Ho An’ny Galatianina 6:1-18
6 Ry rahalahy, raha misy olona manao zavatra tsy mety nefa tsy fantany akory, dia ianareo izay matotra* no tokony hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy.+ Mitandrema tsara+ anefa sao halaim-panahy koa ianao.+
2 Miezaha foana hifanampy rehefa misy zava-tsarotra manavesatra,+ fa manatanteraka ny lalàn’i Kristy ianareo rehefa manao an’izany.+
3 Fa raha misy mihevi-tena hoe ambony nefa tsinontsinona,+ dia mamita-tena izy.
4 Aleo anefa ny tsirairay samy handinika an’izay ataony,+ amin’izay dia ny zavatra ataony no hahafaly azy. Fa tsy tokony hampitaha ny tenany amin’olon-kafa izy.+
5 Samy hitondra ny entany* avy mantsy ny tsirairay.+
6 Izay ampianarina* ny tenin’Andriamanitra koa, dia tokony mba hifampizara ny zavatra tsara rehetra amin’ilay mampianatra* azy.+
7 Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina,* fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.+
8 Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny fanirian-dratsin’ny nofony. Fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.+
9 Aza mba reraka manao ny tsara mihitsy àry isika, satria hijinja ny vokatr’izany isika amin’ny fotoana mety, raha tsy kivy.*+
10 Koa raha mbola afaka manao soa* ihany isika, dia tokony hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.
11 Jereo ange ny hangezan’ny soratra nosoratan’ny tanako ho anareo e!
12 Izay rehetra te hiseho hoe tsara etỳ ivelany* no miezaka manery anareo hoforana. Ny antony anaovany an’izany anefa dia satria fotsiny izy tsy te henjehina noho ny hazo fijalian’i* Kristy.
13 Na ny olona voafora aza tsy mitandrina ny Lalàna akory,+ fa tiany hoforana fotsiny ianareo dia amin’izay izy ireo afaka mirehareha momba anareo.*
14 Enga anie aho tsy hirehareha mihitsy, raha tsy hoe momba ny hazo fijalian’i* Jesosy Kristy+ Tompontsika ihany angaha! Amiko, dia tamin’ny alalany no namonoana an’izao tontolo izao ho faty,* fa amin’izao tontolo izao kosa, dia tamin’ny alalany no namonoana ahy ho faty.
15 Fa tsy ny hoe voafora na tsy voafora no zava-dehibe,+ fa ny hoe zavaboary vaovao.+
16 Enga anie hahazo fiadanana sy famindram-po izay rehetra manaraka tsara an’izany fitsipika izany, izany hoe ny Israelin’Andriamanitra!+
17 Aza misy manahirana ahy intsony manomboka izao, satria efa mitondra marika eo amin’ny vatako aho manamarina hoe mpanompon’i Jesosy aho.+
18 Enga anie ianareo, ry rahalahy, hanehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika hatsaram-panahy miavaka noho ianareo manana toe-tsaina tsara! Amena.
Fanamarihana
^ Na: “izay tarihin’ny fanahy masina.”
^ Na: “andraikiny.”
^ Fampianarana am-bava no resahina eto.
^ Fampianarana am-bava no resahina eto.
^ Na: “tsiratsiraina; hamavoina.”
^ Na: “tsy reraka.”
^ Abt: “manana fotoana voatondro.”
^ Abt: “eo amin’ny nofo.”
^ Abt: “ny nofonareo.”
^ Na: “namonoana an’izao tontolo izao teo amin’ny tsato-kazo.”