Genesisy 28:1-22

  • Nasain’i Isaka nankany Padana-arama i Jakoba (1-9)

  • Nanonofy i Jakoba tao Betela (10-22)

    • Naverin’i Jehovah tamin’i Jakoba ilay fampanantenany (13-15)

28  Dia niantso an’i Jakoba i Isaka ka nitso-drano azy sady nanafatrafatra hoe: “Aza maka vady eto Kanana.+ 2  Fa mandehana any Padana-arama, any an-tranon’i Betoela rain’ny reninao, dia makà vady amin’ny zanakavavin’i Labana+ anadahin-dreninao. 3  Hitahy anao ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ka hataony manan-taranaka ianao, sady hataony lasa be dia be ny taranakao. Dia ho lasa firenena lehibe ianao.+ 4  Hitahy anao sy ny taranakao koa izy, hoatran’ny nitahiany an’i Abrahama.+ Amin’izay ho lasanao ity tany ivahinianao ity, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.”+ 5  Koa nalefan’i Isaka nandeha i Jakoba, ka lasa nankany Padana-arama, ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela Aramianina+ sady anadahin’i Rebeka+ renin’i Jakoba sy Esao. 6  Ary fantatr’i Esao fa efa nitso-drano an’i Jakoba i Isaka, sady efa nandefa azy ho any Padana-arama mba haka vady any. Fantany koa fa tamin’i Isaka nitso-drano azy, dia nanafatrafatra izy hoe: “Aza maka vady eto Kanana.”+ 7  Dia hitany hoe nankatò ny rainy sy ny reniny i Jakoba ka lasa nankany Padana-arama.+ 8  Fantatr’i Esao àry hoe tsy nahafaly an’i Isaka rainy ny vehivavy tao Kanana.+ 9  Koa nankany amin’i Ismaela i Esao ka nanambady an’i Mahalota, ankoatra an’izay vady efa nalainy. Zanakavavin’i Ismaela zanak’i Abrahama i Mahalota, sady anabavin’i Nebaiota.+ 10  Ary niala tao Beri-sheba i Jakoba ka nankany Harana.+ 11  Tonga teo amin’ny toerana iray izy rehefa elaela, ka nanapa-kevitra hoe hatory eo, satria efa nilentika ny masoandro. Naka vato iray teo àry izy hataony ondana, dia natory teo.+ 12  Dia nanonofy izy hoe nisy tohatra teo amin’ny tany ary tonga hatreny amin’ny lanitra ny tampony. Dia nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo amin’ilay izy.+ 13  Hitany koa fa io i Jehovah teo an-tampon’ilay tohatra, niteny hoe: “Izaho no Jehovah, ilay Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Isaka.+ Homeko anao sy ny taranakao ity tany ity sy io toerana atorianao io.+ 14  Dia ho lasa be dia be hoatran’ny vovoka amin’ny tany ny taranakao,+ ka hiparitaka any andrefana sy any atsinanana sy any avaratra ary any atsimo. Ary azo antoka fa amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana* ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+ 15  Hanampy anao aho ka hiaro anao any amin’izay rehetra alehanao, dia haveriko eto amin’ity tany ity indray ianao.+ Tsy handao anao mihitsy aho raha tsy efa vitako izay nampanantenaiko anao.”+ 16  Dia taitra tamin’ny torimasony i Jakoba, ka niteny hoe: “Tena eto amin’ity toerana ity i Jehovah, fa izaho no tsy nahafantatra.” 17  Natahotra izy tamin’izay sady niteny hoe: “Hafakely mihitsy ity toerana ity fa masina! Tena tranon’Andriamanitra mihitsy ity,+ ary eto no vavahadin’ny lanitra!”+ 18  Ary nifoha maraina i Jakoba, dia nalainy ilay vato nataony ondana ka nataony tsangambato. Dia nandraraka menaka teo ambonin’ilay tsangambato izy.+ 19  Koa nataony hoe Betela* ny anaran’ilay toerana, nefa Lozy no anaran’ilay tanàna taloha.+ 20  Ary nivoady i Jakoba hoe: “Raha manampy ahy foana Andriamanitra ka arovany aho amin’izao diako izao, sady omeny sakafo hohaniko sy akanjo hanaovako, 21  ary tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ny raiko, dia ho hitako tokoa hoe Andriamanitro i Jehovah. 22  Ary ho lasa tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangambato ity.+ Dia tsy maintsy homeko azy ny ampahafolon’izay rehetra homeny ahy.”

Fanamarihana

Na: “hahazo fitahiana.”
Midika hoe “Tranon’Andriamanitra.”