Genesisy 16:1-16
-
Hagara sy Ismaela (1-16)
16 Ary tsy nanan-janaka i Saray vadin’i Abrama.+ Nanana mpanompovavy ejipsianina atao hoe Hagara+ anefa izy.
2 Dia hoy i Saray tamin’i Abrama: “Azafady ange ianao e! Tsy navelan’i Jehovah hanan-janaka aho. Koa mba manaova firaisana amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hahazo zanaka avy aminy aho.”+ Dia nihaino an’i Saray i Abrama.
3 Efa nipetraka folo taona tany Kanana i Abrama tamin’izay. Ary nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara mpanompovaviny ejipsianina, ka nomeny ho vadin’i Abrama.
4 Dia nanao firaisana tamin’i Hagara i Abrama, ka bevohoka i Hagara. Rehefa fantatr’i Hagara anefa hoe bevohoka izy, dia nambanimbaniny ny tompovaviny.
5 Dia hoy i Saray tamin’i Abrama: “Ianao ihany no nahatonga an’izao fijaliako izao! Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho eo an-tratranao, nefa rehefa fantany fa bevohoka izy, dia nambanimbaniny aho. Aleo i Jehovah no hitsara hoe iza no diso, izaho sa ianao!”
6 Dia hoy i Abrama tamin’i Saray: “Ianao ange manam-pahefana amin’ny mpanompovavinao e! Ataovy aminy izay hitanao fa mety.” Dia nataon’i Saray afa-baraka i Hagara, ka lasa nandositra.
7 Rehefa nandeha ny fotoana, dia hitan’ny anjelin’i Jehovah teo akaikin’ny loharano iray tany an-tany efitra i Hagara. Teo amin’ny lalana mankany Sora+ io loharano io.
8 Dia hoy ilay anjely: “Ry Hagara mpanompovavin’i Saray, avy taiza ianao, dia ho aiza?” Dia hoy izy: “Mitsoaka an’i Saray tompovaviko aho.”
9 Ary hoy ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Miverena any amin’ny tompovavinao, dia manetre tena eo anatrehany.”
10 Hoy koa ilay anjelin’i Jehovah: “Hataoko lasa be dia be ny taranakao, ka tsy ho voaisa satria be loatra.”+
11 Hoy ihany ilay anjelin’i Jehovah: “Bevohoka ianao izao, dia ho tera-dahy. Ataovy hoe Ismaela* ny anarany, fa efa henon’i Jehovah ny fahorianao.
12 Ho lasa hoatran’ny ampondradia* izy. Hanohitra ny olona rehetra izy, ary ny olona rehetra kosa hanohitra azy. Hipetraka eny ampitan’ny* rahalahiny rehetra izy.”
13 Ary nantsoin’i Hagara ny anaran’i Jehovah, ilay niresaka taminy, dia hoy izy: “Andriamanitra mahita tokoa ianao!”+ Fa hoy izy: “Izaho ve dia tena nahita an’ilay mahita ahy tokoa, teto amin’ity toerana ity?”
14 Izany no nahatonga an’ilay lavadrano hantsoina hoe Bera-lahai-roy.* Eo anelanelan’i Kadesy sy Bareda izy io.
15 Dia nitera-dahy tamin’i Abrama i Hagara, ka nataon’i Abrama hoe Ismaela ny anaran’ilay zanany naterak’i Hagara.+
16 Ary 86 taona i Abrama, tamin’i Hagara niteraka an’i Ismaela.
Fanamarihana
^ Midika hoe “Maheno Andriamanitra.”
^ Angamba ilazana ny toetra hoe tsy te hofehifehezina.
^ Na mety hoe “Hankahala ny.”
^ Midika hoe “Lavadranon’ilay Velona Mahita Ahy.”