Joela 3:1-21

  • Hitsara ny firenena rehetra i Jehovah (1-17)

    • Lohasahan’i Josafata (2,12)

    • Lohasahan’ny didim-pitsarana (14)

    • Jehovah, ilay fiarovana mafy ho an’ny Israely (16)

  • Hitahy ny vahoakany i Jehovah (18-21)

3  “Fa amin’izany andro sy fotoana izany,Rehefa ampodiko izay babo amin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+  2  Dia hangoniko koa ny firenena rehetra,Ka hampidiniko ho eo amin’ny Lohasahan’i* Josafata.* Eo no hitsarako azy ireo,+Noho izay nataony tamin’ny Israely vahoakako sy lovako.Naparitany tany amin’ireo firenena mantsy izy ireo,Ary nifampizarany koa ny taniko.+  3  Nataony antsapaka ny vahoakako.+Ny zazalahy namidiny mba hanakaramany mpivaro-tena,Ary ny zazavavy namidiny mba hahazoana divay hosotroina.  4  Dia sahinareo ve ny manao an’izany amiko,Ry Tyro sy Sidona, sy ry faritr’i Filistia rehetra? Te hamaly faty ahy angaha ianareo? Raha mamaly faty ahy ianareo,Dia havaliko aminareo* faran’izay haingana ny ataonareo.+  5  Nalainareo mantsy ny volafotsiko sy ny volamenako,+Ary nentinareo tao amin’ny tempolinareo ny harenako sarobidy indrindra.  6  Namidinareo tamin’ny Grika ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+Amin’izay izy ireo ho lasa lavitra ny tanindrazany.  7  Dia hampirisihiko hiala any amin’ny toerana nivarotana azy izy ireo,+Ary izay nataonareo ihany no havaliko aminareo.  8  Hamidiko amin’ny mponin’i Joda ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy,+Ka hamidiny amin’ireo lehilahy any Sheba, any amin’ny firenena lavitra be.Fa izaho Jehovah no efa niteny.  9  Lazao any amin’ireo firenena izao:+ ‘Miomàna hiady!* Entano ny lehilahy matanjaka! Asaivo manatona daholo ny miaramila, dia asaivo mandroso!+ 10  Tefeo ho sabatra ny angadinombinareo, ary tefeo ho lefona ny antsy fandrantsananareo voaloboka. Aoka ny reraka hiteny hoe: “Matanjaka aho.” 11  Tongava hifanampy, ry firenena rehetra manodidina, ka mivoria.’”+ Jehovah ô, ampidino ho eny amin’izany toerana izany ny miaramilanao mahery! 12  “Entano hankeny amin’ny Lohasahan’i* Josafata ireo firenena,Fa eo aho no hipetraka hitsara ny firenena rehetra manodidina.+ 13  Arosoy ny antsy fijinjana, fa masaka ny vokatra. Midìna dia hitsakitsaho ny voaloboka, fa feno be ny lavaka fanitsakitsahana azy.+ Efa mihoatra ny fanantazana azy ny ranom-boaloboka, satria vao mainka manao ratsy ireo firenena. 14  Vahoaka be, vahoaka be no eo amin’ny lohasahan’ny* didim-pitsarana,Fa ho avy tsy ho ela eo amin’ny lohasahan’ny* didim-pitsarana ny andron’i Jehovah.+ 15  Ho lasa maizina ny masoandro sy ny volana,Ary tsy hamirapiratra intsony ny kintana. 16  Hierona hoatran’ny liona avy ao Ziona i Jehovah,Ary hiantsoantso avy ao Jerosalema izy. Hihozongozona ny lanitra sy ny tany,Nefa ho fialofan’ny vahoakany i Jehovah,+Sady ho fiarovana mafy ho an’ny vahoakan’Israely. 17  Dia ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo izay mipetraka ao Ziona, tendrombohitro masina.+ Ho lasa toerana masina i Jerosalema,+Ka tsy hisy vahiny* handalo ao intsony.+ 18  Amin’izany andro izany, dia hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra,+Hisy ronono hikoriana eny amin’ny havoana,Ary hisy rano hikoriana eny amin’ny renirano rehetra any Joda. Hisy loharano hikoriana avy ao an-tranon’i Jehovah,+Ka hanondraka ny Lohasahan’ny* Hazo Akasia. 19  Fa i Ejipta kosa tsy hisy mponina intsony,+Ary i Edoma ho lasa tany karakaina.+Nahery setra tamin’ny mponin’i Joda mantsy izy ireo,+Sady nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny tany Joda.+ 20  Fa i Joda kosa hisy mponina foana,Ary i Jerosalema hisy mponina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+ 21  Hoheveriko ho tsy manan-tsiny izy ireo,* na dia nanan-tsiny aza ny fahitako azy taloha.+Ary izaho Jehovah dia hipetraka ao Ziona.”+

Fanamarihana

Na: “Lemaka Ivan’i.”
Midika hoe “I Jehovah no Mpitsara.”
Abt: “eo an-dohanareo.”
Na: “Hamasino hiady ny tenanareo!”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Na: “lemaka ivan’ny.”
Na: “lemaka ivan’ny.”
Na: “hafa firenena.”
Na: “Lalan-driakan’ny.”
Abt: “ny ran’izy ireo.”