Isaia 27:1-13

  • Hovonoin’i Jehovah ny Leviatana (1)

  • Hira: Tanimboaloboka i Israely (2-13)

27  Amin’izany andro izany, dia hampiasain’i Jehovah ny sabany maranitra sy lehibe ary mafy,+Ka hofaiziny ny Leviatana,* ilay bibilava mitsoriaka.Hofaiziny ny Leviatana, ilay bibilava miolanolana,Ary hovonoiny ilay biby ngezabe any an-dranomasina.   Amin’izany andro izany, dia mihirà ho azy,* hoe: “Tanimboaloboka mamokatra divay mandroatra!+   Izaho, Jehovah, no miaro azy.+ Hanondraka azy amin’ny fotoana rehetra aho.+ Dia harovako andro aman’alina izy,Mba tsy hisy hanimba.+   Tsy tezitra intsony aho.+ Raha misy fahavalo misakana ny lalako amin’ny tsilo sy ahidratsy, Dia hohitsakitsahiko ireny, ary hataoko indray mandoro.   Raha tsy izany, dia tokony hifikitra amin’ilay fiarovana mafy omeko izy. Tokony hitady fihavanana amiko izy,Ary hitady ahy mba hihavana izahay.”   Amin’ny andro ho avy, dia hisy fakany i Jakoba,Ary hamony sy hitsimoka i Israely.+Dia hofenoin’izy ireo vokatra ilay tany.+   Tsy maintsy hokapohina hoatran’ny ikapohan’ilay mikapoka azy ve izy? Sa izy tsy maintsy hovonoina hoatran’ny nandripahana an’ireo novonoina teo aminy?   Hiady aminy ianao sady hanao kiakiaka mampahatahotra rehefa mandroaka azy. Horoahinao amin’ny rivotra mifofofofo mafy avy aminao izy, amin’ny andro isian’ny rivotra avy any atsinanana.+   Hoatr’izao àry no handrakofana ny fahadisoan’i Jakoba,+Ary izao no ho vokany rehefa esorina ny fahotany: Hataony toy ny vatosokay nopotipotehinaNy vato rehetra eo amin’ny alitara,Ary tsy hisy tsato-kazo masina* na fandoroana emboka manitra ho tavela intsony.+ 10  Fa hiala ao amin’ilay tanàna voaro mafy ny mponina rehetra ao,Ary ho hadino sy hilaozana toy ny tany efitra ny kijana.+ Any ny zanak’omby no hiraoka ahitra sy hatory,Ary hihinana sampan-kazo.+ 11  Rehefa maina ireo rantsany kely,Dia ho tonga hanapaka an’ireny ny vehivavyMba hataony kitay. Fa tsy misaina ity vahoaka ity,+ Ka tsy hamindra fo aminy ny Mpanao azy,Ary tsy hiantra azy+ ny Mpamolavola azy. 12  Amin’izany andro izany, dia hahintsan’i Jehovah ny voankazo, hatrany amin’ny rano mikoriana avy any amin’ny Renirano* ka hatrany amin’ny Reniranon’i* Ejipta.+ Dia hangonina tsirairay ianareo, ry vahoakan’Israely.+ 13  Ary hisy anjombona lehibe hotsofina,+ amin’izany andro izany. Dia ho tonga izay efa ho faty any Asyria+ sy izay miparitaka any Ejipta,+ ka hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah eo amin’ny tendrombohitra masina any Jerosalema.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Angamba i Israely, izay oharina amin’ny vehivavy sy amin’ny tanimboaloboka.
Jereo F.T.
Izany hoe Eofrata.
Na: “Lalan-driakan’i.” Jereo F.T.