Salamo 38:1-22

  • Vavaky ny olona mibebaka sy mijaly noho ny ratsy nataony

    • ‘Sahiran-tsaina ary mamoy fo tanteraka’ (6)

    • Mihaino an’izay miandry azy i Jehovah (15)

    • “Nampiady saina ahy ny fahotako” (18)

Hiran’i Davida, ho fampahatsiahivana.* 38  Jehovah ô, aza tezitra rehefa mananatra ahy,Ary aza misafoaka rehefa manitsy ahy.+  2  Fa mitsatoka lalina any anatiko ny zana-tsipìkanao,Ary manindry ahy mafy ny tananao.+  3  Marary ny vatako manontolo* satria tezitra ianao. Nanota aho ka tsy milamin-tsaina mihitsy.*+  4  Fa efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako;+Toy ny enta-mavesatra ireny ka tsy zakako.  5  Maimbo sy mamoro-nana ny feriko,Noho ny hadalana vitako.  6  Sahiran-tsaina aho ary mamoy fo tanteraka;Malahelo foana aho tontolo andro rehefa mandehandeha eny.  7  Mamaivay ny any anatiko;*Marary ny vatako manontolo.+  8  Reraka ny foko sady kivy tanteraka aho;Mitaraindraina* mafy aho noho ny tebiteby ato am-poko.  9  Jehovah ô, fantatrao daholo ny faniriako rehetra,Ary tsy miafina aminao ny fisentoako. 10  Midobodoboka be ny foko, lany ny heriko,Ary tsy mahita tsara intsony ny masoko.*+ 11  Mandosindositra ahy ny namako sy ny olona mpiaraka amiko, noho ny loza manjo ahy,Ary mihatakataka amiko ny namako akaiky. 12  Mamelatra fandrika ireo mitady hamono ahy;*Ny hamotika ahy no resahin’izay mitady hanisy ratsy ahy;+Mingonongonona milaza fitaka izy ireo tontolo andro. 13  Izaho kosa toy ny marenina ka tsy maheno,+Ary toy ny moana ka tsy miloa-bava.+ 14  Lasa toy ny olona tsy mandre aho,Izay tsy manan-kolazaina mba hiarovan-tena. 15  Fa ianao no nandrasako, Jehovah ô!+Dia namaly ahy ianao, ry Jehovah Andriamanitro ô!+ 16  Fa hoy aho: “Enga anie ka tsy hifaly amin’ny fahavoazako izy ireo,Na hanambony tena ka hanambanimbany ahy, raha sendra mibolisatra ny tongotro.” 17  Fa efa saika torana aho,Sady nanaintaina foana.+ 18  Niaiky ny fahadisoako aho;+Nampiady saina ahy ny fahotako.+ 19  Ny fahavaloko anefa matanjaka* sady mahery;*Lasa be dia be ireo mankahala ahy tsy amin’antony. 20  Namaly ratsy ny soa nataoko izy ireo,Ary nanohitra ahy satria manao ny tsara aho. 21  Aza mahafoy ahy, Jehovah ô! Andriamanitro ô, aza mijanona lavitra ahy.+ 22  Ampio haingana aho,Ry Jehovah mpamonjy ahy ô!+

Fanamarihana

Na: “ho fahatsiarovana.”
Abt: “Tsy misy tsy marary ny nofoko.”
Abt: “tsy misy fiadanana ao amin’ny taolako.”
Abt: “Mamaivay daholo ny andilako.”
Na: “Mitabataba.”
Abt: “nandao ahy ny hazavan’ny masoko.”
Na: “ireo mifofo ny aiko.”
Abt: “velona.”
Na mety hoe “Maro anefa ireo lasa fahavaloko tsy amin’antony.”