Samoela Voalohany 5:1-12
5 Rehefa azon’ny Filistinina ny Vata+ masin’ilay tena Andriamanitra, dia nentin’izy ireo avy tao Ebenezera nankany Asdoda.
2 Dia nalain’izy ireo ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra, ka nampidiriny tao an-tranon’i* Dagona ary nataony teo akaikin’i Dagona.+
3 Rehefa nifoha maraina ny Asdodita ny ampitson’iny, dia io fa efa nianjera nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah, i Dagona.+ Nobatain’izy ireo àry ilay izy ka naveriny teo amin’ny toerany.+
4 Rehefa nifoha maraina indray izy ireo ny ampitson’iny, dia io fa nianjera nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah, i Dagona. Tapaka ny lohany sy ny felatanany roa, ka nipitika teo an-tokonam-baravarana. Ny tapany toy ny trondro* sisa tavela.
5 Izany no mahatonga ny mpisoron’i Dagona sy izay rehetra mankao an-tranon’i Dagona, tsy hanitsaka ny tokonam-baravaran’i Dagona ao Asdoda, hatramin’izao.
6 Nosazin’i Jehovah ny Asdodita,* ka nataony nahita faisana. Nataony voan’ny hemoroida+ mantsy ny mponina tao Asdoda sy ny faritra manodidina azy.
7 Rehefa nahita an’izay nitranga ny olona tao Asdoda, dia niteny hoe: “Aza ajanona eto amintsika ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely, fa ny tanany efa namely mafy antsika sy Dagona andriamanitsika.”
8 Naniraka olona ho any amin’ny mpitondra rehetra teo amin’ny Filistinina àry izy ireo, dia novoriny izy ireny ary nanontaniany hoe: “Hataontsika ahoana ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely?” Dia namaly ireo hoe: “Aleo afindra any Gata+ ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely.” Nafindran’izy ireo nankany àry ilay Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely.
9 Rehefa nafindra tany ilay Vata, dia namely an’ilay tanàna ny tanan’i Jehovah ka nihorohoro izy ireo. Nosaziny ny olona tao an-tanàna ka voan’ny hemoroida, na ny kely na ny lehibe.+
10 Nalefan’izy ireo nankany Ekrona+ àry ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra. Raha vao tonga tao Ekrona anefa ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra, dia nitaraina mafy ny Ekronita hoe: “Nentin-dry zareo atỳ aminay ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely, mba hahafaty anay sy ny vahoakanay!”+
11 Dia naniraka olona ho any amin’ny mpitondra rehetra teo amin’ny Filistinina izy ireo, dia novoriny izy ireny ary noteneniny hoe: “Alefaso any io Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely io! Avereno any amin’ny toerany any io, mba tsy hahafaty anay sy ny vahoakanay.” Fa natahotra be ny iray tanàna sao ho faty. Nanasazy mafy+ azy ireo mantsy ilay* tena Andriamanitra,
12 ka izay olona tsy maty dia voan’ny hemoroida. Ary tonga hatrany an-danitra ny antso vonjy nataon’ilay tanàna.
Fanamarihana
^ Na: “amin’ny tempolin’i.”
^ Abt: “I Dagona.”
^ Abt: “Navesatra tamin’ny Asdodita ny tanan’i Jehovah.”
^ Abt: “Navesatra be tamin’izy ireo ny tanan’ilay.”