Salamo 3:1-8

  • Matoky an’i Jehovah na dia tandindomin-doza aza

    • ‘Nahoana no be dia be ny fahavalo?’ (1)

    • “Avy amin’i Jehovah ny famonjena” (8)

Hiran’i Davida tamin’izy nandositra an’i Absaloma zanany.+ 3  Jehovah ô, nahoana no lasa be dia be toy izao ny fahavaloko?+ Nahoana no maro be no mitsangana hanohitra ahy?+  2  Betsaka no milaza momba ahy hoe: “Tsy hovonjen’Andriamanitra izy.”+ (Sela)*  3  Ianao anefa no ampinga manodidina ahy, Jehovah ô,+Ianao no voninahitro,+ ary Ianao no mampitraka ny lohako.+  4  Hiantso mafy an’i Jehovah aho,Dia hamaly ahy avy any an-tendrombohiny masina+ izy. (Sela)  5  Hitsotsotra aho ka hatory,Ary hifoha sady tsy hanana ahiahy,Satria manohana ahy foana i Jehovah.+  6  Tsy atahorako ny olona an’alinaliny,Izay milahatra manodidina ahy mba hamely ahy.+  7  Mitsangàna, Jehovah ô! Vonjeo aho,+ ry Andriamanitro ô! Fa hamely an’ireo fahavaloko rehetra eo amin’ny valanoranony ianao;Hotapatapahinao ny nifin’ny ratsy fanahy.+  8  Avy amin’i Jehovah ny famonjena.+ Mitahy ny vahoakanao ianao. (Sela)

Fanamarihana

Jereo F.T.