanontanian’i Josefa ireo tandapan’i Farao ireo, izay niara-nigadra taminy tao an-tranon’ny tompony, hoe: “Fa maninona ianareo no maloka endrika androany?” 8  Dia hoy izy ireo: “Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy mahay manazava aminay ny dikan’ilay izy.” Ary hoy i Josefa: “Andriamanitra ihany no mahay manazava ny dikan’ny nofy.+ Mba tantarao amiko hoe ilay izy!” 9  Dia nitantara ny nofiny tamin’i Josefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro, hoe: “Nanonofy aho hoe nisy voaloboka naniry, hono, teo alohako teo. 10  Ary nisy sampany telo tamin’ilay voaloboka. Nitsimoka ilay izy dia namelana, ary nisy voaloboka masaka. 11  Teny an-tanako, hono, ny kaopin’i Farao, dia nalaiko ireo voaloboka ireo ka nofiazako hankao anatin’ilay kaopy. Dia natolotro an’i Farao ilay kaopy.” 12  Ary hoy i Josefa taminy: “Izao no dikan’izany: Ny sampany telo dia telo andro. 13  Rehefa afaka telo andro, dia havoakan’i Farao ianao,* ka haveriny amin’ny toeranao.+ Ary hanolotra ny kaopin’i Farao ianao, hoatran’ny efa nataonao taloha tamin’ianao nandroso zava-pisotro+ ho azy. 14  Mba tsarovy anefa aho rehefa mandeha tsara ny fiainanao. Dia mba iantrao aho,* ka resaho any amin’i Farao any ny momba ahy mba ho tafavoaka ato aho. 15  Nalaina an-keriny avy any amin’ny tanin’ny Hebreo+ mantsy aho. Sady izaho koa tatỳ tsy nanao na inona na inona tokony ho nampidirana ahy tato amin’ity fonja* ity.”+ 16  Rehefa hitan’ilay lehiben’ny mpanao mofo hoe tsara ilay dikan’ny nofy nohazavain’i Josefa, dia hoy izy taminy: “Izaho indray nanonofy hoe niloloha harona telo, dia feno mofo fotsy tao anatiny. 17  Ary nisy mofo isan-karazany ho an’i Farao tao anatin’ilay harona farany ambony. Nohanin’ny vorona anefa ny mofo tao anatin’ilay harona nololohaviko.” 18  Dia hoy i Josefa: “Izao no dikan’izany: Ny harona telo dia telo andro. 19  Rehefa afaka telo andro, dia hotapahin’i Farao ny lohanao,* ary hahantony eo amin’ny tsato-kazo ianao, ka hohanin’ny vorona ny nofonao.”+ 20  Tamin’ny andro fahatelo, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’i Farao.+ Dia nanao fety ho an’ny mpanompony rehetra izy, ka navoakany* ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ny lehiben’ny mpanao mofo mba ho hitan’ny mpanompony. 21  Naveriny tamin’ny toerany ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro, ka nanolotra zava-pisotro ho an’i Farao indray. 22  Fa nahantony kosa ilay lehiben’ny mpanao mofo, araka ny dikan’ny nofy nohazavain’i Josefa tamin’izy ireo.+ 23  Tsy nahatsiaro an’i Josefa anefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro, fa nanadino azy.+

Fanamarihana

Abt: “andro maro.”
Abt: “hasandratr’i Farao ny lohanao.”
Na: “Dia aoka ianao ho tia ahy sy tsy hivadika amiko.”
Abt: “lavaka fanangonan-drano; lavaka.”
Abt: “hasandratr’i Farao hiala aminao ny lohanao.”
Abt: “nasandrany ny lohan’ny.”