Salamo 104:1-35
104 Te hidera an’i Jehovah aho!+
Tena miavaka tokoa ianao, Jehovah Andriamanitro ô!+
Mitafy haja amam-boninahitra ianao.+
2 Toy ny akanjo andrakofanao ny tenanao ny hazavana;+Ary henjaninao toy ny tranolay ny lanitra.+
3 Apetrany eny amin’ny rano eny amin’ny habakabaka* ny vatan-kazo anaovany ny efitranony ambony rihana.+Ataony toy ny kalesiny ny rahona,+Ary mandeha amin’ny elatry ny rivotra izy.+
4 Ataony mahery* ny anjeliny,Ary ataony afo mandevona ny mpanompony.+
5 Nataony mafy orina teo ambonin’ny fototra iorenany ny tany,+Ka tsy hihetsika eo amin’ny toerany* mandrakizay mandrakizay.+
6 Nampitafianao azy toy ny akanjo ny rano lalina.+
Nandifotra tendrombohitra ny rano.
7 Noteneninao mafy ny rano ka nandositra;+Naheno ny feon’ny kotroka nalefanao ireny, ka nirifatra nitsoaka
8 Tany amin’ny toerana nataonao ho azy.Nisondrotra ny tendrombohitra,+ ary niletsy ny lohasaha.
9 Nasianao fetra ny rano mba tsy hihoatra,+Ka tsy hanarona ny tany intsony izany.
10 Asiany loharano eny amin’ny lohasaha;*Mikoriana eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny.
11 Manome rano fisotro ho an’ny bibidia rehetra ireny,Ka afaka hetaheta ny ampondradia.
12 Eny amin’ny hazo eny amoron’ireny no ipetrahan’ny vorona;Misiotsioka ao anaty ravinkazo mandrobona izy ireo.
13 Avy eny amin’ny efitranony ambony rihana Andriamanitra no manondraka an’ireo tendrombohitra.+
Afa-po amin’ny vokatry ny asanao ny tany.+
14 Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy izy,Sy zavamaniry ho an’ny olombelona,+Mba hahatonga ny tany hamokatra sakafo:
15 Divay mampifaly ny fon’ny olona,+Sy menaka mahamandimandina ny tarehy,Ary mofo manome hery ny olona* mety maty.+
16 Azon-drano tsara ireo hazon’i Jehovah,Dia ny sederan’i Libàna, izay namboleny
17 Sy ametrahan’ny vorona ny akaniny.
Eny amin’ny hazo zenevrie ny tranon’ny vanobe.+
18 Ho an’ny osidia+ ny tendrombohitra avo,Ary fialofan’ny bitrom-bato+ ny harambato.
19 Nanao ny volana izy mba hamaritana fotoana;Fantatry ny masoandro tsara ny fotoana filentehany.+
20 Mahatonga haizina ianao, dia alina ny andro,+Ary amin’izay no mivezivezy ny bibidia rehetra any an’ala.
21 Mierona ny liona tanora rehefa mihaza,+Ka mitady sakafo avy amin’Andriamanitra.+
22 Rehefa miposaka ny masoandro,Dia mody ireny ka matory ao anatin’ny lavaka fisitrihany.
23 Ny olona kosa mivoaka hanao ny asany,Ary miasa mafy mandra-paharivan’ny andro.
24 Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô!+
Naneho fahendrena+ ianao rehefa nanao azy rehetra.
Feno zavatra nataonao ny tany.
25 Tena lehibe sy midadasika koa ny ranomasina,Izay ahitana zavamananaina kely sy lehibe tsy hita isa sady mifanaretsaka.+
26 Any no mivezivezy ny sambo,Ary any koa ny Leviatana,*+ izay nataonao hilalao any.
27 Miantehitra aminao ireo rehetra ireoMba hanome azy ny sakafony amin’ny fotoanany.+
28 Angoniny izay omenao azy.+
Rehefa manokatra ny tananao ianao, dia voky zava-tsoa izy ireo.+
29 Rehefa mihodina tsy hijery azy* kosa ianao, dia very hevitra izy ireo.
Ary raha esorinao ny hery mamelona azy, dia maty izy ireo ka miverina ho vovoka.+
30 Raha irahinao ny fanahinao dia voaforona izy ireo,+Ary havaozinao ny tany.
31 Haharitra mandrakizay ny voninahitr’i Jehovah.
Hifaly amin’ny asany i Jehovah.+
32 Jereny ny tany, dia mihovotrovotra;Kasihiny ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.+
33 Hihira ho an’i Jehovah aho+ mandritra ny androm-piainako;Hihira fiderana* ho an’ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.+
34 Hahafaly azy anie ny eritreritro!*
Hifaly amin’i Jehovah aho.
35 Hanjavona tsy hisy etỳ an-tany ny mpanota,Ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.+
Te hidera an’i Jehovah aho! Derao i Jah!*
Fanamarihana
^ Abt: “any anaty rano.”
^ Abt: “fanahy.”
^ Na: “tsy ho voahozongozona.”
^ Na: “lalan-driaka.”
^ Abt: “ny fon’ny olona.”
^ Abt: “manafina ny tarehinao.”
^ Na: “Hitendry mozika.”
^ Na mety hoe “Hahafinaritra anie ny fisaintsainako momba azy!”
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.